< Jona 2 >

1 Dia nivavaka tamin’ i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon’ ny hazandrano Jona
Jonah prayed to the Lord his God, out of the belly of the fish,
2 ka nanao hoe: Niantso an’ i Jehovah tamin’ ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin’ ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao. (Sheol h7585)
and said: I cried out of my distress, to the Lord and he answered me; out of the midst of Sheol I cried aloud, and you heard my voice. (Sheol h7585)
3 Fa efa natsipinao tao amin’ ny lalina aho, Dia tao amin’ ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra.
For you cast me into the deep, into heart of the seas, and the great flood rolled about me; all your breakers and your waves passed over me.
4 Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masìna ihany.
Then I said, I am driven out, away from your sight; How will I ever again look towards your holy temple?
5 Ny rano nanarona ahy hatramin’ ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.
The waters surrounded me, the great deep engulfed me, the sea weeds were wrapped about my head.
6 Tafalatsaka tany amin’ ny fanambanin’ ny tendrombohitra aho; Ny hidin’ ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô.
I went down to the roots of the mountains; the prison of the earth closed over me forever. Yet you brought up my life from destruction, O Lord my God.
7 Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an’ i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin’ ny tempolinao masìna.
As my life slipped away, I remembered the Lord; and my prayer reached you, in your holy temple.
8 Izay mivavaka amin’ ny sampy Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy
Those who worship worthless idols abandon their own mercy,
9 Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An’ i Jehovah ny famonjena.
but I will sacrifice to you with loud thanksgiving! I will pay that which I have vowed. Salvation is the Lord’s.
10 Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin’ ny tany maina Jona.
And the Lord spoke to the fish, and it threw up Jonah upon the dry land.

< Jona 2 >