< Josoa 9 >

1 Ary rehefa nandre izany ny mpanjaka rehetra izay etỳ an-dafin’ i Jordana, na ny tany amin’ ny tany havoana, na ny tany amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tany amoron’ ny Ranomasina Lehibe tandrifin’ i Libanona, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita,
約旦河西,住山地、高原,並對着黎巴嫩山沿大海一帶的諸王,就是赫人、亞摩利人、迦南人、比利洗人、希未人、耶布斯人的諸王,聽見這事,
2 dia niray hina niangona hiady amin’ i Josoa sy ny Isiraely izy.
就都聚集,同心合意地要與約書亞和以色列人爭戰。
3 Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan’ i Josoa an’ i Jeriko sy Ay,
基遍的居民聽見約書亞向耶利哥和艾城所行的事,
4 dia nanao hafetsena kosa izy ka nandeha, ary nody ho iraka ka nitondra lasaka tonta nasampiny teo amin’ ny borikiny sy siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay,
就設詭計,假充使者,拿舊口袋和破裂縫補的舊皮酒袋馱在驢上,
5 ary kapa tonta sady nitampintampina teo amin’ ny tongony, ary lamba tonta notafiny; ary efa maina sy bobongolo ny mofo rehetra izay vatsiny.
將補過的舊鞋穿在腳上,把舊衣服穿在身上;他們所帶的餅都是乾的,長了霉了。
6 Dia nankany amin’ i Josoa teo an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin’ ny Isiraelita nanao hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny mba manaova fanekena aminay ianareo.
他們到吉甲營中見約書亞,對他和以色列人說:「我們是從遠方來的,現在求你與我們立約。」
7 Ary hoy ny Isiraelita tamin’ ireo Hivita ireo: Angamba mponina ato aminay ihany ianareo, ka hataonay ahoana no fanao fanekena aminareo?
以色列人對這些希未人說:「只怕你們是住在我們中間的;若是這樣,怎能和你們立約呢?」
8 Fa hoy izy tamin’ i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza?
他們對約書亞說:「我們是你的僕人。」約書亞問他們說:「你們是甚麼人?是從哪裏來的?」
9 Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Egypta
他們回答說:「僕人從極遠之地而來,是因聽見耶和華-你上帝的名聲和他在埃及所行的一切事,
10 ary izay rehetra nataony tamin’ ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, izay tany an-dafin’ i Jordana, dia Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, sy Oga, mpanjakan’ i Basana, izay tany Astarta.
並他向約旦河東的兩個亞摩利王,就是希實本王西宏和在亞斯他錄的巴珊王噩一切所行的事。
11 Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin’ ny taninay ka nanao hoe: Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho any amin’ ny haleha, dia mandehana hitsena azy, ka lazao aminy hoe: Mpanomponao izahay; koa ankehitriny manaova fanekena aminay.
我們的長老和我們那地的一切居民對我們說:『你們手裏要帶着路上用的食物去迎接以色列人,對他們說:我們是你們的僕人;現在求你們與我們立約。』
12 Itony mofonay itony dia vao mafana no nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin’ ny andro nivoahanay hankatỳ aminareo; fa ankehitriny, indro, efa maina sy bobongolo izy;
我們出來要往你們這裏來的日子,從家裏帶出來的這餅還是熱的;看哪,現在都乾了,長了霉了。
13 ary vaovao ireto siny hoditra misy divay ireto izay nofenoinay; fa, indreo, efa triatra izy; ary efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny naleha.
這皮酒袋,我們盛酒的時候還是新的;看哪,現在已經破裂。我們這衣服和鞋,因為道路甚遠,也都穿舊了。」
14 Ary nangalan’ ny olona ny vatsin’ ireo, nefa tsy nanontany tamin’ ny vavan’ i Jehovah izy.
以色列人受了他們些食物,並沒有求問耶和華。
15 Ary Josoa dia nanao fihavanana taminy ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny lohan’ ny fiangonana koa dia nianiana taminy.
於是約書亞與他們講和,與他們立約,容他們活着;會眾的首領也向他們起誓。
16 Ary nony efa afaka hateloana no nanaovany fanekena taminy, dia reny fa mifanakaiky aminy ihany ireo sady mitoetra eo aminy.
以色列人與他們立約之後,過了三天才聽見他們是近鄰,住在以色列人中間的。
17 Dia niainga ny Zanak’ Isiraely ka tonga tany an-tanànan’ ireo tamin’ ny andro fahatelo. Ary Gibeona sy Kefira sy Berota ary Kiriata-jearima no tanànany.
以色列人起行,第三天到了他們的城邑,就是基遍、基非拉、比錄、基列‧耶琳。
18 Fa tsy namely azy ny Zanak’ Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianianan’ ny lohan’ ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin’ ireo loholona ny fiangonana rehetra.
因為會眾的首領已經指着耶和華-以色列的上帝向他們起誓,所以以色列人不擊殺他們;全會眾就向首領發怨言。
19 Fa hoy ny loholona rehetra tamin’ ny fiangonana rehetra: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianiananay taminy; koa ankehitriny tsy mahazo mamely azy isika.
眾首領對全會眾說:「我們已經指着耶和華-以色列的上帝向他們起誓,現在我們不能害他們。
20 Fa izao no hataontsika aminy: Havelantsika ho velona ihany izy, fandrao hisy fahatezerana mahatratra antsika noho ny fianianana nataontsika taminy.
我們要如此待他們,容他們活着,免得有忿怒因我們所起的誓臨到我們身上。」
21 Ary hoy koa ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ ny fiangonana rehetra izy, araka ny teny nataon’ ny loholona taminy.
首領又對會眾說:「要容他們活着。」於是他們為全會眾作了劈柴挑水的人,正如首領對他們所說的話。
22 Dia niantso azy ireo Josoa ka nanao taminy hoe: Nahoana no namitaka anay ianareo ka nanao hoe: Lavitra anareo indrindra izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo?
約書亞召了他們來,對他們說:「為甚麼欺哄我們說『我們離你們甚遠』呢?其實你們是住在我們中間。
23 Koa ankehitriny voaozona ianareo, ary tsy hisy ho afaka, fa ho andevo sy ho mpikapa hazo ary ho mpantsaka rano ho an’ ny tranon’ Andriamanitro ianareo.
現在你們是被咒詛的!你們中間的人必斷不了作奴僕,為我上帝的殿作劈柴挑水的人。」
24 Dia namaly an’ i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an’ i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin’ ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;
他們回答約書亞說:「因為有人實在告訴你的僕人,耶和華-你的上帝曾吩咐他的僕人摩西,把這全地賜給你們,並在你們面前滅絕這地的一切居民,所以我們為你們的緣故甚怕喪命,就行了這事。
25 koa ankehitriny, indreto, eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay dia ataovy.
現在我們在你手中,你以怎樣待我們為善為正,就怎樣做吧!」
26 Dia nanao izany taminy izy ka namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny Zanak’ Isiraely, mba tsy hahafaty azy ireo.
於是約書亞這樣待他們,救他們脫離以色列人的手,以色列人就沒有殺他們。
27 Dia natolotr’ i Josoa tamin’ izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an’ ny fiangonana sy ho an’ ny alitaran’ i Jehovah mandraka androany eo amin’ ny tany izay hofidiny.
當日約書亞使他們在耶和華所要選擇的地方,為會眾和耶和華的壇作劈柴挑水的人,直到今日。

< Josoa 9 >