< Josoa 17 >

1 Ary nahazo zara-tany tamin’ ny filokana koa ny firenen’ i Manase (fa izy no lahimatoan’ i Josefa), dia Makira, lahimatoan’ i Manase, rain’ i Gileada, fa izy no mpanafika ka nahazo an’ i Gileada sy Basana.
瑪拿西是約瑟的長子,他的支派拈鬮所得之地記在下面。至於瑪拿西的長子基列之父 瑪吉,因為是勇士就得了基列和巴珊。
2 Ary nisy koa ho an’ ny taranak’ i Manase sisa araka ny fokony, dia ho an’ ny taranak’ i Abiezera sy Heleka sy Asriela sy Sekema sy Hefera ary Semida: ireo no zanakalahin’ i Manase, zanak’ i Josefa, araka ny fokony.
瑪拿西其餘的子孫,按着宗族拈鬮分地,就是亞比以謝子孫,希勒子孫,亞斯列子孫,示劍子孫,希弗子孫,示米大子孫;這些按着宗族,都是約瑟兒子瑪拿西子孫的男丁。
3 Fa Zelofada, zanak’ i Hefera, zanak’ i Gileada, zanak’ i Matira, zanak’ i Manase, kosa tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary izao no anaran’ ny zananivavy: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
瑪拿西的玄孫,瑪吉的曾孫,基列的孫子,希弗的兒子西羅非哈沒有兒子,只有女兒。他的女兒名叫瑪拉、挪阿、曷拉、密迦、得撒;
4 Dia nanatona teo anatrehan’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny loholona izy ireo ka nanao hoe: Jehovah efa nandidy an’ i Mosesy hanome anay zara-tany eo amin’ ny anadahinay. Ary dia nomeny lova teo amin’ ny rahalahin-drainy izy araka ny didin’ i Jehovah.
她們來到祭司以利亞撒和嫩的兒子約書亞並眾首領面前,說:「耶和華曾吩咐摩西在我們弟兄中分給我們產業。」於是約書亞照耶和華所吩咐的,在她們伯叔中,把產業分給她們。
5 Dia nahazo anjaram-polo Manase afa-tsy ny tany Gileada sy Basana, izay any an-dafin’ i Jordana,
除了約旦河東的基列和巴珊地之外,還有十分地歸瑪拿西,
6 satria ny zanakavavin’ i Manase niara-nahazo lova tamin’ ny zananilahy; ary ny tany Gileada dia an’ ny zanakalahin’ i Manase sisa.
因為瑪拿西的孫女們在瑪拿西的孫子中得了產業。基列地是屬瑪拿西其餘的子孫。
7 Ary ny fari-tanin’ i Manase dia hatrany Asera ka hatrany Mikmeta, tandrifin’ i Sekema, dia nandroso tamin’ ny ankavanana hatramin’ ny mponina any En-tapoa.
瑪拿西的境界:從亞設起,到示劍前的密米他,往北到隱‧他普亞居民之地。
8 Ary an’ i Manase ny tany Tapoa; fa Tapoa kosa, izay eo amin’ ny fari-tanin’ i Manase, dia an’ ny taranak’ i Efraima.
他普亞地歸瑪拿西,只是瑪拿西境界上的他普亞城歸以法蓮子孫。
9 Ary ny fari-taniny dia nidina hatreo atsimon’ ny lohasahan-driak’ i Kana; ireo tanana teo amin’ ny tanànan’ i Manase ireo dia an’ i Efraima; ary ny faritaniny Manase dia teo avaratry ny lohasahan-driaka, ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina.
其界下到加拿河的南邊。在瑪拿西城邑中的這些城邑都歸以法蓮。瑪拿西的地界是在河北直通到海為止;
10 Ny atsimo dia an’ i Efraima, ary ny avaratra dia an’ i Manase, ary ny ranomasina no fari-taniny; ary nihatra tamin’ i Asera teo avaratra sy tamin’ Isakara teo atsinanana izy.
南歸以法蓮,北歸瑪拿西,以海為界;北邊到亞設,東邊到以薩迦。
11 Ary Manase nahazo anjara koa teo amin’ Isakara sy teo amin’ i Asera, dia Beti-sana sy ny zana-bohiny ary Ibleama sy ny zana-bohiny ay ny mponina any Dora sy ny zana-bohiny ary ny mponina any En-dora koa sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Tanaka sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Megido sy ny zana-bohiny, dia amin’ ny havoana telo ireo.
瑪拿西在以薩迦和亞設境內,有伯‧善和屬伯‧善的鎮市,以伯蓮和屬以伯蓮的鎮市,多珥的居民和屬多珥的鎮市;又有三處山岡,就是隱‧多珥和屬隱‧多珥的鎮市;他納的居民和屬他納的鎮市,米吉多的居民和屬米吉多的鎮市。
12 Kanefa tsy nahazo ireo tanàna ireo ny taranak’ i Manase: fa tian’ ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.
只是瑪拿西子孫不能趕出這些城的居民,迦南人偏要住在那地。
13 Fa rehefa nihahery ny Zanak’ Isiraely dia nampanao fanompoana ny Kananita izy, fa tsy nandroaka azy rehetra.
及至以色列人強盛了,就使迦南人做苦工,沒有把他們全然趕出。
14 Dia niteny tamin’ i Josoa ny taranak’ i Josefa ka nanao hoe: Nahoana no lova iray sy anjara iray ihany no nomenao ahy, kanefa aho efa tonga firenena lehibe, fa notahin’ Jehovah toy izao mandraka ankehitriny?
約瑟的子孫對約書亞說:「耶和華到如今既然賜福與我們,我們也族大人多,你為甚麼僅將一鬮一段之地分給我們為業呢?」
15 Dia hoy Josoa taminy: Raha firenena lehibe ary ianao, dia miakara any amin’ ny ala, ka miteveza honenanao any amin’ ny tanin’ ny Perizita sy ny Refaïta, fa terỳ loatra aminao ny tany havoan’ i Efraima.
約書亞說:「你們如果族大人多,嫌以法蓮山地窄小,就可以上比利洗人、利乏音人之地,在樹林中砍伐樹木。」
16 Dia hoy ny taranak’ i Josefa: Tsy ampy ho anay ny tany havoana; ary manana kalesy vy ny Kananita rehetra, izay monina any amin’ ny tany lemaka, dia izay any Beti-sana sy ny zana-bohiny ary izay any amin’ ny tany lemaka Jezirela.
約瑟的子孫說:「那山地容不下我們,並且住平原的迦南人,就是住伯‧善和屬伯‧善的鎮市,並住耶斯列平原的人,都有鐵車。」
17 Dia hoy Josoa tamin’ ny taranak’ i Josefa, dia Efraima sy Manase: Firenena lehibe ianao ka mahery indrindra: tsy anjara iray ihany no ho azonao, fa tany havoana koa;
約書亞對約瑟家,就是以法蓮和瑪拿西人,說:「你是族大人多,並且強盛,不可僅有一鬮之地,
18 fa ala izany ka tevezo, dia ho anao ny an-tsisiny: fa handroaka ny Kananita ianao, na dia manana kalesy vy aza izy ireo sady mahery.
山地也要歸你,雖是樹林,你也可以砍伐;靠近之地必歸你。迦南人雖有鐵車,雖是強盛,你也能把他們趕出去。」

< Josoa 17 >