< Mpitsara 5 >

1 Ary Debora sy Baraka, zanak’ i Abinoama, dia nihira tamin’ izany andro izany ka nanao hoe:
“Tsiku limenelo Debora ndi Baraki mwana wa Abinoamu anayimba nyimbo iyi:
2 Noho ny fitarihan’ ny lehibe tamin’ ny Isiraely sy ny fahazotoan’ ny vahoaka nanolotena, dia miderà an’ i Jehovah.
“Popeza kuti atsogoleri anatsogoleradi mʼdziko la Israeli; ndipo anthu anadzipereka okha mwa ufulu, tamandani Yehova:
3 Mandrenesa ianareo, ry mpanjaka, mihainoa ianareo, ry mpanapaka! Izaho indrindra no hihira ho an’ i Jehovah; hankalaza an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
“Imvani inu mafumu! Tcherani khutu, atsogoleri inu! Ndidzayimba nyimbo, ndidzayimbira Yehova, Mulungu wa Israeli nyimbo yokoma.
4 Jehovah ô, fony nivoaka avy tany Seïra Hianao ary nandeha avy tany amin’ ny tany Edoma, dia nihorohoro ny tany, ary ny lanitra koa nitete; Eny, ny rahona matevina nitete rano.
“Inu Yehova, pamene munkatuluka mu Seiri, pamene mumayenda kuchokera mʼdziko la Edomu, dziko linagwedezeka, mitambo inasungunuka nigwetsa madzi.
5 Ny tendrombohitra niempo teo anatrehan’ i Jehovah. Eny, na dia iry Sinay iry aza teo anatrehan’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
Mapiri anagwedezeka pamaso pa Yehova, Mulungu wa Israeli.
6 Tamin’ ny andron’ i Samgara, zanak’ i Anata, sy tamin’ ny andron’ i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no nalehan’ ny mpandeha.
“Pa nthawi ya Samugara mwana wa Anati, pa nthawi ya Yaeli, misewu inasiyidwa; alendo ankangoyenda mʼtinjira takumbali.
7 Lao ny tany an-tsaha; eny, lao tamin’ ny Isiraely izany, Mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin’ ny Isiraely.
Anthu a ku midzi anathawa; mu Israeli munalibe midzi mpaka pamene iwe Debora unafika; unafika ngati mayi ku Israeli.
8 Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin’ izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin’ ny olona efatra alina tamin’ ny Isiraely?
Pamene anasankha milungu ina, nkhondo inabwera ku zipata za mzinda, ndipo chishango kapena mkondo sizinapezeke pakati pa anthu 40,000 mu Israeli.
9 Ny foko mankasitraka ny mpanapaka amin’ ny Isiraely, izay nazoto nanolo-tena teo amin’ ny vahoaka, miderà an’ i Jehovah ianareo.
Mtima wanga uli ndi atsogoleri a Israeli, uli ndi anthu amene anadzipereka okha mwaufulu pakati pa anthu. Tamandani Yehova!
10 Hianareo izay mitaingina borikivavy fotsy, ianareo izay mipetraka amin’ ny lamba fitoerana, ary ianareo koa izay mandeha amin’ ny lalana, samia milaza.
“Inu okwera pa abulu oyera, okhala pa zishalo, ndi inu oyenda pa msewu, yankhulani.
11 Lavitra ny feon’ ny mpandefa zana-tsipìka, dia eo amin’ ny fantsakan-drano, no hiresahany ny asa marina nataon’ i Jehovah, dia ny fahamarinany tamin’ ny tany Isily; Tamin’ izany dia nidina ny olon’ i Jehovah ho any am-bavahady.
Ku zitsime, kutali ndi phokoso la a mauta; kumeneko akusimba za kuti Yehova wapambana; akusimba kuti Yehova walipsira anthu ake mu Israeli. “Choncho anthu a Yehova anasonkhana ku zipata za mzinda.
12 Mifohaza, mifohaza, ry Debora; Mifohaza, mifohaza, ka mihirà! Mitsangana, ry Baraka; ento ny babonao, ry zanakalahin’ i Abinoama.
Anati, ‘Tsogolera ndiwe, Debora, tsogolera; tsogolera ndiwe, tsogolera, imba nyimbo. Iwe Baraki! nyamuka Tsogolera akapolo ako, iwe mwana wa Abinoamu.’
13 Tamin’ izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin’ ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely ny olo-mahery.
“Kenaka anthu okhulupirika anatsatira atsogoleri awo; anthu a Yehova anapita kukamenyera Yehova nkhondo kulimbana ndi adani amphamvu.
14 Ny avy amin’ i Efraima, izay miorina amin’ i Amaleka, dia nomba anao teo amin’ ny firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no nidinan’ ny mpanao lalàna, ary avy tamin’ i Zebolona ireo mitana ny tehin’ ny mpifehy.
Anakalowa mʼchigwa kuchokera ku Efereimu; akutsatira iwe Benjamini ndi abale ako. Akulu a ankhondo anachokera ku Makiri, ndipo onyamula ndodo ya udindo anachokera ku Zebuloni.
15 Ary ny andrianan’ Isakara niaraka tamin’ i Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin’ ny sakeli-dranon’ i Robena!
Olamulira a Isakara anali pamodzi ndi Debora; inde, anthu ochokera ku Isakara anatsatanso Baraki, ndipo anathamangira ku chigwa akumutsatira. Koma pakati pa mafuko a Rubeni panali kusinkhasinkha mtima kwambiri osadziwa chenicheni choyenera kuchita.
16 Nahoana ianao no nitoetra teo anelanelan’ ny vala, hihainoanao ny feon-tsodina any amin’ ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin’ ny sakeli-dranon’ i Robena!
Chifukwa chiyani munangokhala ku makola a nkhosa nʼkumangomvetsera zitoliro zoyitanira nkhosa? Pakati pa anthu a fuko la Rubeni panali kusinkhasinkha mtima kwambiri osadziwa chenicheni choyenera kuti achite.
17 Gileada nitoetra tany an-dafin’ i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin’ ny fitodiany no nipetrahany.
Agiliyadi anatsala pa tsidya la Yorodani. Ndipo nʼchifukwa chiyani anthu afuko la Dani anatsarira mʼsitima za pa madzi? Aseri anali pa gombe la Nyanja; anangokhala mʼmadooko mwawo.
18 Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin’ ny fitoerana avo any an-tsaha.
Azebuloni ndi anthu amene anayika moyo wawo mʼzoopsa. Nawonso anthu a fuko la Nafutali anayika miyoyo yawo pa chiswe pomenya nkhondo pamwamba pa mapiri.
19 Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan’ i Kanana, dia teo anilan’ ny ranon’ i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo.
“Mafumu anabwera, anachita nkhondo; mafumu Akanaani anachita nkhondo ku Tanaki pafupi ndi madzi a ku Megido, koma sanatengeko zofunkha zasiliva.
20 Avy tany an-danitra no nisy ady: ny kintana tamin’ ny nalehany niady tamin’ i Sisera.
Ngakhalenso nyenyezi zakumwamba zinachita nkhondo, zinathira nkhondo Sisera, zikuyenda mʼnjira zake.
21 Ny ony Kisona nipaoka azy, Izany ony ela izany, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery ianao, ry fanahiko!
Mtsinje wa Kisoni unawakokolola, chigumula cha mtsinje wa Kisoni chinawakokolola. Mtima wanga, yenda mwamphamvu, limbika!
22 Tamin’ izany dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly noho ny fihazakazaka, dia ny fihazakazaky ny maheriny.
Ndipo ziboda za ngʼombe zazimuna zinachita phokoso lalikulu, akavalo ali pa liwiro, akuthamanga kwambiri.
23 Ozony Meroza, hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah, Ozony dia ozòny ny mponina ao, Satria tsy mba tonga hanampy an’ i Jehovah izy, eny, tsy nanampy an’ i Jehovah hamely ny mahery.
Mngelo wa Yehova anati ‘Tembererani Merozi.’ ‘Tembererani nzika zake mwaukali, chifukwa sanabwere kudzathandiza Yehova, kulimbana ndi adani ake amphamvu.’
24 Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin’ i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.
“Akhale wodala kupambana akazi onse, Yaeli mkazi wa Heberi Mkeni; inde mwa akazi onse okhala mʼdziko, akhale wodala iyeyu.
25 Rano no nangatahin-dralehilahy, fa ronono aza no nomeny azy; Teo an-dovian’ andriana no nitondrany rononomandry.
Munthu uja anapempha madzi akumwa, koma iye anamupatsa mkaka; anamupatsa chambiko mʼchikho cha wolemekezeka.
26 Ny tànany nandray ny tsima-day, Ary ny tànany ankavanana nandray ny tantanan’ ny mpiasa, dia namely an’ i Sisera tamin’ ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; Namely mafy izy, dia nahaboroaka ny fihirifany.
Anatenga chikhomo cha tenti mʼdzanja lake, anatenganso nyundo ndi dzanja lake lamanja. Ndipo anakhoma nacho Sisera, anamuphwanya mutu wake, ndi kumubowola mu litsipa mwake.
27 Teo amin’ ny tongo-dravehivavy no niondrehany nahalavoany niamparany, eny, teo amin’ ny tongony no niondrehany nahalavoany teo amin’ izay niondrehany no niamparan’ ny fatiny.
Anathifukira ku mapazi a mkaziyo nagwa, anagwa; iye anagona pamenepo. Anagwera pa mapazi a mkaziyo, iye anagwa; pamene anagwera, pamenepo anaferapo.
28 Tao amin’ ny varavarankely no nitsirihan’ ny renin’ i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin’ ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredretra ny kodian’ ny kalesiny?
“Amayi ake a Sisera anasuzumira pa zenera; nafuwula mokweza kuti, ‘Nʼchifukwa chiyani galeta lake lachedwa kufika? Nʼchifukwa chiyani phokoso la magaleta ake silikumveka?’
29 Izay hendry tamin’ ny andriambaviny no namaly azy, eny, ny tenany aza namaly hoe:
Amayi ake anzeru kwambiri anamuyankha, ndithudi, mwiniwake anadziyankha yekha kuti,
30 Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an’ ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon’ i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon’ ny nahazo babo.
‘Kodi iwo sakufunafuna zofunkha kuti agawane; akugawana wankhondo aliyense mtsikana mmodzi kapena awiri. Sisera akumupatsa zofunkha: zovala zonyikidwa mu utoto, zoti ndizivala mʼkhosi zovala zopeta zonyika mu utoto, ndi zopeta zomavala mʼkhosi?’
31 Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin’ ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.
“Choncho Yehova! adani anu onse awonongeke, koma iwo amene amakukondani inu akhale ngati dzuwa pamene lituluka ndi mphamvu zake.” Ndipo dziko linakhala pa mtendere zaka makumi anayi.

< Mpitsara 5 >