< Jaona 8 >

1 fa Jesosy kosa nankany an-tendrombohitra Oliva.
lakini Yesu akaenda kwenye mlima wa Mizeituni.
2 Ary nony maraina koa dia nankeo an-kianjan’ ny tempoly indray Jesosy, ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, dia nipetraka Izy ka nampianatra azy.
Kesho yake asubuhi na mapema alikwenda tena Hekaluni. Watu wote wakamwendea, naye akaketi akawa anawafundisha.
3 Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; ary rehefa napetrany teo afovoany izy,
Basi, walimu wa Sheria na Mafarisayo wakamletea mwanamke mmoja aliyefumaniwa katika uzinzi. Wakamsimamisha katikati yao.
4 dia hoy ireo taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tanana nijangajanga.
Kisha wakamwuliza Yesu, “Mwalimu! Mwanamke huyu alifumaniwa katika uzinzi.
5 Ary ao amin’ ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany; fa ahoana kosa hoy Hianao?
Katika Sheria yetu Mose alituamuru mwanamke kama huyu apigwe mawe. Basi, wewe wasemaje?”
6 Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangany Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin’ ny tany tamin’ ny rantsan-tànany.
Walisema hivyo kumjaribu, wapate kisa cha kumshtaki. Lakini Yesu akainama chini, akaandika ardhini kwa kidole.
7 Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.
Walipozidi kumwuliza, Yesu akainuka, akawaambia, “Mtu asiye na dhambi miongoni mwenu na awe wa kwanza kumpiga jiwe.”
8 Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ ny tany tamin’ ny rantsan-tànany.
Kisha akainama tena, akawa anaandika ardhini.
9 Ary raha nandre izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin’ ny zokinjokiny ka hatramin’ ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo.
Waliposikia hivyo, wakaanza kutoweka mmojammoja, wakitanguliwa na wazee. Yesu akabaki peke yake, na yule mwanamke amesimama palepale.
10 Ary rehefa nitraka Jesosy, dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?
Yesu alipoinuka akamwuliza huyo mwanamke, “Wako wapi wale watu? Je, hakuna hata mmoja aliyekuhukumu?”
11 Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’ izao sisa izao dia aza manota intsony.]
Huyo mwanamke akamjibu, “Mheshimiwa, hakuna hata mmoja!” Naye Yesu akamwambia, “Wala mimi sikuhukumu. Nenda zako; na tangu sasa usitende dhambi tena.”
12 Ary Jesosy niteny tamin’ ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan’ izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ aina.
Yesu alipozungumza nao tena, aliwaambia, “Mimi ndimi mwanga wa ulimwengu. Anayenifuata mimi hatembei kamwe gizani, bali atakuwa na mwanga wa uzima.”
13 Ary hoy ny Fariseo taminy: Hianao manambara ny tenanao, koa tsy marina ny fanambaranao.
Basi, Mafarisayo wakamwambia, “Wewe unajishuhudia mwenyewe; kwa hiyo ushahidi wako si halali.”
14 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Na dia manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay nihaviako sy izay alehako; fa ianareo kosa tsy mahalala izay ihaviako, na izay alehako.
Yesu akawajibu, “Hata kama ninajishuhudia mwenyewe, ushahidi wangu ni wa kweli kwa sababu mimi najua nilikotoka na ninakokwenda. Lakini ninyi hamjui nilikotoka wala ninakokwenda.
15 Hianareo mitsara araka ny nofo; Izaho tsy mitsara olona na dia iray akory aza.
Ninyi mnahukumu kwa fikira za kibinadamu, lakini mimi simhukumu mtu.
16 Ary na dia mitsara aza Aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy irery Aho, fa Izaho sy ny Ray Izay naniraka Ahy.
Hata nikihukumu, hukumu yangu ni ya haki kwa sababu mimi siko peke yangu; Baba aliyenituma yuko pamoja nami.
17 Ary voasoratra ao amin’ ny lalànareo fa marina ny fanambaran’ ny olona roa lahy.
Imeandikwa katika Sheria yenu ya kwamba ushahidi wa watu wawili ni halali.
18 Izaho no manambara ny tenako, ary ny Ray Izay naniraka Ahy dia manambara Ahy koa.
Mimi najishuhudia mwenyewe, naye Baba aliyenituma, ananishuhudia pia.”
19 Dia hoy ireo taminy: Aiza izay Rainao? Jesosy namaly hoe: Samy tsy fantatrareo, na Izaho, na ny Raiko; raha nahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa.
Hapo wakamwuliza, “Baba yako yuko wapi?” Yesu akawajibu “Ninyi hamnijui mimi wala hamumjui Baba. Kama mngenijua mimi, mngemjua na Baba yangu pia.”
20 Izany teny izany no nolazain’ i Jesosy teo akaikin’ ny fandatsahan-drakitra, raha nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly Izy; ary tsy nisy olona nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
Yesu alisema maneno hayo kwenye chumba cha hazina alipokuwa anafundisha Hekaluni. Wala hakuna mtu aliyemtia nguvuni, kwa sababu saa yake ilikuwa haijafika bado.
21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Handeha Aho, ary hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin’ ny fahotanareo; izay alehako tsy azonareo haleha.
Yesu akawaambia tena, “Naenda zangu nanyi mtanitafuta, lakini mtakufa katika dhambi zenu. Niendako mimi, ninyi hamwezi kufika.”
22 Dia hoy ny Jiosy: Hamono tena va Izy, no manao hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha?
Basi, viongozi wa Wayahudi wakasema, “Je, atajiua? Mbona anasema: Niendako ninyi hamwezi kufika?”
23 Fa hoy Izy taminy; Hianareo avy atỳ ambany; Izaho avy any ambony; ianareo avy amin’ izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin’ izao tontolo izao;
Yesu akawaambia, “Ninyi mmetoka papa hapa chini, mimi nimetoka juu; ninyi ni wa ulimwengu huu, mimi si wa ulimwengu huu.
24 koa izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ ny fahotanareo ianareo; fa raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ ny fahotanareo ianareo.
Ndiyo maana niliwaambieni mtakufa katika dhambi zenu. Kama msipoamini kwamba Mimi ndimi, mtakufa katika dhambi zenu.”
25 Dia hoy ireo taminy: Iza moa Hianao? Hoy Jesosy taminy: Ilay nolazaiko taminareo hatramin’ ny voalohany.
Nao wakamwuliza, “Wewe ni nani?” Yesu akawajibu, “Nimewaambieni tangu mwanzo!
26 Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho, satria marina Izay naniraka Ahy; ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin’ izao tontolo izao.
Ninayo mengi ya kusema na kuhukumu juu yenu. Lakini yule aliyenituma ni kweli; nami nauambia ulimwengu mambo yale tu niliyoyasikia kutoka kwake.”
27 Tsy fantany fa ny Ray no nolazainy taminy,
Hawakuelewa kwamba Yesu alikuwa akisema nao juu ya Baba.
28 ka dia hoy Jesosy: Rehefa asandratrareo ny Zanak’ olona, dia ho fantatrareo fa Izaho no Izy, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin’ ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.
Basi, Yesu akawaambia, “Mtakapokwisha mwinua Mwana wa Mtu hapo ndipo mtakapojua kwamba Mimi ndimi, na kwamba sifanyi chochote mimi mwenyewe, ila nasema tu yale Baba aliyonifundisha.
29 Ary izay naniraka Ahy dia eto amiko; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva.
Yule aliyenituma yuko pamoja nami; yeye hakuniacha peke yangu kwani nafanya daima yale yanayompendeza.”
30 Raha nanao izany teny izany Jesosy, dia maro no nino Azy.
Baada ya kusema hayo watu wengi walimwamini.
31 Dia hoy Jesosy tamin’ ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin’ ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa;
Basi, Yesu akawaambia wale Wayahudi waliomwamini, “Kama mkiyazingatia mafundisho yangu mtakuwa kweli wanafunzi wangu.
32 ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.
Mtaujua ukweli, nao ukweli utawapeni uhuru.”
33 Ary ireo dia namaly Azy ka nanao hoe: Taranak’ i Abrahama izahay, fa tsy mba andevon’ olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo?
Nao wakamjibu, “Sisi ni wazawa wa Abrahamu, na hatujapata kamwe kuwa watumwa wa mtu yeyote yule. Una maana gani unaposema: mtakuwa huru?”
34 Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon’ ny ota.
Yesu akawajibu, “Kweli nawaambieni, kila mtu anayetenda dhambi ni mtumwa wa dhambi.
35 Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva; fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva. (aiōn g165)
Mtumwa hana makao ya kudumu nyumbani, lakini mwana anayo makao ya kudumu. (aiōn g165)
36 Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.
Kama mwana akiwapeni uhuru mtakuwa huru kweli.
37 Fantatro ihany fa taranak’ i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy mitombo ao anatinareo.
Najua kwamba ninyi ni wazawa wa Abrahamu. Hata hivyo, mnataka kuniua kwa sababu hamuyakubali mafundisho yangu.
38 Izay efa hitako tamin’ ny Ray no lazaiko, ary ianareo kosa manao izay renareo tamin’ ny rainareo.
Mimi nasema yale aliyonionyesha Baba, lakini ninyi mwafanya yale aliyowaambieni baba yenu.”
39 Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Hoy Jesosy taminy: Raha zanak’ i Abrahama ianareo, dia ny asan’ i Abrahama no hataonareo.
Wao wakamjibu, “Baba yetu ni Abrahamu!” Yesu akawaambia, “Kama ninyi mngekuwa watoto wa Abrahamu, mngefanya kama alivyofanya Abrahamu,
40 Fa ankehitriny ianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin’ Andriamanitra; tsy mba nanao izany Abrahama.
Mimi nimewaambieni ukweli niliousikia kwa Mungu; hata hivyo, ninyi mwataka kuniua. Abrahamu hakufanya hivyo!
41 Hianareo manao ny asan’ ny rainareo. Hoy ireo taminy: Tsy mba teraka avy tamin’ ny fijangajangana izahay; iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany.
Ninyi mnafanya mambo yaleyale aliyofanya babu yenu.” Wao wakamwambia, “Sisi si watoto haramu! Tunaye baba mmoja tu, yaani Mungu.”
42 Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin’ Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.
Yesu akawaambia, “Kama Mungu angekuwa Baba yenu, mngenipenda mimi, maana mimi nilitoka kwa Mungu na sasa niko hapa. Sikuja kwa mamlaka yangu mwenyewe, ila yeye alinituma.
43 Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo.
Kwa nini hamwelewi hayo ninayosema? Ni kwa kuwa hamwezi kuusikiliza ujumbe wangu.
44 Hianareo avy tamin’ ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain’ ny lainga.
Ninyi ni watoto wa baba yenu Ibilisi na mnataka tu kutekeleza tamaa za baba yenu. Yeye alikuwa muuaji tangu mwanzo; hana msimamo katika ukweli, kwani ukweli haumo ndani yake. Kila asemapo uongo, husema kutokana na hali yake ya maumbile, maana yeye ni mwongo na baba wa uongo.
45 Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo.
Mimi nasema ukweli, na ndiyo maana ninyi hamniamini.
46 Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy?
Nani kati yenu awezaye kuthibitisha kuwa mimi nina dhambi? Ikiwa basi nasema ukweli, kwa nini hamniamini?
47 Izay avy amin’ Andriamanitra dia mihaino ny tenin’ Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy amin’ Andriamanitra ianareo.
Aliye wa Mungu husikiliza maneno ya Mungu. Lakini ninyi hamsikilizi kwa sababu ninyi si (watu wa) Mungu.”
48 Dia namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Tsy marina va ny filazanay fa Samaritana Hianao sady manana demonia?
Wayahudi wakamwambia, “Je, hatukusema kweli kwamba wewe ni Msamaria, na tena una pepo?”
49 Jesosy namaly hoe: Izaho tsy manana demonia, fa mankalaza ny Raiko, ary ianareo kosa mahafa-boninahitra Ahy.
Yesu akajibu, “Mimi sina pepo; mimi namheshimu Baba yangu, lakini ninyi hamniheshimu.
50 Fa Izaho tsy mitady ny voninahitro; misy Iray mitady sy mitsara.
Mimi sijitafutii utukufu wangu mwenyewe; yuko mmoja mwenye kuutafuta utukufu huo, naye ni hakimu.
51 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay. (aiōn g165)
Kweli nawaambieni, anayeuzingatia ujumbe wangu hatakufa milele.” (aiōn g165)
52 Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa manana demonia Hianao. Efa maty Abrahama sy ny mpaminany; nefa hoy Hianao: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hanandrana fahafatesana izy mandrakizay. (aiōn g165)
Basi, Wayahudi wakasema, “Sasa tunajua kweli kwamba wewe ni mwendawazimu! Abrahamu alikufa, na manabii pia walikufa, nawe wasema ati, Anayeuzingatia ujumbe wangu hatakufa milele! (aiōn g165)
53 Moa Hianao va lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? sady efa maty koa ny mpaminany; manao Anao ho iza moa Hianao?
Je, unajifanya mkuu zaidi kuliko baba yetu Abrahamu ambaye alikufa? Hata na manabii walikufa. Wewe unajifanya kuwa nani?”
54 Jesosy namaly hoe: Raha mankalaza ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny lazako; ny Raiko, Izay ataonareo fa Andriamanitrareo, Izy no mankalaza Ahy.
Yesu akawajibu, “Nikijitukuza mwenyewe, utukufu wangu si kitu. Baba yangu ambaye ninyi mwasema ni Baba yenu, ndiye anayenitukuza.
55 Tsy fantatrareo Izy, fa Izaho no mahalala Azy; ary raha hoy Izaho: Tsy fantatro Izy, dia mba mpandainga tahaka anareo koa Aho; nefa mahalala Azy Aho ka mitandrina ny teniny.
Ninyi hamjapata kumjua, lakini mimi namjua. Na, nikisema simjui, nitakuwa mwongo kama ninyi. Mimi namjua na ninashika neno lake.
56 Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.
Abrahamu, baba yenu, alishangilia aione siku yangu; naye aliiona, akafurahi.”
57 Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an’ i Abrahama va?
Basi, Wayahudi wakamwambia, “Wewe hujatimiza miaka hamsini bado, nawe umemwona Abrahamu?”
58 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.
Yesu akawaambia, “Kweli nawaambieni, kabla Abrahamu hajazaliwa, mimi niko.”
59 Dia naka vato hitoraka Azy ny olona; fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan’ ny tempoly.
Hapo wakaokota mawe ili wamtupie, lakini Yesu akajificha, akatoka Hekaluni.

< Jaona 8 >