< Jaona 21 >

1 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ ny mpianatra indray Jesosy teo amoron’ ny Ranomasin’ i Tiberiasy; ary toy izao no nisehoany:
Après cela, Jésus se fit encore voir aux disciples près de la mer de Tibériade, et il se fit voir de cette manière:
2 Niaraka Simona Petera sy Tomasy, izay atao hoe Didymo, sy Natanaela, ilay avy tany Kana any Galilia, sy ireo zanak’ i Zebedio ary mpianatra roa lahy hafa koa.
Simon Pierre, et Thomas, appelé Didyme, Nathanaël, qui était de Cana en Galilée, les fils de Zébédée et deux autres de ses disciples étaient ensemble.
3 Hoy Simona Petera taminy: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, ary tamin’ iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy.
Simon Pierre leur dit: Je vais pêcher. Ils lui dirent: Nous allons aussi avec toi. Ils sortirent, et entrèrent aussitôt dans la barque; mais ils ne prirent rien cette nuit-là.
4 Ary nony efa nazava ratsy ny andro, dia nitsangana teo amoron-dranomasina Jesosy, kanefa tsy fantatry ny mpianatra ho Jesosy izany.
Le matin étant venu, Jésus se trouva sur le rivage; mais les disciples ne savaient pas que c'était Jésus.
5 Dia hoy Jesosy taminy: Anaka, manan-kanina va ianareo? Dia namaly Azy hoe izy: Tsia.
Jésus leur dit: Enfants, n'avez-vous rien à manger? Ils lui répondirent: Non.
6 Ary hoy Izy taminy: Alatsaho eo amin’ ny sisiny ankavanan’ ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo. Koa dia nalatsany izany, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ ny hazandrano.
Et il leur dit: Jetez le filet du côté droit de la barque, et vous trouverez. Ils le jetèrent donc, et ils ne pouvaient plus le retirer, à cause de la quantité de poissons.
7 Ary hoy ny mpianatra izay tian’ i Jesosy tamin’ i Petera: Ny Tompo iry. Ary raha ren’ i Simona Petera fa ny Tompo iny, dia nisikinany ny akanjo ivelany (fa tsy niakanjo izy), ka nirotsaka teo amin’ ny ranomasina izy.
C'est pourquoi le disciple que Jésus aimait, dit à Pierre: C'est le Seigneur! Et Simon Pierre apprenant que c'était le Seigneur, se ceignit de sa robe de dessus (car il était nu), et se jeta à la mer.
8 Fa ny mpianatra sasany nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno hazandrano; fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho ihany.
Mais les autres disciples vinrent avec la barque, traînant le filet plein de poissons, car ils n'étaient éloignés de terre que d'environ deux cents coudées.
9 Raha vao nikatra teo an-tanety izy, dia nahita afon’ arina teo sy hazandrano teo amboniny ary mofo.
Quand ils furent descendus à terre, ils virent de la braise qui était là, et du poisson dessus, et du pain.
10 Hoy Jesosy taminy: Analao hazandrano amin’ ireo vao azonareo teo.
Jésus leur dit: Apportez de ces poissons que vous avez pris maintenant.
11 Dia niakatra Simona Petera, ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimam-polo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza izy, dia tsy triatra ny harato.
Simon Pierre remonta, et tira le filet à terre, plein de cent cinquante-trois grands poissons, et quoiqu'il y en eût tant, le filet ne se rompit point.
12 Hoy Jesosy taminy: Avia hisakafo. Fa tsy nisy mpianatra sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo Izy.
Jésus leur dit: Venez dîner. Et aucun des disciples n'osait lui demander: Qui es-tu? sachant que c'était le Seigneur.
13 Ary tonga Jesosy, dia nandray ny mofo, ka natolony azy, dia vao ny hazandrano indray.
Jésus donc s'approcha, et prit du pain, et leur en donna, ainsi que du poisson.
14 Izany no fanintelon’ ny nisehoan’ i Jesosy tamin’ ny mpianatra, rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy.
C'était déjà la troisième fois que Jésus se faisait voir à ses disciples, après être ressuscité des morts.
15 Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’ i Simona Petera: Simona, zanak’ i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.
Après qu'ils eurent dîné, Jésus dit à Simon Pierre: Simon, fils de Jona, m'aimes-tu plus que ceux-ci? Pierre répondit: Oui, Seigneur, tu sais que je t'aime. Jésus lui dit: Pais mes agneaux.
16 Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak’ i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko.
Il lui dit une seconde fois: Simon, fils de Jona, m'aimes-tu? Pierre lui répondit: Oui, Seigneur, tu sais que je t'aime. Jésus lui dit: Pais mes brebis.
17 Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak’ i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko.
Il lui dit pour la troisième fois: Simon, fils de Jona, m'aimes-tu? Pierre fut attristé de ce qu'il lui avait dit pour la troisième fois: M'aimes-tu? Et il lui dit: Seigneur, tu connais toutes choses, tu sais que je t'aime. Jésus lui dit: Pais mes brebis.
18 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin’ izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin’ izay tsy tianao.
En vérité, en vérité je te le dis; lorsque tu étais plus jeune, tu te ceignais toi-même, et tu allais où tu voulais; mais lorsque tu seras vieux, tu étendras tes mains, et un autre te ceindra, et te mènera où tu ne voudrais pas.
19 Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban’ ny fahafatesana izay hankalazany an’ Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
Or, il dit cela pour marquer par quelle mort Pierre glorifierait Dieu. Et après avoir ainsi parlé, il lui dit: Suis-moi.
20 Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian’ i Jesosy manaraka, dia ilay niankina tamin’ ny tratrany tamin’ ny fisakafoana ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao?
Et Pierre s'étant retourné, vit venir après lui le disciple que Jésus aimait, celui qui, pendant le souper, s'était penché sur le sein de Jésus, et lui avait dit: Seigneur, qui est celui qui te trahit?
21 Koa rehefa nahita azy Petera, dia hoy izy: Tompoko, inona no ho amin’ ity lehilahy ity?
Pierre donc l'ayant vu, dit à Jésus: Seigneur, et celui-ci, que lui arrivera-t-il?
22 Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao.
Jésus lui dit: Si je veux qu'il demeure jusqu'à ce que je vienne, que t'importe? Toi, suis-moi.
23 Ary niely tamin’ ny rahalahy izany teny izany, fa tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesosy tsy nilaza taminy fa tsy ho faty izy, fa: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany?
Le bruit se répandit donc parmi les frères, que ce disciple ne mourrait point. Cependant Jésus ne lui avait pas dit: Il ne mourra point; mais: Si je veux qu'il demeure jusqu'à ce que je vienne, que t'importe?
24 Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambarany.
C'est ce disciple qui rend témoignage de ces choses, et qui les a écrites; et nous savons que son témoignage est véritable.
25 Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon’ i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.
Il y a encore beaucoup d'autres choses que Jésus a faites, et si elles étaient écrites en détail, je ne pense pas que le monde même pût contenir les livres qu'on en écrirait. Amen.

< Jaona 21 >