< Mpitsara 19 >

1 Ary tamin’ izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin’ ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tary an-tsisin’ ny tany havoan’ i Efraima, ka naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda.
當以色列中沒有王的時候,有住以法蓮山地那邊的一個利未人,娶了一個猶大伯利恆的女子為妾。
2 Ary ny vaditsindranony nijangajanga sy nisintaka taminy ka nandao azy ary nankany an-tranon-drainy any Betlehema-joda, dia nitoetra tao efa-bolana mipaka.
妾行淫離開丈夫,回猶大的伯利恆,到了父家,在那裏住了四個月。
3 Ary niainga ralehilahy ka nandeha nanaraka azy hanao teny malefaka taminy hampody azy ary nitondra ny zatovony sy boriky roa; dia nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony hitan’ ny rain-drazazavavy ralehilahy, dia faly izy nihaona taminy.
她丈夫起來,帶着一個僕人、兩匹驢去見她,用好話勸她回來。女子就引丈夫進入父家。她父見了那人,便歡歡喜喜地迎接。
4 Ary nihazona azy ny rafozany, rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao izy roa lahy.
那人的岳父,就是女子的父親,將那人留下住了三天。於是二人一同吃喝、住宿。
5 Ary nony tamin’ ny andro fahefatra, dia nifoha maraina koa izy ka niomana handeha; fa hoy ny rain-drazazavavy tamin’ ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary rehefa afaka izany, dia handeha ianareo.
到第四天,利未人清早起來要走,女子的父親對女婿說:「請你吃點飯,加添心力,然後可以行路。」
6 Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro; dia hoy ny rain-drazazavavy tamin-dralehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina, ary aoka ho faly ny fonao.
於是二人坐下一同吃喝。女子的父親對那人說:「請你再住一夜,暢快你的心。」
7 Ary raha niomana handeha ralehilahy, dia nanery azy hitoetra ny rafozany, ka dia tafandriana tao indray izy.
那人起來要走,他岳父強留他,他又住了一宿。
8 Dia nifoha maraina koa izy handeha nony tamin’ ny andro fahadimy; fa hoy ny rain-drazavazavy: Aoka mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary mijanonjanona aloha mandra-pihilan’ ny andro; ary dia niara-nihinana izy roa lahy.
到第五天,他清早起來要走,女子的父親說:「請你吃點飯,加添心力,等到日頭偏西再走。」於是二人一同吃飯。
9 Ary raha niainga handeha ralehilahy sy ny vaditsindranony ary ny ankizilahiny, dia hoy ny rafozany, rain-drazazavavy, taminy Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa masìna ianao, mandria re anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto, mba hifalian’ ny fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa ianareo, ka handeha hody ianao.
那人同他的妾和僕人起來要走,他岳父,就是女子的父親,對他說:「看哪,日頭偏西了,請你再住一夜;天快晚了,可以在這裏住宿,暢快你的心。明天早早起行回家去。」
10 Fa tsy nety nijanona intsony ralehilahy tamin’ izany alina izany, fa niainga ihany izy ka nandeha, dia tonga tandrifin’ i Jebosa (Jerosalema izany); ary boriky roa samy voaisy lasely no nentiny, ary ny vaditsindranony niaraka taminy koa.
那人不願再住一夜,就備上那兩匹驢,帶着妾起身走了,來到耶布斯的對面(耶布斯就是耶路撒冷。)
11 Ary rehefa mby teo akaiky an’ i Jebosa izy, ka efa ho hariva ny andro, dia hoy ny zatovo tamin’ ny tompony: Andeha hiakatra ato amin’ ity tanànan’ ny Jebosita ity isika ka handry ato.
臨近耶布斯的時候,日頭快要落了,僕人對主人說:「我們不如進這耶布斯人的城裏住宿。」
12 Fa hoy ny tompony taminy: Tsy hiakatra amin’ ny tanànan’ ny olona hafa firenena izay tsy isan’ ny Zanak’ Isiraely isika, fa handroso ihany ho any Gibea.
主人回答說:「我們不可進不是以色列人住的外邦城,不如過到基比亞去」;
13 Ary hoy izy tamin’ ny zatovony: Andeha isika hankamin’ ny anankiray amin’ ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry any.
又對僕人說:「我們可以到一個地方,或住在基比亞,或住在拉瑪。」
14 Dia nandroso izy ka nandeha; ary raha mbola teo akaiky an’ i Gibea, izay an’ ny Benjamita, izy, dia nilentika ny masoandro.
他們就往前走。將到便雅憫的基比亞,日頭已經落了;
15 Ka dia nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo amin’ ny kianjan’ ny tanàna; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao an-tranony.
他們進入基比亞要在那裏住宿,就坐在城裏的街上,因為無人接他們進家住宿。
16 Ary, indro, nisy lehilahy anti-panahy avy niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy any amin’ ny tany havoan’ i Efraima koa izy, saingy nitoetra tany Gibea, fa ny mponina tao amin’ izany tanana izany dia Benjamita.
晚上,有一個老年人從田間做工回來。他原是以法蓮山地的人,住在基比亞;那地方的人卻是便雅憫人。
17 Ary rehefa nanopy ny masony izy ka nahita ilay vahiny teo an-kianjan’ ny tanana, dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Hankaiza moa ianao? Ary avy taiza?
老年人舉目看見客人坐在城裏的街上,就問他說:「你從哪裏來?要往哪裏去?」
18 Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankarỳ an-tsisin’ ny tany havoan’ i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany an-tranon’ i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy;
他回答說:「我們從猶大的伯利恆來,要往以法蓮山地那邊去。我原是那裏的人,到過猶大的伯利恆,現在我往耶和華的殿去,在這裏無人接我進他的家。
19 kanefa misy mololo sy hanina ihany ho an’ ny borikinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ho an’ ny zatovo manaraka ny mpanomponao: tsy misy zavatra ilainay intsony.
其實我有糧草可以餵驢,我與我的妾,並我的僕人,有餅有酒,並不缺少甚麼。」
20 Dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Fiadanana anie ho anao; aoka ho adidiko izay rehetra ilainao, fa aza mandry foana eto an-kianja.
老年人說:「願你平安!你所需用的我都給你,只是不可在街上過夜。」
21 Dia nitondra azy tany an-tranony izy ka nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro.
於是領他們到家裏,餵上驢,他們就洗腳吃喝。
22 Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin’ ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.
他們心裏正歡暢的時候,城中的匪徒圍住房子,連連叩門,對房主老人說:「你把那進你家的人帶出來,我們要與他交合。」
23 Dia nivoaka nankeo aminy ralehilahy tompo-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, masìna ianareo, aza manao ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianareo.
那房主出來對他們說:「弟兄們哪,不要這樣作惡;這人既然進了我的家,你們就不要行這醜事。
24 Indreto ny zanako-vavy virijina sy ny vaditsindranon-dralehilahy, aoka mba ho entiko mivoaka ireo, ka mandria aminy, ary ataovy aminy izay sitrakareo; fa aza ity lehilahy ity no anaovanareo izany zavatra fady indrindra izany.
我有個女兒,還是處女,並有這人的妾,我將她們領出來任憑你們玷辱她們,只是向這人不可行這樣的醜事。」
25 Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain’ ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy.
那些人卻不聽從他的話。那人就把他的妾拉出去交給他們,他們便與她交合,終夜凌辱她,直到天色快亮才放她去。
26 Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran’ ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran’ ny vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan’ ny andro.
天快亮的時候,婦人回到她主人住宿的房門前,就仆倒在地,直到天亮。
27 Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran’ ny trano, dia nivoaka handeha tamin’ ny lalan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran’ ny trano, ary ny tanany eo amin’ ny tokonana.
早晨,她的主人起來開了房門,出去要行路,不料那婦人仆倒在房門前,兩手搭在門檻上;
28 Ary hoy ralehilahy taminy: Mitsangàna, andeha isika. Kanjo tsy nisy namaly. Dia nobetain-dralehilahy izy ka nasampiny teo amin’ ny borikiny; dia niainga izy nandeha ho any amin’ ny fonenany.
就對婦人說:「起來,我們走吧!」婦人卻不回答。那人便將她馱在驢上,起身回本處去了。
29 Ary rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsy, ka noraisiny ny fatin’ ny vaditsindranony, dia norasainy araka ny famavanin’ ny taolana ho roa ambin’ ny folo toko, ka nampitondrainy eran’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra.
到了家裏,用刀將妾的屍身切成十二塊,使人拿着傳送以色列的四境。
30 Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin’ ny andro niakaran’ ny Zanak’ Isiraely avy tany amin’ ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao.
凡看見的人都說:「從以色列人出埃及地,直到今日,這樣的事沒有行過,也沒有見過。現在應當思想,大家商議當怎樣辦理。」

< Mpitsara 19 >