< Mpitsara 21 >

1 Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely efa nianiana tany Mizpa nanao hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zananivavy ho vadin’ ny Benjamita.
Now the men of Israel had sworn in Mizpah, saying, “None of us will give his daughter to Benjamin as a wife.”
2 Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan’ Andriamanitra mandra-paharivan’ ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafy
The people came to Bethel and sat there until evening before God, and lifted up their voices, and wept severely.
3 nanao hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, nahoana no tonga tamin’ ny Isiraely izao ankehitriny, ka fongotra ny firenena iray amin’ ny Isiraely?
They said, “The LORD, the God of Israel, why has this happened in Israel, that there should be one tribe lacking in Israel today?”
4 Ary nony ampitson’ iny dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.
On the next day, the people rose early and built an altar there, and offered burnt offerings and peace offerings.
5 Ary hoy ny Zanak’ Isiraely: Iza amin’ ny ferenen’ Isiraely rehetra no tsy niakatra teo amin’ ny fiangonana hanatona an’ i Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny amin’ izay tsy niakatra ho any amin’ i Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa izy.
The children of Israel said, “Who is there among all the tribes of Israel who didn’t come up in the assembly to the LORD?” For they had made a great oath concerning him who didn’t come up to the LORD to Mizpah, saying, “He shall surely be put to death.”
6 Ary ny Zanak’ Isiraely nanenina ny amin’ i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin’ ny Isiraely ankehitriny.
The children of Israel grieved for Benjamin their brother, and said, “There is one tribe cut off from Israel today.
7 Ahoana no hataontsika amin’ ireo sisa hahazoany vady; fa isika efa nianiana tamin’ i Jehovah tsy hanome vady azy amin’ ny zanakavavintsika?
How shall we provide wives for those who remain, since we have sworn by the LORD that we will not give them of our daughters to wives?”
8 Dia hoy izy: Iza amin’ ny firenen’ Isiraely no tsy mba niakatra ho any amin’ i Jehovah tany Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona avy tany Jebesi-gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin’ ny fiangonana.
They said, “What one is there of the tribes of Israel who didn’t come up to the LORD to Mizpah?” Behold, no one came from Jabesh Gilead to the camp to the assembly.
9 Fa rehefa voalamina ny olona, dia, indro, tsy nisy tao na dia iray akory aza avy tamin’ ny tompon-tany tany Jabesi-gileada.
For when the people were counted, behold, there were none of the inhabitants of Jabesh Gilead there.
10 Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin’ ny lelan-tsabatra mbamin’ ny zaza amim-behivavy.
The congregation sent twelve thousand of the most valiant men there, and commanded them, saying, “Go and strike the inhabitants of Jabesh Gilead with the edge of the sword, with the women and the little ones.
11 Ary izao no hataonareo: Ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy dia haringanareo.
This is the thing that you shall do: you shall utterly destroy every male, and every woman who has lain with a man.”
12 Ary nahita zazavavy virijina efa-jato tsy mbola nahalala lahy teo amin’ ny mponina tany Jabesi-gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin’ ny tany Kanana.
They found among the inhabitants of Jabesh Gilead four hundred young virgins who had not known man by lying with him; and they brought them to the camp to Shiloh, which is in the land of Canaan.
13 Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin’ ny taranak’ i Benjamina, izay tao amin’ ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.
The whole congregation sent and spoke to the children of Benjamin who were in the rock of Rimmon, and proclaimed peace to them.
14 Dia niverina tamin’ izany andro izany ny Benjamita, ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin’ ny vehivavy tao Jabesi-gileada ireo; kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo.
Benjamin returned at that time; and they gave them the women whom they had saved alive of the women of Jabesh Gilead. There still weren’t enough for them.
15 Ary ny olona nanenina noho ny amin’ i Benjamina, satria nisy nobangain’ i Jehovah ny firenen’ Isiraely.
The people grieved for Benjamin, because the LORD had made a breach in the tribes of Israel.
16 Dia hoy ny loholon’ ny fiangonana: Ahoana no hataontsika ho an’ ireo sisa mba hahazoany vady, fa efa naringana ny vehivavy tamin’ ny Benjamita?
Then the elders of the congregation said, “How shall we provide wives for those who remain, since the women are destroyed out of Benjamin?”
17 Ary hoy izy: Tsy maintsy mahazo lova ny Benjamita izay afa-nandositra, mba tsy hisy firenena iray fongotra amin’ ny Isiraely.
They said, “There must be an inheritance for those who are escaped of Benjamin, that a tribe not be blotted out from Israel.
18 Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an’ ny Benjamita.
However, we may not give them wives of our daughters, for the children of Israel had sworn, saying, ‘Cursed is he who gives a wife to Benjamin.’”
19 Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an’ i Jehovah any Silo, izay avaratr’ i Betela, atsinanan’ ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon’ i Lebona.
They said, “Behold, there is a feast of the LORD from year to year in Shiloh, which is on the north of Bethel, on the east side of the highway that goes up from Bethel to Shechem, and on the south of Lebonah.”
20 Ary nandidy ny taranak’ i Benjamina izy ka nanao hoe: Mandehana, ka manotreha any amin’ ny tanim-boaloboka,
They commanded the children of Benjamin, saying, “Go and lie in wait in the vineyards,
21 ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin’ ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin’ ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin’ ny tanin’ ny Benjamina indray.
and see, and behold, if the daughters of Shiloh come out to dance in the dances, then come out of the vineyards, and each man catch his wife of the daughters of Shiloh, and go to the land of Benjamin.
22 Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin’ ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany ianareo.
It shall be, when their fathers or their brothers come to complain to us, that we will say to them, ‘Grant them graciously to us, because we didn’t take for each man his wife in battle, neither did you give them to them; otherwise you would now be guilty.’”
23 Dia nanao izany ny taranak’ i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin’ ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin’ ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao.
The children of Benjamin did so, and took wives for themselves according to their number, of those who danced, whom they carried off. They went and returned to their inheritance, built the cities, and lived in them.
24 Dia samy nandeha niala teo ny Zanak’ Isiraely tamin’ izany andro izany, samy ho any amin’ ny fireneny sy ny fokony avy; dia niala teo ho any amin’ ny lovany avy ny olona rehetra.
The children of Israel departed from there at that time, every man to his tribe and to his family, and they each went out from there to his own inheritance.
25 Tsy nisy mpanjaka teo amin’ ny Isiraely tamin’ izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.
In those days there was no king in Israel. Everyone did that which was right in his own eyes.

< Mpitsara 21 >