< Mpitsara 3 >

1 Ary ny firenena navelan’ i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana,
Desse äro de Hedningar, som Herren lät blifva, på det han skulle med dem försöka Israel, som intet visste utaf Canaans örlig;
2 mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak’ Isiraely izany amin’ ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha;
Och att Israels barnas afföda måtte veta och lära strida, de som tillförene intet visste deraf;
3 dia ireo andriana dimy tamin’ ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin’ i Bala-hermona ka hatramin’ ny lalana mankany Hamata.
Nämliga de fem Philisteers Förstar, och alla Cananeer och Zidonier, och de Heveer, som bodde på Libanons berg, allt ifrå det berget BaalHermon, tilldess man kommer till Hamath.
4 Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin’ i Jehovah, izay nasainy nandidian’ i Mosesy ny razany, izy, na tsia.
De samme blefvo till att försöka Israel med dem, att man måtte förfara, om de lydde Herrans bud, som han deras fäder budit hade genom Mose.
5 Ary ny Zanak’ Isiraely nonina teo amin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
Då nu Israels barn bodde ibland de Cananeer, Hetheer, Amoreer, Phereseer, Heveer och Jebuseer,
6 Ary naka ny zanakavavin’ ireny ho vadiny izy sady nanome ny zananivavy ho vadin’ ny zanakalahin’ ireny ka nanompo ny andriamaniny.
Togo de deras döttrar till hustrur, och gåfvo sina döttrar deras söner, och tjente deras gudar;
7 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely ka nanadino an’ i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha.
Och gjorde illa för Herranom, och förgåto Herran deras Gud, och tjente Baalim och lundom.
8 Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ i Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an’ i Kosan-risataima valo taona ny Zanak’ Isiraely.
Då förgrymmade sig Herrans vrede öfver Israel, och sålde dem i CusanRisathaims hand, Konungens i Mesopotamien; och så tjente Israels barn CusanRisathaim i åtta år.
9 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an’ ny Zanak’ Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin’ i Kenaza, zandrin’ i Kaleba.
Då ropade Israels barn till Herran, och Herren uppväckte dem en frälsare, som dem frälste, Athniel, Kenas son, Calebs yngste broders.
10 Ary ny Fanahin’ i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an’ i Kosan-risataima.
Och Herrans Ande var i honom, och han vardt domare i Israel, och drog ut till strid; och Herren gaf CusanRisathaim, Konungen i Syrien, i hans hand, så att hans hand vardt honom öfvermägtig.
11 Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak’ i Kenaza.
Så blef landet stilla i fyratio år; och Athniel, Kenas son, blef död.
12 Fa nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray ny zanak’ Isiraely ary i Jehovah nampahery an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, hiady amin’ ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
Men Israels barn gjorde ännu mer ondt för Herranom. Då stärkte Herren Eglon, de Moabiters Konung, emot Israel, derföre att de gjorde det ondt var för Herranom;
13 Dia nampiangona ny taranak’ i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia.
Och församlade till sig Ammons barn och de Amalekiter; och han drog åstad, och slog Israel, och tog in Palma staden.
14 Dia nanompo an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, valo ambin’ ny folo taona ny Zanak’ Isiraely.
Och Israels barn tjente Eglon, de Moabiters Konung, i aderton år.
15 Ary nitaraina tamin’ i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak’ i Gera, avy amin’ ny taranak’ i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, ny Zanak’ Isiraely.
Så ropade de till Herran, och Herren uppväckte dem en frälsare, Ehud, Gera son, Jemini sons; han var ofärdig i sin högra hand. Och Israels barn sände med honom skänker till Eglon, de Moabiters Konung.
16 Ary nanao sabatra roa lela Ehoda, hakiho ny halavany; dia nataony tao amin’ ny fehin-kibony ambanin’ ny akanjo fiadiany izany, teny am-balahany ankavanana.
Och Ehud gjorde sig ett tveeggadt svärd, en aln långt, och band det under sin kläder på högra låret;
17 Dia nitondra ny fanomezana ho an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, izy; ary lehilahy matavibe Eglona.
Och bar fram skänken till Eglon, de Moabiters Konung; och Eglon var en ganska fet man.
18 Ary rehefa vitany ny nanolorana ny fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany.
Och när han hade fått ifrå sig skänken, öfvergaf han folket, som hade burit skänken;
19 Fa nony tonga teo amin’ ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy.
Och vände tillbaka igen ifrå de afgudar i Gilgal; och lät båda: Jag hafver, o Konung, något hemligit tala vid dig. Han bad gifva ljud; och de gingo alle ut, som stodo omkring honom.
20 Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin’ Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin’ ny seza fiandrianana Eglona.
Och Ehud kom till honom in, och han satt uti en sommarsal allena; och Ehud sade: Jag hafver Guds ord till dig; då stod han upp af sinom stol.
21 Ary naninjitra ny tànany ankavia Ehoda ka nandray ny sabatra teny am-balahany ankavanana, dia natsatony tamin’ ny kibon’ i Eglona izany;
Men Ehud räckte ut sina venstra hand, och tog svärdet af sitt högra lår, och stötte det in uti hans buk;
22 ary difotra mbamin’ ny zarany, ka voasaron’ ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin’ ny kibony izy; ary niboroaka teo amin’ ny vodiny izany.
Så att ock skaftet följde in med bladet, och fetman innelyckte skaftet; ty han drog intet svärdet ut af hans buk, och träcken gick af honom.
23 Dia nivoaka teo amin’ ny lavarangana Ehoda ka nandrindrina ny varavaran’ ny trano ka nanidy azy tao.
Men Ehud gick ut genom bakdörrena, och lät igen dörrena efter sig, och slog henne i lås.
24 Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon’ i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran’ ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy aloha.
Då han nu utkommen var, gingo hans tjenare in; och som de sågo, att dörren på sommarsalen igenlyckt var, sade de: Han är tilläfventyrs gången på stol i kammaren till sommarsalen.
25 Dia niandry mandra-pahaveri-heviny izy ireo, kanjo tsy namoha ny varavaran’ ny trano izy; ka dia naka ny fanalahidy izy ireo ka namoha azy; ary, indro, maty niampatra tamin’ ny rihana ny tompony
När de nu så länge bidt hade, att de skämdes, ty ingen lät dem dörrena upp af salen, togo de nyckelen, och läste upp; si, då låg deras herre der död på jordene.
26 Fa Ehoda efa nandositra, raha mbola nitaredretra izy ireo, ka efa nihoatra ny fihadiam-bato, dia nandositra ho any Seïrata.
Och Ehud undflydde, medan de fördröjde, och gick fram om afgudarna, och undkom allt intill Seirath.
27 Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin’ ny tany havoana ny Zanak’ Isiraely, ary izy no nitarika azy.
Och då han kom derin, blåste han i basuner på Ephraims berg, och Israels barn drogo med honom af bergena, och han framför dem;
28 Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr’ i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitàna any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza.
Och sade till dem: Följer mig efter, ty Herren hafver gifvit edra fiendar, de Moabiter, i edra händer; och de följde honom efter, och vunno Jordans färjostad, den som drager åt Moab, och läto ingen komma deröfver.
29 Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin’ izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.
Och slogo de Moabiter af på den tiden vid tiotusend män, alltsammans ädla och stridsamma män, så att icke en undslapp.
30 Dia resin’ ny tanan’ ny Isiraely ny Moabita tamin’ izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany.
Alltså vordo de Moabiter på den tiden nederlagde, under Israels barnas hand; och landet var stilla i åttatio år.
31 Ary nanarakaraka azy Samgara, zanak’ i Anata, izay namely ny Filistina enin-jato lahy tamin’ ny fanindronan-omby; dia namonjy ny Isiraely koa izy.
Efter honom var Samgar, Anaths son; han slog sexhundrade Philisteer med en herdastaf, och frälste ock han Israel.

< Mpitsara 3 >