< Josoa 3 >

1 Dia nifoha maraina koa Josoa; ary ny olona dia niala tany Sitima ka nankany Jordana, dia Josoa sy ny Zanak’ Isiraely rehetra, ary nitoetra teo izy aloha vao nita.
Joshua rose up early in the morning; and they moved from Shittim, and came to the Jordan, he and all the children of Israel. They lodged there before they passed over.
2 Ary rehefa afaka hateloana, dia nandeha namaky ny toby ny mpifehy
It happened after three days, that the officers went through the midst of the camp;
3 ka nandidy ny olona hoe: Rehefa hitanareo ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo ary ny Levita mpisorona mitondra azy, dia mialà amin’ izay itoeranareo, ka manaraha azy
and they commanded the people, saying, "When you see the ark of the covenant of YHWH your God, and the priests the Levites bearing it, then you shall move from your place, and follow it.
4 (kanefa asio elanelany, tokony ho roa arivo hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy), mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao.
However, keep a distance of about two thousand nine hundred fifty-three feet between yourselves and the ark. Do not come near to it, that you may know the way by which you must go; for you have not passed this way before."
5 Ary hoy Josoa tamin’ ny olona: Manamasìna ny tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah.
Joshua said to the people, "Sanctify yourselves; for tomorrow YHWH will do wonders among you."
6 Ary niteny tamin’ ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran’ ny fanekena, ka mità eo anoloan’ ny olona. Dia nitondra ny fiaran’ ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan’ ny olona.
Joshua spoke to the priests, saying, "Take up the ark of the covenant, and pass over before the people." They took up the ark of the covenant, and went before the people.
7 Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason’ ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an’ i Mosesy no hombako anao koa.
YHWH said to Joshua, "Today I will begin to magnify you in the sight of all Israel, that they may know that as I was with Moses, so I will be with you.
8 Ary mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ ny fanekena, ka ataovy hoe: Rehefa mihatra amin’ ny moron’ i Jordana ianareo, dia mijanòna eo Jordana ihany.
You shall command the priests who bear the ark of the covenant, saying, 'When you come to the brink of the waters of the Jordan, you shall stand still in the Jordan.'"
9 Ary Josoa nanao tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Mankanesa atỳ, ka mihainoa ny tenin’ i Jehovah Andriamanitrareo.
Joshua said to the children of Israel, "Come here, and hear the words of YHWH your God."
10 Dia hoy Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona, ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita:
Joshua said, "Hereby you shall know that the living God is among you, and that he will without fail drive the Canaanite, and the Hethite, and the Hivite, and the Perizzite, and the Girgashite, and the Amorite, and the Jebusite out from before you.
11 Indro, ny fiaran’ ny faneken’ ny Tompon’ ny tany rehetra no mandroso eo alohanareo ho eo Jordana;
Look, the ark of the covenant of the Lord of all the earth passes over before you into the Jordan.
12 koa ankehitriny mangalà lehilahy roa ambin’ ny folo amin’ ny firenen’ Isiraely ho anareo, dia iray avy isam-pirenena;
Now therefore take twelve men from the children of Israel, one man for each tribe.
13 ary raha vao mijanona eo amin’ ny rano Jordana ny faladian’ ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, Tompon’ ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay midìna avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra.
It shall come to pass, when the soles of the feet of the priests who bear the ark of YHWH, the Lord of all the earth, rest in the waters of the Jordan, that the waters of the Jordan will be cut off, even the waters that come down from above; and they shall stand in one heap."
14 Ary raha niala tamin’ ny lainy hita an’ i Jordana ny olona, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran’ ny fanekena eo alohan’ ny olona,
It happened, when the people moved from their tents to pass over the Jordan, the priests who bore the ark of the covenant being before the people,
15 ka tonga teo Jordana izay nitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny fiara tamin’ ny sisin-drano ny tongony (fa tondraka mihoatra ny morony rehetra Jordana mandritra ny fararano),
and when those who bore the ark had come to the Jordan, and the feet of the priests who bore the ark had dipped in the edge of the water (for the Jordan overflows all its banks all the time of harvest),
16 dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin’ ny tanàna Adama, izay eo anilan’ i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin’ ny ranomasin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin’ i Jeriko.
that the waters which came down from above stood, and rose up in one heap, a great way off, at Adam, the city that is beside Zarethan; and those that went down toward the sea of the Arabah, even the Salt Sea, were wholly cut off. Then the people passed over right against Jericho.
17 Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nijoro tsara tamin’ ny tany maina teo afovoan’ i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin’ ny tany maina mandra-pahatafitan’ izy rehetra an’ i Jordana.
The priests who bore the ark of the covenant of YHWH stood firm on dry ground in the middle of the Jordan; and all Israel passed over on dry ground, until all the nation had passed completely over the Jordan.

< Josoa 3 >