< Fitomaniana 1 >

1 Indrisy, mitoetra manirery izao ilay tanàna feno olona! Efa tonga toy ny mpitondratena izy! Ilay nalaza tamin’ ny firenena sy andriambavy tamin’ ny tany samy hafa dia efa miankin-doha kosa izao!
How the city sits solitary, that was full of people. She has become as a widow, who was great among the nations. She who was a princess among the provinces has become a forced laborer.
2 Mitomany dia mitomany izy nony alina, ary ny ranomasony dia eny an-takolany; Izay rehetra tia azy dia tsy misy mampionona azy; Ny sakaizany rehetra efa nivadika taminy ka tonga fahavalony.
She weeps bitterly in the night, and her tears are on her cheeks; among all her lovers she has none to comfort her. All her friends have dealt treacherously with her; they have become her enemies.
3 Lasan-ko babo ny Joda noho ny fahoriana sy ny haben’ ny fanompoana; Mipetraka ao amin’ ny jentilisa izy, nefa tsy mahita fitsaharana; Izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy teo an-ketena.
Judah has gone into exile because of affliction and harsh servitude; she dwells among the nations, she finds no rest: all her persecutors overtook her in the midst of her distress.
4 Ireo lalana mankany Ziona dia mitomany, satria tsy misy miakatra ho amin’ ny fotoam-pivavahana; Lao ny vavahadiny rehetra, misento ny mpisorony; Ory ny virijinany, ary Ziona dia efa azon’ ny fahoriana mangidy.
The roads to Zion mourn, because no one comes to the solemn assembly; all her gates are desolate, her cohanim groan: her virgins are afflicted, and she herself is in bitterness.
5 Ny rafiny no mpanapaka, ny fahavalony no miadana, Satria Jehovah no efa nampahory azy noho ny hamaroan’ ny fahotany; Ny zanany madinika dia lasan-ko babo eo anoloan’ ny fahavalony,
Her adversaries have become the head, her enemies prosper; for the LORD has afflicted her for the multitude of her transgressions: her young children have gone into captivity before the adversary.
6 Ary ny voninahitr’ i Ziona zanakavavy rehetra dia efa tsy ananany intsony; Ny mpanapaka azy dia toy ny diera tsy mahita ahitra, Ary mandeha reraka eo anoloan’ ny mpanenjika azy izy.
All majesty has departed from the daughter of Zion: her leaders have become like deer that find no pasture, they fled exhausted before the pursuer.
7 Tsaroan’ i Jerosalema amin’ ny andro fahoriany sy fanjenjenany ny zava-tsoa rehetra izay nananany hatry ny ela; Fa nony naripaky ny fahavalo ny olony, ka tsy nisy namonjy azy, dia nahita azy ny fahavalo ka nihomehy ny faharavany.
Jerusalem remembers in the days of her affliction and wandering all her precious things that were from the days of old: when her people fell into the hand of the adversary, and no one helped her. The adversaries saw her, they mocked at her desolations.
8 Efa nanota dia nanota Jerosalema, ka izany no nahatonga azy ho fahavetavetana; izay rehetra nanaja azy dia mamingavinga azy, satria efa nahita ny fitanjahany ireny; Eny, na ny tenany aza dia miferinaina sady miamboho.
Jerusalem has grievously sinned; therefore she has become as an unclean thing; all who honored her despise her, because they have seen her nakedness: yes, she groans, and turns away.
9 Ny lotony dia teo amin’ ny moron-tongotr’ akanjony, tsy nitsapa farany izy; Dia mahagaga ny fietreny, tsy misy mampionona azy. Jehovah ô, jereo ny fahoriako, fa mirehareha ny fahavalo.
Her filthiness was in her skirts; she did not remember her latter end; therefore her fall was astonishing; she has no comforter. "Look, LORD, on my affliction, for the enemy has magnified himself."
10 Ny fahavalo naninjitra ny tànany naka ny zava-tsoany rehetra; Fa ny jentilisa, izay noraranao tsy hiditra amin’ ny fiangonanao, dia hitany tafiditra ao amin’ ny fitoerany masìna.
The adversary has spread out his hand on all her precious things: for she has seen that the nations have entered into her sanctuary, concerning whom you commanded that they should not enter into your assembly.
11 Misento ny olony rehetra, mitady hanina; Eny, atakalony hanina ny zava-tsoany hamelombelona ny ainy; Jehovah ô, jereo ka diniho, fa vingavingaina aho.
All her people sigh, they seek bread; they have given their precious things for food to refresh the soul. "Look, LORD, and see, for I am despised."
12 Moa tsy mampaninona anareo va, ry mpandalo rehetra? Jereo sy izahao raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako, izay namelezany ahy, dia ilay nampahorian’ i Jehovah ahy tamin’ ny andro firehetan’ ny fahatezerany.
Is it nothing to you, all you who pass by? Look, and see if there is any sorrow like my sorrow, which is brought on me, with which the LORD has afflicted me in the day of his fierce anger.
13 Avy tany amin’ ny avo no nandatsahany afo ho amin’ ny taolako handoroany azy; Namela-pandrika harato haningorana ny tongotro Izy ka nampihemotra ahy; Nampahalao sy nampahareraka ahy mandritra ny andro Izy.
From on high he has sent fire into my bones, and it overcame them. He has spread a net for my feet, he has turned me back. He has made me desolate and faint all the day.
14 Ny ziogan’ ny fahotako nofehezin’ ny tànany; Voaolana ireny ka tonga eo an-katoko; noketrahiny ny heriko; Natolotry ny Tompo ho eo an-tànan izay tsy leoko aho.
My transgressions are bound into a yoke; by his hand they are fastened together, they are set upon my neck; he has made my strength to fail. The LORD has delivered me into their hands, against whom I am not able to stand.
15 Nataon’ ny Tompo tsinontsinona ny maheriko rehetra; Nanendry fotoana hamelezana ahy Izy, handringanana ny zatovoko; Ny Tompo nanosihosy an’ i Joda zanakavavy virijina toy ny eo amin’ ny famiazam-boaloboka.
The LORD has rejected all my mighty men in my midst; he has called a solemn assembly against me to crush my young men. The LORD has trodden as in a winepress the virgin daughter of Judah.
16 Izany zavatra izany no mampitomany ahy; e! ny masoko, ny masoko mamarin-dranomaso, fa lavitra ahy ny mpampionona izay tokony hamelombelona ny fanahiko; Ringana ny zanako, fa mahery ny fahavalo.
For these things I weep; my eyes flow with tears; because the comforter who should refresh my soul is far from me. My children are desolate, because the enemy has prevailed.
17 Ziona mananty tanana, nefa tsy misy mampionona azy; Jehovah nandidy ny amin’ i Jakoba mba ho tonga fahavalony ny manodidina azy; Jerosalema dia tonga fahavetavetana eo afovoan’ ireo.
Zion spreads forth her hands; there is none to comfort her. The LORD has commanded concerning Jacob, that those who are around him should be his adversaries. Jerusalem is among them as an unclean thing.
18 Marina Jehovah, fa efa nandà ny teniny aho; Ry firenena rehetra, masìna ianareo, mba jereo ny fahoriako; Lasan-ko babo ny virijinako sy ny zatovoko.
The LORD is righteous, for I have rebelled against his commandment. Please listen all you people, and see my suffering. My virgins and my young men have gone into captivity.
19 Nantsoiko ireo tia ahy, fa nofitahiny aho; Ny mpisoroko sy ny loholoko niala aina tao an-tanana, Tamin’ ny nitadiavany hanina hamelombelona ny ainy.
I called for my lovers, but they deceived me. My cohanim and my elders perished in the city, while they searched for food to refresh their souls.
20 Izahao, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho, mandevilevy ny foko; Miontana ato anatiko ny foko, fa naditra dia naditra aho; Eny ivelany dia ny sabatra no mahafoana anaka, ary ao an-trano dia toa misy fahafatesana kosa.
See, LORD, for I am in distress; my stomach churns; my heart is turned within me; for I have grievously rebelled. Outside the sword bereaves, in the house it is like death.
21 Reny fa misento aho; tsy misy mampionona ahy; Ny fahavaloko rehetra nandre ny fahoriako, ka faly izy, satria Hianao no nanao izany; Hahatonga izay andro nantsoinao Hianao, ka dia ho tonga tahaka ahy koa ireo.
They have heard that I groan; there is none to comfort me. All my enemies have heard of my trouble; they are glad that you have done it. Bring the day that you have proclaimed, so that they shall end up like me.
22 Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra, ary mba ataovy aminy kosa tahaka izay nataonao tamiko noho ny fahotako rehetra; Fa imbetsaka ny fisentoako, ka reraka ny foko.
Let all their wickedness come before you. Do to them, as you have done to me for all my transgressions. For my groans are many, and my heart is faint.

< Fitomaniana 1 >