< Mpitsara 2 >

1 Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin’ ny tany izay nianianako tamin’ ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay;
The angel of YHWH came up from Gilgal to Bochim. He said, "I made you to go up out of Egypt, and have brought you to the land which I swore to your fathers; and I said, 'I will never break my covenant with you:
2 koa aza manao fanekena amin’ ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao?
and you shall make no covenant with the inhabitants of this land; you shall break down their altars.' But you have not listened to my voice: why have you done this?
3 Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin’ ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny.
Therefore I also said, I will not drive them out from before you, but they will become your adversaries, and their gods shall be a snare to you."
4 Ary nony niteny izany teny izany tamin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra Ilay Anjelin’ i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.
It happened, when the angel of YHWH spoke these words to all the children of Israel, that the people lifted up their voice, and wept.
5 Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe Bokima; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an’ i Jehovah.
They called the name of that place Bochim: and they sacrificed there to YHWH.
6 Ary rehefa nampodin’ i Josoa ny vahoaka, dia nandeha ho any amin’ ny lovany avy ny Zanak’ Isiraely rehetra handova ny tany.
Now when Joshua had sent the people away, the children of Israel went every man to his inheritance to possess the land.
7 Ary nanompo an’ i Jehovah ny vahoaka tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Josoa sy tamin’ ny andro rehetra niainan’ ny loholona izay velona taorian’ i Josoa, dia ireo izay efa nahita ny asa lehibe rehetra nataon’ i Jehovah ho an’ ny Isiraely.
The people served YHWH all the days of Joshua, and all the days of the elders who outlived Joshua, who had seen all the great work of YHWH that he had worked for Israel.
8 Ary maty Josoa, zanak’ i Nona, mpanompon’ i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.
Joshua the son of Nun, the servant of YHWH, died, being one hundred ten years old.
9 Dia nalevina tao anatin’ ny fari-tanin’ ny lovany izy, dia tao Timnata-heresa, any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
They buried him in the territory of his inheritance in Timnath Serah, in the hill country of Ephraim, on the north of the mountain of Gaash.
10 Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin’ ny razany; ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an’ i Jehovah na ny asa efa nataony ho an’ ny Isiraely, no nitsangana nandimby azy.
And all that generation were also gathered to their fathers. And there arose another generation after them who did not know YHWH, nor the works which he had done for Israel.
11 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, fa nanompo ireo Bala
The children of Israel did that which was evil in the sight of YHWH, and served the Baals;
12 ka nahafoy an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, ka nanaraka andriamani-kafa amin’ ny andriamanitry ny firenena manodidina azy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an’ i Jehovah.
and they forsook YHWH, the God of their fathers, who brought them out of the land of Egypt, and followed other gods, of the gods of the peoples who were around them, and bowed themselves down to them: and they provoked YHWH to anger.
13 Eny, nahafoy an’ i Jehovah izy ka nanampo an’ i Bala sy Astarta.
They forsook YHWH, and served Baal and the Ashtaroth.
14 Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka natolony teo an-tànan’ ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan’ ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan’ ny fahavalony intsony.
The anger of YHWH was kindled against Israel, and he delivered them into the hands of marauders who plundered them; and he sold them into the hands of their enemies all around, so that they could not any longer stand before their enemies.
15 Na taiza na taiza nivoahany, dia namely azy ny tanan’ i Jehovah ka nampahory azy, araka izay efa nolazain’ i Jehovah sy araka izay efa nianianany taminy; ka dia ory indrindra izy.
Wherever they went out, the hand of YHWH was against them for harm, as YHWH had spoken, and as YHWH had sworn to them: and they were in great distress.
16 Kanefa Jehovah nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin’ ny tànan’ ireo namabo azy.
YHWH raised up judges, who saved them out of the hand of those who plundered them.
17 Fa na dia ny mpitsara azy aza dia tsy mba nohenoiny, fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehany; nivily faingana niala tamin’ ny lalana izay nandehanan’ ny razany nanaraka ny didin’ i Jehovah izy, fa tsy mba nanaraka izany.
Yet they did not listen to their judges; for they played the prostitute after other gods, and bowed themselves down to them: they turned aside quickly out of the way in which their fathers walked, obeying the commandments of YHWH; but they did not do so.
18 Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin’ ny tanan’ ny fahavalony tamin’ ny andro rehetra niainan’ izany mpitsara izany; fa nalahelo azy Jehovah amin’ ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo azy.
When YHWH raised up judges for them, then YHWH was with the judge, and saved them out of the hand of their enemies all the days of the judge: for it grieved YHWH because of their groaning by reason of those who oppressed them and troubled them.
19 Kanjo nony maty ilay mpitsara, dia nanao ratsy indray izy mihoatra noho ny nataon’ ny razany, fa nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ary niankohoka teo anatrehany izy; tsy nitsahatra tàmin’ ny fanaony na tamin’ ny lalana nanaovany ditra izy.
But it happened, when the judge was dead, that they turned back, and dealt more corruptly than their fathers, in following other gods to serve them, and to bow down to them; they did not cease from their practices, and they did not turn aside from their stubborn ways.
20 Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko,
The anger of YHWH was kindled against Israel; and he said, "Because this nation has transgressed my covenant which I commanded their fathers, and have not obeyed my voice;
21 dia tsy handroaka olona eo anoloany intsony Aho amin’ ny firenena izay tsy mbola resy hatramin’ ny andro nahafatesan’ i Josoa,
I will no longer drive out before them any of the nations that Joshua left when he died;
22 mba hizahako toetra ny Isiraely amin’ ireny, na hitandrina ny lalan’ i Jehovah ka handeha amin’ izany araka izay nitandreman’ ny razany izany izy, na tsia.
that by them I may test Israel, whether they will keep the way of YHWH to walk in it, as their fathers kept it, or not."
23 Dia navelan’ i Jehovah ireny firenena ireny ka tsy noroahiny faingana; sady tsy voatolony teo an-tànan’ i Josoa ireny.
So YHWH left those nations, without driving them out hastily; neither delivered he them into the hand of Joshua.

< Mpitsara 2 >