< Mpitsara 13 >

1 Ary ny Zanak’ Isiraely nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray, ka dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànan’ ny Filistina efa-polo taona izy.
The children of Israel again did that which was evil in the sight of YHWH; and YHWH delivered them into the hand of the Philistines forty years.
2 Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin’ ny fokon’ ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka.
There was a certain man of Zorah, of the family of the Danites, whose name was Manoah; and his wife was barren, and did not bear.
3 Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy.
The angel of YHWH appeared to the woman, and said to her, "See now, you are barren, and do not bear; but you shall conceive, and bear a son.
4 Koa mitandrema ianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana akory izay zava-padina.
Now therefore please be careful and drink no wine nor strong drink, and do not eat any unclean thing.
5 Fa, indro, hanan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an’ Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin’ ny tanan’ ny Filistina.
For look, you shall conceive, and bear a son; and no razor will come on his head; for the child shall be a Nazirite to God from the womb. And he shall begin to save Israel out of the hand of the Philistines."
6 Dia nandeha ravehivavy ka nilaza tamin’ ny vadiny hoe: Nisy lehilahin’ Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery Ilay Anjelin’ Andriamanitra, ka tsy nanontany Azy izay nihaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany.
Then the woman came and told her husband, saying, "A man of God came to me, and his face was like the face of the angel of God, very awesome; and I didn't ask him where he was from, neither did he tell me his name,
7 Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an’ Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny
but he said to me, 'Look, you shall conceive, and bear a son. And now drink no wine nor strong drink, and do not eat any unclean thing; for the child shall be a Nazirite to God from the womb until the day of his death.'"
8 Ary Manoa nangataka tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahin’ Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.
Then Manoah pleaded with YHWH, and said, "Oh, Lord, please let the man of God whom you did send come again to us, and teach us what we shall do to the child who shall be born."
9 Ary Andriamanitra nihaino ny feon’ i Manoa, ka dia nankany amin-dravehivavy indray Ilay Anjelin’ Andriamanitra, raha tany an-tsaha izy; fa Manoa vadiny tsy teo aminy.
God listened to the voice of Manoah; and the angel of God came again to the woman as she sat in the field: but Manoah, her husband, wasn't with her.
10 Dia nihazakazaka faingana ravehivavy ka nanambara tamin’ ny vadiny hoe: Indro, niseho tamiko indray ny lehilahy izay tonga tamiko tamin’ ilay indray andro.
The woman ran quickly, and told her husband, and said to him, "Look, the man who came to me the other day has appeared to me."
11 Dia nitsangana Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Hianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dravehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy.
Manoah arose, and went after his wife, and came to the man, and said to him, "Are you the man who spoke to the woman?" He said, "I am."
12 Dia hoy Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary inona no ho asany?
Manoah said, "Now let your word happen. How shall the child be raised and what is he to do?"
13 Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Manoa: Izay rehetra efa nolazaiko tamin-dravehivavy dia aoka hotandremany avokoa.
The angel of YHWH said to Manoah, "Of all that I said to the woman let her be careful.
14 Izay rehetra avy amin’ ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana akory izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.
She may not eat of anything that comes of the vine, neither let her drink wine or strong drink, nor eat any unclean thing. All that I have commanded her she is to observe."
15 Ary hoy Manoa tamin’ Ilay Anjelin’ i Jehovah: Aoka mba hotananay Hianao mandra-pamboatray zanak’ osy ho Anao.
Manoah said to the angel of YHWH, "Please, stay a bit longer that we may prepare a young goat for you."
16 Dia hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin’ ny haninao Aho tsy akory; fa raha hanatitra fanatitra dorana ianao, dia aoka Jehovah no hanateranao izany. Fa tsy fantatr’ i Manoa ho Anjelin’ i Jehovah Izy.
The angel of YHWH said to Manoah, "Though you detain me, I won't eat of your bread. And if you prepare a burnt offering, you must offer it to YHWH." For Manoah did not know that he was the angel of YHWH.
17 Dia hoy Manoa tamin’ Ilay Anjelin’ i Jehovah: Iza moa no anaranao, mba hanomezanay voninahitra Anao, rehefa tanteraka ny teninao?
Manoah said to the angel of YHWH, "What is your name, that when your words come true we may honor you?"
18 Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Nahoana no manontany ny anarako ianao? Fa anarana mahagaga izany.
And the angel of YHWH said to him, "Why do you ask for my name? It is incomprehensible."
19 Dia naka ny zanak’ osy sy ny fanatitra hohanina Manoa ka nanatitra ireny teo ambonin’ ny vatolampy ho an’ i Jehovah; ary Ilay Anjely kosa nanao zava-mahagaga, raha mbola nijery teo Manoa mivady.
So Manoah took the young goat and a grain offering, and offered it on the rock to YHWH, YHWH who works wonders. And Manoah and his wife looked on.
20 Ary raha niakatra ho amin’ ny lanitra ny lelafo avy teo amin’ ny alitara, dia niakatra teo anatin’ ny lelafo avy teo amin’ ny alitara Ilay Anjelin’ i Jehovah. Ary nijery izany Manoa mivady, ka dia niankohoka tamin’ ny tany.
For it happened, when the flame went up toward the sky from off the altar, that the angel of YHWH ascended in the flame of the altar. And Manoah and his wife looked on, and they fell on their faces to the ground.
21 Ary tsy niseho tamin’ i Manoa sy ny vadiny intsony Ilay Anjelin’ i Jehovah; dia fantatr’ i Manoa fa Anjelin’ i Jehovah Izy.
But the angel of YHWH did not appear again to Manoah or to his wife. Then Manoah knew that he was the angel of YHWH.
22 Ary hoy Manoa tamin’ ny vadiny: Ho faty tokoa isika, satria efa nahita an’ Andriamanitra.
Manoah said to his wife, "We shall surely die, because we have seen God."
23 Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitrak’ i Jehovah ny hahafaty antsika, dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana sy fanatitra hohanina tamin’ ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany zavatra rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny.
But his wife said to him, "If YHWH meant to kill us, he wouldn't have received a burnt offering and a grain offering from us, neither would he have shown us all these things, nor would he have spoken to us now like this."
24 Ary niteraka zazalahy ravehivavy, ka ny anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza, ary Jehovah nitahy azy.
The woman bore a son, and named him Samson. And the child grew, and YHWH blessed him.
25 Dia niantomboka nanindry azy indraindray ny Fanahin’ i Jehovah tany Mahane-dana, teo anelanelan’ i Zora sy Estaola.
And the Spirit of YHWH began to direct him in Mahaneh Dan, between Zorah and Eshtaol.

< Mpitsara 13 >