< Josoa 17 >

1 Ary nahazo zara-tany tamin’ ny filokana koa ny firenen’ i Manase (fa izy no lahimatoan’ i Josefa), dia Makira, lahimatoan’ i Manase, rain’ i Gileada, fa izy no mpanafika ka nahazo an’ i Gileada sy Basana. 2 Ary nisy koa ho an’ ny taranak’ i Manase sisa araka ny fokony, dia ho an’ ny taranak’ i Abiezera sy Heleka sy Asriela sy Sekema sy Hefera ary Semida: ireo no zanakalahin’ i Manase, zanak’ i Josefa, araka ny fokony. 3 Fa Zelofada, zanak’ i Hefera, zanak’ i Gileada, zanak’ i Matira, zanak’ i Manase, kosa tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary izao no anaran’ ny zananivavy: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza. 4 Dia nanatona teo anatrehan’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny loholona izy ireo ka nanao hoe: Jehovah efa nandidy an’ i Mosesy hanome anay zara-tany eo amin’ ny anadahinay. Ary dia nomeny lova teo amin’ ny rahalahin-drainy izy araka ny didin’ i Jehovah. 5 Dia nahazo anjaram-polo Manase afa-tsy ny tany Gileada sy Basana, izay any an-dafin’ i Jordana, 6 satria ny zanakavavin’ i Manase niara-nahazo lova tamin’ ny zananilahy; ary ny tany Gileada dia an’ ny zanakalahin’ i Manase sisa. 7 Ary ny fari-tanin’ i Manase dia hatrany Asera ka hatrany Mikmeta, tandrifin’ i Sekema, dia nandroso tamin’ ny ankavanana hatramin’ ny mponina any En-tapoa. 8 Ary an’ i Manase ny tany Tapoa; fa Tapoa kosa, izay eo amin’ ny fari-tanin’ i Manase, dia an’ ny taranak’ i Efraima. 9 Ary ny fari-taniny dia nidina hatreo atsimon’ ny lohasahan-driak’ i Kana; ireo tanana teo amin’ ny tanànan’ i Manase ireo dia an’ i Efraima; ary ny faritaniny Manase dia teo avaratry ny lohasahan-driaka, ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina. 10 Ny atsimo dia an’ i Efraima, ary ny avaratra dia an’ i Manase, ary ny ranomasina no fari-taniny; ary nihatra tamin’ i Asera teo avaratra sy tamin’ Isakara teo atsinanana izy. 11 Ary Manase nahazo anjara koa teo amin’ Isakara sy teo amin’ i Asera, dia Beti-sana sy ny zana-bohiny ary Ibleama sy ny zana-bohiny ay ny mponina any Dora sy ny zana-bohiny ary ny mponina any En-dora koa sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Tanaka sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Megido sy ny zana-bohiny, dia amin’ ny havoana telo ireo. 12 Kanefa tsy nahazo ireo tanàna ireo ny taranak’ i Manase: fa tian’ ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany. 13 Fa rehefa nihahery ny Zanak’ Isiraely dia nampanao fanompoana ny Kananita izy, fa tsy nandroaka azy rehetra. 14 Dia niteny tamin’ i Josoa ny taranak’ i Josefa ka nanao hoe: Nahoana no lova iray sy anjara iray ihany no nomenao ahy, kanefa aho efa tonga firenena lehibe, fa notahin’ Jehovah toy izao mandraka ankehitriny? 15 Dia hoy Josoa taminy: Raha firenena lehibe ary ianao, dia miakara any amin’ ny ala, ka miteveza honenanao any amin’ ny tanin’ ny Perizita sy ny Refaïta, fa terỳ loatra aminao ny tany havoan’ i Efraima. 16 Dia hoy ny taranak’ i Josefa: Tsy ampy ho anay ny tany havoana; ary manana kalesy vy ny Kananita rehetra, izay monina any amin’ ny tany lemaka, dia izay any Beti-sana sy ny zana-bohiny ary izay any amin’ ny tany lemaka Jezirela. 17 Dia hoy Josoa tamin’ ny taranak’ i Josefa, dia Efraima sy Manase: Firenena lehibe ianao ka mahery indrindra: tsy anjara iray ihany no ho azonao, fa tany havoana koa; 18 fa ala izany ka tevezo, dia ho anao ny an-tsisiny: fa handroaka ny Kananita ianao, na dia manana kalesy vy aza izy ireo sady mahery.

< Josoa 17 >