< Levitikosy 11 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe:
I reèe Gospod Mojsiju i Aronu govoreæi im:
2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin’ ny biby rehetra ambonin’ ny tany:
Kažite sinovima Izrailjevim i recite: ovo su životinje koje æete jesti izmeðu svijeh životinja na zemlji:
3 Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo.
Što god ima papke i papci su mu razdvojeni i preživa izmeðu životinja, to jedite.
4 Kanefa amin’ izay mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
Ali onijeh što samo preživaju ili što samo imaju papke razdvojene, ne jedite, kao što je kamila, jer preživa ali nema papaka razdvojenih; da vam je neèista;
5 ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
I pitomi zec, jer preživa ali nema papaka razdvojenih; neèist da vam je;
6 ary ny rabitro, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy;
I zec divlji, jer preživa ali nema papaka razdvojenih; neèist da vam je;
7 ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy.
I svinja, jer ima papke razdvojene ali ne preživa; neèista da vam je;
8 Ny henan’ ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny.
Mesa od njih ne jedite niti se strva njihova dodijevajte; jer vam je neèisto.
9 Ary amin’ izay rehetra ao anatin’ ny rano dia izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na ao anatin’ ny ranomasina, na ao anatin’ ny ony, no ho fihinanareo;
A izmeðu svega što je u vodi ovo jedite: što god ima pera i ljusku u vodi, po moru i po rijekama, jedite.
10 fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin’ ny ranomasina, na ao anatin’ ny ony, na amin’ izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin’ ny zava-manan’ aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;
A što nema pera i ljuske u moru i u rijekama izmeðu svega što se mièe po vodi i živi u vodi, da vam je gadno.
11 eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny.
Gadno da vam je; mesa da im ne jedete, i na strv njihov da se gadite.
12 Izay rehetra tsy misy vombony na kirany ao anaty rano dia ho zava-betaveta aminareo.
Što god nema pera i ljuske u vodi, to da vam je gadno.
13 Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin’ ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
A izmeðu ptica ove da su vam gadne i da ih ne jedete: orao i jastrijeb i morski orao,
14 ary ny papango sy ny voromahery, isan-karazany,
Eja i kraguj po svojim vrstama,
15 ary ny goaika rehetra, isan-karazany,
I svaki gavran po svojim vrstama,
16 ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka sy ny hitsikitsika, isan-karazany,
I sovuljaga i æuk i liska i kobac po svojim vrstama,
17 ary ny vorondolo sy ny manarana sy ny vorondolo lehibe
I buljina i gnjurac i ušara,
18 ary ny ibisa sy ny sama ary ny voltora madinika
I labud i gem i svraka,
19 sy ny vano sy ny vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy.
I roda i èaplja po svojim vrstama, i pupavac i ljiljak.
20 Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo;
Što god gamiže a ima krila i ide na èetiri noge, da vam je gadno.
21 nefa izao kosa no ho fihinanareo amin’ ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin’ ny faladiany hitsipihany eo amin’ ny tany.
Ali izmeðu svega što gamiže a ima krila i ide na èetiri noge jedite što ima stegna na nogama svojim, kojima skaèe po zemlji.
22 Amin’ ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany.
Izmeðu njih jedite ove: arba po vrstama njegovim, salema po vrstama njegovim, argola po vrstama njegovim i agava po vrstama njegovim.
23 Fa ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy ireo dia ho zava-betaveta aminareo.
A što još gamiže a ima krila i èetiri noge, da vam je gadno.
24 Dia Ireo no ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
I o njih æete se oskvrniti; ko se god dotakne mrtva tijela njihova, da je neèist do veèera.
25 Ary izay rehetra mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
I ko bi god nosio mrtva tijela njihova, neka opere haljine svoje, i da je neèist do veèera.
26 Ny biby rehetra izay mivaky kitro, nefa tsy mba misara-kitro tsara sady tsy mandinika, dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy.
Svaka životinja koja ima papke ali nerazdvojene i ne preživa, da vam je neèista; ko ih se god dotakne, da je neèist.
27 Ary izay rehetra mandeha amin’ ny faladiany, amin’ ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan’ ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny.
I što god ide na šapama izmeðu svijeh životinja èetvoronogih, da vam je neèisto; ko bi se dotakao strva njihova, da je neèist do veèera.
28 Ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ka haloto mandra-paharivan’ ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny.
I ko bi nosio strv njihov, neka opere haljine svoje, i da je neèist do veèera; to da vam je neèisto.
29 Ary izao no haloto aminareo amin’ ny biby izay mandady na mikisaka amin’ ny tany: ny kionkiona sy ny totozy ary ny sitry, isan-karazany,
I izmeðu životinja koje pužu po zemlji da su vam neèiste: lasica i miš i kornjaèa po svojim vrstama,
30 ary ny anakà sy ny koaha sy ny letaha sy ny hometa ary ny tana.
I jež i gušter i tvor i puž i krtica.
31 Ireo no maloto aminareo amin’ ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika ny fatin’ ireo dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
To vam je neèisto izmeðu životinja koje pužu; ko ih se dotakne mrtvijeh, da je neèist do veèera.
32 Ary izay zavatra rehetra ilatsahan’ ny fatin’ Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro izy vao hadio.
I svaka stvar na koju padne koje od njih mrtvo biæe neèista, bila sprava drvena ili haljina ili koža ili torba, i svaka stvar koja treba za kakav posao, neka se metne u vodu, i da je neèista do veèera, poslije da je èista.
33 Ary ny amin’ ny vilany tany rehetra izay ilatsahan’ ny fatin’ ireo, dia haloto izay ao anatiny na inona na inona, ary ny vilany dia hovakinareo.
A svaki sud zemljani, u koji padne što od toga, i što god u njemu bude, biæe neèist, i razbijte ga.
34 Ary ny hanina fihinana rehetra, izay asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina dia haloto koa, na tamin’ ny fanaka inona na tamin’ ny fanaka inona.
I svako jelo što se jede, ako na njega doðe onaka voda, da je neèisto, i svako piæe što se pije u svakom takom sudu, da je neèisto.
35 Ary haloto izay zavatra rehetra ilatsahan’ ny fatin’ ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo.
I na što bi palo što od tijela njihova mrtva sve da je neèisto, i peæ i ognjište neka se razvali, jer je neèisto i neka vam je neèisto.
36 Kanefa ny loharano na ny lavaka famorian-drano izay misy rano be dia hadio ihany; fa izay mikasika ny fatin-javatra eo no haloto.
A studenac i ubao, gdje se voda skuplja, biæe èist; ali što se dotakne strva njihova, biæe neèisto.
37 Ary raha misy fatin’ ireo latsaka amin’ ny voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio ihany izany.
Ako li što od strva njihova padne na sjeme, koje se sije, ono æe biti èisto.
38 Fa raha misy voan-javatra nalona tamin’ ny rano ka ilatsahan’ ny fatiny, dia ho zava-maloto aminareo izany.
Ali ako bude polito sjeme vodom, pa onda padne što od strva njihova na sjeme, da vam je neèisto.
39 Ary raha misy maty izay biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan’ ny andro izay mikasika ny fatiny.
I kad ugine životinja od onijeh koje jedete, ko se dotakne strva njezina, da je neèist do veèera.
40 Ary izay mihinana amin’ ny fatiny dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro; ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sady haloto mandra-paharivan’ ny andro
A ko bi jeo od strva njezina, neka opere haljine svoje i da je neèist do veèera; i ko bi odnio strv njezin, neka opere haljine svoje, i da je neèist do veèera.
41 Ary ny zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana.
I sve što puže po zemlji, da vam je gadno, da se ne jede.
42 Izay rehetra mandady amin’ ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, dia tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny.
Što god ide na trbuhu i što god ide na èetiri noge ili ima više noga izmeðu svega što puže po zemlji, to ne jedite, jer je gad.
43 Aza mametaveta ny tenanareo amin’ izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto anareo izany.
Nemojte se poganiti nièim što gamiže i nemojte se skvrniti njima, da ne budete neèisti s njih.
44 Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasìna ny tenanareo, ka dia ho masìna ianareo, satria masìna Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin’ izay zavatra mandady na mikisaka amin’ ny tany.
Jer ja sam Gospod Bog vaš; zato se osveæujte i budite sveti, jer sam ja svet; i nemojte se skvrniti nièim što puže po zemlji.
45 Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho masìna ianareo, satria masìna Aho.
Jer ja sam Gospod, koji sam vas izveo iz zemlje Misirske da vam budem Bog; budite dakle sveti, jer sam ja svet.
46 Izany no lalàna ny amin’ ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan’ aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan’ aina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany,
Ovo je zakon za zvijeri i za ptice, i za sve životinje što se mièu po vodi, i za svaku dušu živu koja puže po zemlji,
47 mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho fihinana.
Da se raspoznaje neèisto od èistoga i životinja koja se jede od životinje koja se ne jede.

< Levitikosy 11 >