< Levitikosy 15 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
L'Éternel parla aussi à Moïse et à Aaron, en disant:
2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny lehilahy rehetra izay marary mitsika dia haloto noho ny fitsihany.
Parlez aux enfants d'Israël, et dites-leur: Tout homme qui a un flux en sa chair, son flux le rend souillé.
3 Ary izao no ho fahalotoany, raha marary mitsika izy: na mandeha ny fitsihany, na tsy mandeha, dia samy fahalotoana ihany izany.
C'est dans son flux que consiste sa souillure: que sa chair laisse couler son flux ou qu'elle le retienne, il est souillé.
4 Maloto ny fandriana rehetra izay andrian’ ny marary mitsika; ary maloto ny zavatra rehetra izay ipetrahany.
Tout lit sur lequel couchera celui qui est atteint d'un flux sera souillé, et tout objet sur lequel il s'assiéra sera souillé.
5 Ary izay rehetra mikasika ny fandriany, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Celui qui touchera son lit, lavera ses vêtements, se lavera dans l'eau, et sera souillé jusqu'au soir.
6 Ary izay mipetraka amin’ ny zavatra izay efa nipetrahan’ ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Celui qui s'assiéra sur l'objet sur lequel celui qui est atteint d'un flux se sera assis, lavera ses vêtements, se lavera dans l'eau, et sera souillé jusqu'au soir.
7 Ary izay mikasika ny tenan’ ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Celui qui touchera la chair d'un homme atteint d'un flux, lavera ses vêtements, se lavera dans l'eau, et sera souillé jusqu'au soir.
8 Ary raha misy olona madio voaroran’ ny marary mitsika, dia hanasa fitafiana izy sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro
Et si l'homme atteint d'un flux crache sur celui qui est pur, celui-ci lavera ses vêtements, se lavera dans l'eau, et sera souillé jusqu'au soir.
9 Ary haloto ny lasely rehetra izay itaingenan’ ny marary mitsika.
Et tout char sur lequel celui qui est atteint d'un flux aura monté sera souillé.
10 Ary izay rehetra mikasika izay zavatra teo ambaniny dia haloto mandra-paharivan’ ny andro; ary izay mitondra izany zavatra izany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Quiconque touchera quoi que ce soit qui aura été sous lui, sera souillé jusqu'au soir. Et qui portera ces choses lavera ses vêtements, se lavera dans l'eau, et sera souillé jusqu'au soir.
11 Ary izay rehetra voakasiky ny marary mitsika, kanefa ilay marary tsy mbola nanasa ny tànany tamin’ ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Quiconque sera touché par celui qui est atteint d'un flux, et qui ne se sera pas lavé les mains dans l'eau, lavera ses vêtements, se lavera dans l'eau, et sera souillé jusqu'au soir.
12 Ary hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin’ ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra.
Le vase de terre que celui qui est atteint d'un flux touchera sera brisé, et tout vase de bois sera lavé dans l'eau.
13 Ary raha sitrana amin’ ny fitsihany ny marary mitsika, dia hiandry hafitoana ny amin’ ny fanadiovana azy izy; ary hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano mandeha izy, dia hadio.
Or, quand celui qui est atteint d'un flux en sera purifié, il comptera sept jours pour sa purification; il lavera ses vêtements, lavera sa chair avec de l'eau vive, et il sera pur.
14 Ary amin’ ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy ka hankeo anatrehan’ i Jehovah, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, dia hanolotra ireo ho amin’ ny mpisorona izy.
Et au huitième jour il prendra pour lui deux tourterelles ou deux pigeonneaux, et il viendra devant l'Éternel à l'entrée du tabernacle d'assignation, et il les donnera au sacrificateur.
15 Dia haterin’ ny mpisorona ireo, ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah ny mpisorona noho ny fitsihany.
Et le sacrificateur les offrira, l'un en sacrifice pour le péché, et l'autre en holocauste; et le sacrificateur fera l'expiation pour lui devant l'Éternel, à cause de son flux.
16 Ary raha miala amin’ ny lehilahy ny azy, dia hanasa ny tenany rehetra amin’ ny rano izy ary haloto mandra-paharivan’ ny andro;
L'homme qui aura une pollution lavera dans l'eau toute sa chair, et sera souillé jusqu'au soir.
17 ary hosasana amin’ ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra, izay nilatsahan’ ny azy; dia haloto mandra-paharivan’ ny andro izany.
Et tout vêtement, et toute peau, qui en seront atteints, seront lavés dans l'eau, et seront souillés jusqu'au soir.
18 Ny vehivavy izay andrian-dehilahy koa, dia samy handro amin’ ny rano izy roroa ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Et quand une femme et un homme coucheront et auront commerce ensemble, ils se laveront dans l'eau, et seront souillés jusqu'au soir.
19 Ary raha misy vehivavy mararin’ ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Et quand une femme aura un flux, un flux de sang en sa chair, elle sera dans son impureté pendant sept jours; quiconque la touchera sera souillé jusqu'au soir.
20 Ary ny zavatra rehetra izay andriany amin’ ny andro fahalotoany dia haloto koa; ary ny zavatra rehetra izay ipetrahany dia haloto koa.
Tout objet sur lequel elle aura couché pendant son impureté sera souillé; et toute chose sur laquelle elle se sera assise sera souillée.
21 Ary izay rehetra mikasika ny fandriany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Quiconque touchera son lit lavera ses vêtements, se lavera dans l'eau, et sera souillé jusqu'au soir.
22 Ary izay rehetra mikasika ny zavatra izay efa nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Et quiconque touchera un objet quelconque sur lequel elle se sera assise lavera ses vêtements, se lavera dans l'eau, et sera souillé jusqu'au soir.
23 Ary raha ao amin’ ny fandriana izany, na ao amin’ ny zavatra izay efa nipetrahany, raha nikasika izany izy, dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Et s'il y a quelque chose sur le lit ou sur l'objet sur lequel elle s'est assise, celui qui y touchera sera souillé jusqu'au soir.
24 Ary raha misy lehilahy mandry amin-dravehivavy, ary mankeo aminy ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy, ary izay rehetra andriany dia haloto koa.
Si un homme couche avec elle, et que son impureté le touche, il sera souillé sept jours, et tout lit sur lequel il couchera sera souillé.
25 Ary raha misy vehivavy marary mitsi-drà ela, na dia tsy amin’ ny andro fahalotoany amin’ ny fadim-bolany aza, na raha misy mararin’ ny fadim-bolana ka mandeha mihoatra noho ny fihaviny, dia haloto izy amin’ ny andron’ ny faharariany rehetra, tahaka ny amin’ ny andro fahalotoany ihany.
Et quand une femme aura un flux de sang pendant plusieurs jours, hors du temps de son impureté, ou quand elle perdra au-delà du temps de son impureté, elle sera souillée tout le temps de son flux, comme au temps de son impureté.
26 Ny fandriana rehetra andriany amin’ ny andron’ ny fahalotoany rehetra dia hataony tahaka ny fandriana nandriany tamin’ ny andro fahalotoany; ary izay rehetra ipetrahany dia haloto koa tahaka ny fahalotoany amin’ ny fadim-bolany.
Tout lit sur lequel elle couchera, pendant tout le temps de son flux, sera pour elle comme le lit de son impureté; et tout objet sur lequel elle s'assiéra sera souillé, comme pour la souillure de son impureté.
27 Ary izay rehetra mikasika izany zavatra izany dia haloto; ary hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano izy ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Et quiconque les touchera sera souillé; il lavera ses vêtements, se lavera dans l'eau, et sera souillé jusqu'au soir.
28 Fa raha sitrana amin’ ny faharariany ravehivavy, dia hiandry hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia hadio izy.
Lorsqu'elle sera purifiée de son flux, elle comptera sept jours, et après elle sera pure.
29 Ary amin’ ny andro fahavalo dia haka domohina roa na zana-boromailala roa ho azy izy ka hitondra ireo ho eo amin’ ny mpisorona, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
Et au huitième jour, elle prendra deux tourterelles ou deux pigeonneaux, et les apportera au sacrificateur, à l'entrée du tabernacle d'assignation;
30 Dia haterin’ ny mpisorona ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota ary ny anankiray hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho an-dravehivavy eo anatrehan’ i Jehovah ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy.
Le sacrificateur offrira l'un en sacrifice pour le péché, et l'autre en holocauste; et le sacrificateur fera pour elle l'expiation devant l'Éternel, à cause du flux qui la souillait.
31 Dia hampisarahinareo amin’ ny fahalotoany ny Zanak’ Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany.
Ainsi vous séparerez les enfants d'Israël de leur souillure, afin qu'ils ne meurent point à cause de leur souillure, en souillant ma Demeure qui est au milieu d'eux.
32 Izany no lalàna ny amin’ ny marary mitsika, sy ny amin’ izay ialan’ ny azy, ka mahaloto azy izany,
Telle est la loi concernant celui qui est atteint d'un flux ou qui est souillé par une pollution,
33 ary ny amin’ ny mararin’ ny fadim-bolany, ary ny amin’ ny marary mitsika, na lehilahy na vehivavy, ary ny amin’ izay mandry amin’ ny vehivavy maloto.
Et concernant celle qui est indisposée pour son impureté, et toute personne atteinte d'un flux, soit homme, soit femme, et l'homme qui couche avec une femme souillée.

< Levitikosy 15 >