< Levitikosy 16 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy, rehefa maty izy roa lahy zanak’ i Arona, tamin’ izy nanatona teo anatrehan’ i Jehovah ka maty;
And the Lord said to Moses, after the death of the two sons of Aaron when they took in strange fire before the Lord and death overtook them;
2 dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin’ ny fitoerana masìna izy; dia ao anatin’ ny efitra lamba, eo anoloan’ ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin’ ny fiara, mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin’ ny rahona eo ambonin’ ny rakotra fanaovam-panatovana Aho.
The Lord said to Moses, Say to Aaron, your brother, that he may not come at all times into the holy place inside the veil, before the cover which is on the ark, for fear that death may overtake him; for I will be seen in the cloud on the cover of the ark.
3 Ary izao no ho entin’ i Arona, raha miditra ao amin’ ny fitoerana masìna izy: vantotr’ ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana.
Let Aaron come into the holy place in this way: with an ox for a sin-offering and a male sheep for a burned offering.
4 Akanjo lava masìna rongony fotsy no hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony manolo-koditra, ary fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony fotsy no hisatrohany: fitafiana masìna ireo, ka handro amin’ ny rano izy vao hiakanjo azy.
Let him put on the holy linen coat, and the linen trousers on his body, and the linen band round him, and the linen head-dress on his head; for this is holy clothing, and before he puts them on his body is to be washed with water.
5 Ary ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely, dia handraisany osilahy roa hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy izay hatao fanatitra dorana.
And let him take from the children of Israel two he-goats for a sin-offering and one male sheep for a burned offering.
6 Dia hampanatonin’ i Arona ny vantotr’ ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho an’ ny tenany sy ny ankohonany izy.
And Aaron is to give the ox of the sin-offering for himself, to make himself and his house free from sin.
7 Ary dia halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan’ i Jehovah, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
And he is to take the two goats and put them before the Lord at the door of the Tent of meeting.
8 Dia hanaovan’ i Arona filokana ny osilahy roa: ny loka anankiray ho an’ i Jehovah, ary ny loka anankiray ho an’ i Azazela.
And Aaron will make selection from the two goats by the decision of the Lord, one goat for the Lord and one for Azazel.
9 Ary hampanatonin’ i Arona ny osilahy izay niharan’ ny filokana ho an’ i Jehovah ka hataony fanatitra noho ny ota.
And the goat which is marked out for the Lord, let Aaron give for a sin-offering.
10 Fa ny osilahy izay niharan’ ny filokana ho an’ i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan’ i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an’ i Azazela.
But the goat for Azazel is to be placed living before the Lord, for the taking away of sin, that it may be sent away for Azazel into the waste land.
11 Ary hampanatonin’ i Arona ny vantotr’ ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany izy, dia hovonoiny ny vantotr’ ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny tenany.
And Aaron is to give the ox of the sin-offering for himself and take away sin from himself and his house, and put to death the ox of the sin-offering which is for himself.
12 Dia haka vain’ afo eran’ ny fitondran’ afo avy amin’ ny alitara eo anatrehan’ i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin’ ny efitra lamba.
And he is to take a vessel full of burning coal from the altar before the Lord and in his hand some sweet perfume crushed small, and take it inside the veil;
13 Ary hataony eo amin’ ny afo eo anatrehan’ i Jehovah ny ditin-kazo, ka hosaronan’ ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovan-panavotana, izay eo ambonin’ ny Vavolombelona, mba tsy hahafaty azy.
And let him put the perfume on the fire before the Lord so that the ark may be covered with a cloud of the smoke of the perfume, in order that death may not overtake him.
14 Dia hangalany ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ka hafafin’ ny fanondrony amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana eo amin’ ny lafiny atsinanana; ary ny eo anoloan’ ny rakotra fanaovam-panavotana koa dia hofafazany ny rà impito amin’ ny fanondrony.
And let him take some of the blood of the ox, shaking drops of it from his finger on the cover of the ark on the east side, and before it, seven times.
15 Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny olona, ka ho entiny miditra ao anatin’ ny efitra lamba ny ràny, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin’ ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ihany ka hafafiny eo amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany.
Then let him put to death the goat of the sin-offering for the people, and take its blood inside the veil and do with it as he did with the blood of the ox, shaking drops of it on and before the cover of the ark.
16 Dia hanao fanavotana ho an’ ny fitoerana masìna izy noho ny fahalotoan’ ny Zanak’ Isiraely sy ny fahadisoany, dia ny fahotany rehetra; ary toy izany koa no hataony ho an’ ny trano-lay fihaonana, izay mitoetra eo aminy, eo afovoan’ ny fahalotoany.
And let him make the holy place free from whatever is unclean among the children of Israel and from their wrongdoing in all their sins; and let him do the same for the Tent of meeting, which has its place among an unclean people.
17 Ary aza avela hisy olona ao amin’ ny trano-lay fihaonana, raha miditra hanao fanavotana ao amin’ ny fitoerana masìna Arona mandra-pivoakany avy nanao fanavotana ho an’ ny tenany sy ny ankohonany ary ho an’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
And no man may be in the Tent of meeting from the time when Aaron goes in to take away sin in the holy place till he comes out, having made himself and his house and all the people of Israel free from sin.
18 Dia hivoaka ho eo amin’ ny alitara eo anatrehan’ i Jehovah izy ka hanao fanavotana ho an’ ny alitara; dia hangalany ny ran’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ran’ ny osilahy ka hatentiny amin’ ny tandroky ny alitara eo amin’ ny zorony efatra.
And he is to go out to the altar which is before the Lord and make it free from sin; and he is to take some of the blood of the ox and the blood of the goat and put it on the horns of the altar and round it;
19 Dia hofafazany ny rà impito amin’ ny fanondrony izy ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin’ ny fahalotoan’ ny Zanak’ Isiraely.
Shaking drops of the blood from his finger on it seven times to make it holy and clean from whatever is unclean among the children of Israel.
20 Ary rehefa vitany ny fanavotana ho an’ ny fitoerana masìna sy ny trano-lay fihaonana ary ny alitara, dia hampanatoniny ny osilahy velona.
And when he has done whatever is necessary to make the holy place and the Tent of meeting and the altar free from sin, let him put the living goat before the Lord;
21 Dia hapetrak’ i Arona amin’ ny lohan’ ny osilahy velona ny tànany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak’ Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra; dia hametraka izany eo amin’ ny lohan’ ny osilahy izy ka hampandeha azy ho entin’ ny lehilahy voatendry hankany an-efitra.
And Aaron, placing his two hands on the head of the living goat, will make a public statement over him of all the evil doings of the children of Israel and all their wrongdoing, in all their sins; and he will put them on the head of the goat and send him away, in the care of a man who will be waiting there, into the waste land.
22 Ary ho entin’ ny osilahy ho any an-efitra ny helok’ izy rehetra; dia halefany any ny osilahy.
And the goat will take all their sins into a land cut off from men, and he will send the goat away into the waste land.
23 Dia hiditra ao amin’ ny trano-lay fihaonana Arona, ary hanala ny fitafiany rongony fotsy, izay niakanjoany raha niditra ao amin’ ny fitoerana masìna izy, ka hamela azy ao.
Then let Aaron come into the Tent of meeting and take off the linen clothing which he put on when he went into the holy place, and put them down there;
24 Dia handro amin’ ny rano eo amin’ izay fitoerana masìna izy ka hitafy ny fitafiany; dia hivoaka izy ka hanatitra ny fanatitra dorana ho an’ ny tenany sy ny fanatitra dorana ho an’ ny olona ka hanao fanavotana ho an’ ny tenany sy ny olona.
And after bathing his body in water in a holy place, he is to put on his clothing and come out and give his burned offering and the burned offering of the people, to take away his sin and the sin of the people.
25 Ary ny saboran’ ny fanatitra noho ny ota dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara.
And the fat of the sin-offering is to be burned by him on the altar.
26 Ary ilay mandefa ny osilahy ho an’ i Azazela dia hanasa fitafiana ka handro amin’ ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
And the man who takes away the goat for Azazel is to have his clothing washed and his body bathed in water and then he may come back to the tent-circle.
27 Ary ny vantotr’ ombilahy natao fanatitra noho ny ota sy ny osilahy natao fanatitra noho ny ota, izay efa nampidirina tao amin’ ny fitoerana masìna ny ràny hatao fanavotana, dia ho entina mivoaka ho eny ivelan’ ny amin’ ny afo ny hodiny sy ny henany ary ny toby; ary hodorana tain-drorohany.
And the ox of the sin-offering and the goat of the sin-offering, whose blood was taken in to make the holy place free from sin, are to be taken away outside the tent-circle and their skins and their flesh and their waste are to be burned with fire.
28 Ary izay mandoro ireo dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
And the man by whom they are burned is to have his clothing washed and his body bathed in water, and then he may come back to the tent-circle.
29 Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo: amin’ ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo.
And let this be an order to you for ever: in the seventh month, on the tenth day, you are to keep yourselves from pleasure and do no sort of work, those who are Israelites by birth and those from other lands who are living among you:
30 Fa amin’ izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin’ ny fahotanareo rehetra eo anatrehan’ i Jehovah ianareo
For on this day your sin will be taken away and you will be clean: you will be made free from all your sins before the Lord.
31 Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ka hampahory ny tenanareo ianareo: ho lalàna mandrakizay izany.
It is a special Sabbath for you, and you are to keep yourselves from pleasure; it is an order for ever.
32 Ary ny mpisorona, izay hohosorana sy hatokana ho mpisorona hisolo ny rainy, dia hanao fanavotana; ary hitafy ny fitafiana rongony fotsy izy, dia ny fitafiana masìna.
And the man on whose head the holy oil has been put, and who has been marked out to be a priest in his father's place, will do what is necessary to take away sin, and will put on the linen clothing, even the holy robes:
33 Dia hanao fanavotana ho an’ ny fitoerana masìna izy sy ho an’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara sy ny mpisorona ary ny olona rehetra amin’ ny fiangonana.
And he will make the holy place and the Tent of meeting and the altar free from sin; he will take away sin from the priests and from all the people.
34 Ary ho lalàna mandrakizay ho anareo izany, hanaovana fanavotana ho an’ ny Zanak’ Isiraely indray mandeha isan-taona hahafahany amin’ ny fahotany rehetra. Dia nataon’ i Arona araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
And let this be an order for ever for you, so that the sin of the children of Israel may be taken away once every year. And he did as the Lord gave orders to Moses.

< Levitikosy 16 >