< Fitomaniana 4 >

1 Indrisy! efa matromatroka ny volamena; Efa niova ny tena volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia efa nahahany eny an-joron-dalambe rehetra eny.
How the gold has become dim. How the most pure gold has changed. The stones of the sanctuary are poured out at the head of every street.
2 Indrisy! ny zanaka mahafinaritr’ i Ziona, izay saro-bidy tahaka ny tena volamena, dia efa atao ho toy ny siny, asan-tànan’ ny mpanefy tanimanga!
The precious sons of Zion, comparable to fine gold, How they are regarded as clay jars, the work of the hands of the potter.
3 Na dia ny amboadia aza dia manolotra nono hampinonoany ny zanany; Fa ny oloko zanakavavy kosa dia efa masiaka toy ny ostritsa any an-efitra.
Even the jackals offer the breast, they nurse their young ones, but the daughter of my people has become cruel, like the ostriches in the wilderness.
4 Ny lelan’ ny zaza minono miraikitra amin’ ny lanilaniny noho ny hetaheta; Ny ankizy madinika mangataka hanina, nefa tsy misy mizara ho azy.
The nursing infant's tongue sticks to the roof of his mouth for thirst. The young children ask for bread, but no one gives to them.
5 Izay nihinana zava-py dia mahantra eny an-dalambe; Izay notezaina tamin’ ny jaky dia mandamaka eny amin’ ny zezika.
Those who ate delicacies are destitute in the streets. Those who were brought up in purple embrace ash heaps.
6 Fa ny heloky ny oloko zanakavavy dia lehibe noho ny helok’ i Sodoma, Izay noravana indray mipi-maso monja, nefa tsy nokasihin-tanana akory,
For the iniquity of the daughter of my people is greater than the sin of Sodom, which was overthrown in an instant, and no hands were laid on her.
7 Ny lehibeny dia mangatsakatsaka noho ny fanala, eny, fotsy noho ny ronono; Mena noho ny voahangy ny tenany; Tahaka ny vato safira ny endriny.
Her consecrated ones were purer than snow, whiter than milk; their bodies more ruddy than rubies, their appearance was like lapis lazuli.
8 Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny tarehiny, ka tsy fantatra eny an-dalana izy; Ny hodiny miraikitra amin’ ny taolany ka tonga maina toy ny hazo.
They appear darker than soot; they are not known in the streets. Their skin cleaves to their bones; it is withered and has become as dry as a stick.
9 Tsara ny matin-tsabatra noho ny maty mosary; Fa ireto dia mihareraka toy ny voatrobaka noho ny tsi-fisian’ ny vokatry ny saha.
Those who are killed with the sword are better than those who are killed with hunger; those who waste away, pierced through, for lack of the fruits of the field.
10 Ny tanan’ ny vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany: Eny, izany no nohaniny tamin’ ny fandringanana ny oloko zanakavavy.
The hands of the compassionate women have cooked their own children; they were their food in the destruction of the daughter of my people.
11 Tanterahin’ i Jehovah ny fahavinirany, naidiny ny fahatezerany mirehitra, ary Izy nampirehitra afo tao Ziona, handevonana ny fanorenany.
YHWH has accomplished his wrath, he has poured out his fierce anger; he has kindled a fire in Zion, which has devoured its foundations.
12 Ny mpanjakan’ ny tany sy ny mponina rehetra amin’ izao tontolo izao dia tsy nanampo fa ny rafilahy sy ny fahavalo no ho tafiditra ao amin’ ny vavahadin’ i Jerosalema.
The kings of the earth did not believe, neither all the inhabitants of the world, that the adversary or the enemy would enter into the gates of Jerusalem.
13 Noho ny fahotan’ ny mpaminany sy ny heloky ny mpisorony, izay nandatsaka ny ran’ ny marina tao aminy, no nahatongavan’ izao.
It is because of the sins of her prophets, and the iniquities of her priests, that have shed the blood of the just in the midst of her.
14 Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy, sady voahosin-drà ny tenany, ka tsy nisy sahy nikasika ny akanjony.
They wander as blind men in the streets, they are polluted with blood, so that men can't touch their garments.
15 Ny olona niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo, fa maloto, mialà, mialà, aza mikasika anay. Raha nandositra sy niraparapa izy, dia hoy ny olona tany amin’ ny jentilisa: Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny.
"Go away." they cried to them, "Unclean. Away, away. Do not touch." When they fled away and wandered, men said among the nations, "They shall not live here anymore."
16 Ny fahatezeran’ i Jehovah no nampihahakahaka azy, ary tsy mijery azy intsony Izy; Ny mpisorona tsy hajain’ ireny, ary ny antitra tsy amindrany fo.
YHWH himself has scattered them; he will no more regard them. They did not respect the priests, they did not favor the elders.
17 Mbola pahina ny masonay miandry foana ny hamonjy anay; Nitazana teo amin’ ny tilikambo izahay nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay.
Our eyes still fail, looking in vain for our help. In our watching we have watched for a nation that could not save.
18 Mitsongo-dia anay izy, ka tsy mahazo mandeha eny an-dalambe aza izahay; Akaiky ny fara-fiainanay, tapitra ny andronay, eny, tonga ny fara-fiainanay.
They hunt our steps, so that we can't go in our streets. Our end is near, our days are fulfilled; for our end has come.
19 Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin’ ny lanitra, ka miolomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manotrika anay any an-efitra izy.
Our pursuers were swifter than the eagles of the sky. They chased us on the mountains, they lay in wait for us in the wilderness.
20 Ny fofonainay, ilay voahosotr’ i Jehovah, dia efa voafandriky ny longoany, dia ilay nataonay hoe: Ao ambanin’ ny alokalony no hahavelona anay any amin’ ny firenena.
The breath of our nostrils, the anointed of YHWH, was taken in their pits; of whom we said, "Under his shadow we can live among the nations."
21 Mifalia sy miraveravoa ihany ary, ry Edoma zanakavavy, izay monina any amin’ ny tany Oza, ianao koa no horosoana ny kapoaka, ka ho mamo sy hitanjaka ianao.
Rejoice and be glad, daughter of Edom, that dwell in the land of Uz. The cup shall pass through to you also; you will get drunk, and shall make yourself naked.
22 Tsy misy intsony ny helokao, ry Ziona zanakavavy, tsy ho entina ho babo intsony ianao; Hamaly anao Izy, ry Edoma zanakavavy, noho ny helokao ka hampiseho ny fahotanao.
The punishment of your iniquity is accomplished, daughter of Zion; he will no more carry you away into captivity. He will visit your iniquity, daughter of Edom; he will uncover your sins.

< Fitomaniana 4 >