< Jaona 20 >

1 Ary tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro dia nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin’ ny fasana Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin’ ny fasana.
To da sassafe ranar farko ta mako, da sauran duhu, Maryamu Magadaliya ta zo kabarin, ta tarar an kawar da dutsen daga kabarin.
2 Dia nihazakazaka nankany amin’ i Simona Petera sy ilay mpianatra tian’ i Jesosy izy ka nanao taminy hoe: Nalain’ olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.
Sai ta ruga da gudu zuwa wurin Saminu Bitrus tare da almajirin nan da Yesu ke kauna, tace masu, “Sun dauke Ubangiji daga kabarin, bamu kuwa san inda aka sa shi ba.”
3 Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin’ ny fasana.
Sai Bitrus tare da almajirin nan suka fita, kuma suka tafi kabarin,
4 Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka nihoatra an’ i Petera ka tonga taloha tao amin’ ny fasana.
dukansu suka ruga da gudu tare, amma daya almajirin ya riga Bitrus isowa kabarin,
5 Ary nony niondrika nitsirika izy, dia nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy.
Sai ya sunkuya ya leka ciki, ya ga likkafanin lillin a wurin, amma fa bai shiga ciki ba.
6 Ary avy koa Simona Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo,
Sai Saminu Bitrus ya iso daga bayansa sai ya shiga kabarin, ya tarar da likkafanin lillin a ajiye.
7 ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo amin’ ny lambam-paty, fa voavalona mitokana.
sai fallen kuma da yake kansa. Ba'a ajiye tare da likkafanin ba amma aka linkeshi aka ajiye shi daban.
8 Ary tamin’ izay dia niditra koa ny mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin’ ny fasana, ary nahita ka nino.
Sai almajirin nan da ya riga isa kabarin shi ma ya shiga ya gani, sai ya ba da gaskiya.
9 Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masìna fa tsy maintsy hitsangana amin’ ny maty Jesosy.
Har ya zuwa wannan lokacin basu san nassin daya ce zai tashi daga matattu ba.
10 Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy.
Sai almajiran suka sake komawa gida kuma.
11 Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana
Amma Maryamu tana tsaye a bakin kabarin tana kuka. Yayin da take kuka, sai ta sunkuya ta leka cikin kabarin.
12 ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ ilay nandrian’ ny fatin’ i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra.
Sai ta ga mala'iku guda biyu cikin fararen kaya zaune, daya ta wurin kai daya kuma ta wurin kafafu inda aka kwantar da Yesu.
13 Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain’ olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.
Sukace mata, “Uwargida don me kike kuka? Sai tace masu, “Domin sun dauke Ubangijina, ban kuwa san inda suka ajiye shi ba.
14 Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an’ i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy.
Bayan ta fadi haka, ta juya sai ta ga Yesu tsaye a wurin. Amma bata san cewa Yesu bane,
15 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy.
Yesu yace mata, “Uwargida, me yasa kike kuka? Wa kuma kike nema? Domin tana zaton shine mai kula da lambun, sai tace masa, “Maigida in kaine ka dauke shi, gaya mani inda ka sa shi, ni kuwa in dauke shi.”
16 Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô.
Yesu yace mata, “Maryamu”. Sai ta juya, tace masa da Armaniyanci “Rabboni!” wato mallam.
17 Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin’ ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’ Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
Yesu yace mata, kada ki taba ni, domin har yanzu ban hau wurin Uba ba tukuna, amma kije wurin 'yan'uwana kice masu, zan je wurin Ubana da Ubanku, Allahna da kuma Allahnku”.
18 Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin’ ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy.
Maryamu Magadaliya ta je tace wa almajiran, “Na ga Ubangiji” Ta kuma ce ya fada mata wadannan abubuwa.
19 Ary rehefa harivan’ ilay andro voalohany amin’ ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran’ izay niangonan’ ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
Da yamma a wannan rana, a rana ta farko ta mako, almajiran suna kulle a daki saboda tsoron Yahudawa, Yesu yazo ya tsaya a tsakaninsu, yace “Salama Agareku”.
20 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.
Bayan ya fadi haka, sai ya nuna masu hannuwansa da kuibinsa. Da almajiran suka ga Ubangiji, sai suka yi farin ciki.
21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan’ ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
Yesu ya sake ce masu, “salama agareku. “Kamar yadda Uba ya aiko ni, haka Ni ma na aike ku”.
22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masìna;
Da Yesu ya fadi haka, sai ya hura masu lumfashinsa, yace masu, “Ku karbi Ruhu Mai Tsarki.
23 na helok’ iza na helok’ iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an’ iza na an’ iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.
Duk wanda kuka gafarta wa zunubai, an gafarta masa; kowa kuka rike zunubansa, an rikesu.”
24 Fa Tomasy, anankiray tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy.
Toma, daya daga cikin sha biyun, wanda ake kira Dan Tagwai, baya tare dasu lokacin da Yesu ya bayyana.
25 Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin’ ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin’ ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin’ ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho.
Sauran almajiran sukace masa “Mun ga Ubangiji”. Sai yace masu, “In ban ga gurbin kusoshi a hannuwansa ba, in sa yatsana a gurbin kusoshin ba, in kuma sa hannuna cikin kuibinsa ba, ba zan bada gaskiya ba.
26 Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.
Bayan kwana takwas har wa yau almajiran na cikin gida, Toma ma na tare dasu, kofofin suna kulle, sai ga Yesu a tsakaninsu yace, “Salama agareku”.
27 Ary hoy Izy tamin’ i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan’ tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin’ ny lanivoako; ary aza ho isan’ izay tsy mino, fa minoa.
Sa'an nan yace wa Toma, “Iso nan da yatsanka, dubi hannuwana. Miko hannunka kuma kasa a kuibina, kada ka zama marar bada gaskiya, sai dai, mai bada gaskiya”.
28 Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!
Toma ya amsa yace “Ya Ubangijina da Allahna!”
29 Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
Yesu yace masa, “Wato saboda ka gan ni, ka bada gaskiya? Albarka ta tabbata ga wadanda basu gani ba, amma kuwa sun bada gaskiya.
30 Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon’ i Jesosy teo imason’ ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin’ ity boky ity;
Yesu yayi wadansu alamu da yawa dabam dabam a gaban almajiransa, wadanda ba'a rubuta a littafin nan ba.
31 fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’ Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ ny anarany, raha mino ianareo.
Amma an rubuta wadannan ne, domin ku bada gaskiya Yesu shine Almasihu, Dan Allah, ta wurin gaskatawa kuma ku sami rai cikin sunansa.

< Jaona 20 >