< Josoa 14 >

1 Ary izao no nolovan’ ny Zanak’ Isiraely teo amin’ ny tany Kanana, izay nampandovain’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny loholon’ ny firenen’ i Zanak’ Isiraely;
These are the inheritances which the children of Israel took in the land of Canaan, which Eleazar the priest, Joshua the son of Nun, and the heads of ancestral houses of the tribes of the children of Israel, distributed to them,
2 tamin’ ny filokana no nahazoany ny lovany, araka izay efa nandidian i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny firenena sivy sy sasany.
by the lot of their inheritance, as the LORD commanded by the hand of Moses, to give to the nine tribes, and for the half-tribe.
3 Fa efa nomen’ i Mosesy lova tany an-dafin’ i Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny taranak’ i Levy tsy mba nomeny lova teo aminy.
For Moses had given the inheritance of the two tribes and the half-tribe beyond the Jordan; but to the Levites he gave no inheritance among them.
4 Fa firenena roa ny taranak’ i Josefa, dia Manase sy Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo amin’ ny tany ny taranak’ i Levy, afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ny tanànany ho an’ ny omby aman’ ondriny sy ny fananany.
For the descendants of Joseph were two tribes, Manasseh and Ephraim: and they gave no portion to the Levites in the land, except cities to dwell in, with their suburbs for their livestock and for their property.
5 Araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataon’ ny Zanak’ Isiraely, ka dia nizara ny tany izy.
The children of Israel did as the LORD commanded Moses, and they divided the land.
6 Dia nankany amin’ i Josoa tany Gilgala ny taranak’ i Joda; ary Kaleba, zanak’ i Jefone, Kenizita, nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea.
Then the descendants of Judah drew near to Joshua in Gilgal. Caleb the son of Jephunneh the Kenizzite said to him, "You know the thing that the LORD spoke to Moses the man of God concerning me and concerning you in Kadesh Barnea.
7 Efa-polo taona no andro niainako, fony aho nirahin’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, niala tany Kadesi-barnea hisafo ny tany; dia niverina aho nitondra teny taminy araka izay tao am-poko.
I was forty years old when Moses the servant of the LORD sent me from Kadesh Barnea to spy out the land. I brought him word again as it was in my heart.
8 Kanefa ireo rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ ny olona; fa izaho kosa dia tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah Andriamanitrao.
Nevertheless, my brothers who went up with me made the heart of the people melt; but I wholly followed the LORD my God.
9 Dia nianiana tamin’ izany andro izany Mosesy ka nanao hoe: Ny tany izay nodiavin’ ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay, satria tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah Andriamanitro ianao.
Moses swore on that day, saying, 'Surely the land where you walked shall be an inheritance to you and to your children forever, because you have wholly followed the LORD my God.'
10 Ary ankehitriny indro, efa namelona ahy Jehovah, araka izay nolazainy hatramin’ ny dimy amby efa-polo taona lasa izay, dia hatramin’ ny nilazan’ i Jehovah izany teny izany tamin’ i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-efitra ny Isiraely; ary ankehitriny, indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao.
Now, look, the LORD has kept me alive, as he spoke, these forty-five years, from the time that the LORD spoke this word to Moses, while Israel walked in the wilderness. Now, look, I am eighty-five years old, today.
11 Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin’ ny andro nanirahan’ i Mosesy ahy: tahaka ny tanjako tamin’ izany ihany no mbola tanjako ankehitriny mba hiady, na hivoaka, na hiditra.
I am still as strong today as I was in the day that Moses sent me: as my strength was then, even so is my strength now for war, to go out and to come in.
12 Ary ankehitriny omeo ahy iry tendrombohitra iry, izay nolazain’ i Jehovah tamin’ izany andro izany; fa efa renao tamin’ izany andro izany fa nitoetra teo ny Anakita, sady nisy tanàna lehibe mimanda; angamba homba ahy Jehovah, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain’ i Jehovah.
Now therefore give me this hill country, of which the LORD spoke in that day; for you heard in that day how the Anakim were there, and great and fortified cities. It may be that the LORD will be with me, and I shall drive them out, as the LORD spoke."
13 Dia nitso-drano azy Josoa ka nanome an’ i Hebrona ho lovan’ i Kaleba, zanak’ i Jefone.
Joshua blessed him; and he gave Hebron to Caleb the son of Jephunneh for an inheritance.
14 Izany no nahatongavan’ i Hebrona ho lovan’ i Kaleba, zanak’ i Jefone, Kenizita, mandraka androany satria tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy.
Therefore Hebron became the inheritance of Caleb the son of Jephunneh the Kenizzite to this day; because he wholly followed the LORD, the God of Israel.
15 Ary tanànan’ Arba no anaran’ i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin’ ny Anakita izany Arba izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony.
Now the name of Hebron before was Kiriath Arba, after the greatest man among the Anakim. The land had rest from war.

< Josoa 14 >