< Jaona 20 >

1 Ary tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro dia nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin’ ny fasana Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin’ ny fasana.
τη δε μια των σαββατων μαρια η μαγδαληνη ερχεται πρωι σκοτιας ετι ουσης εις το μνημειον και βλεπει τον λιθον ηρμενον εκ του μνημειου
2 Dia nihazakazaka nankany amin’ i Simona Petera sy ilay mpianatra tian’ i Jesosy izy ka nanao taminy hoe: Nalain’ olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.
τρεχει ουν και ερχεται προς σιμωνα πετρον και προς τον αλλον μαθητην ον εφιλει ο ιησους και λεγει αυτοις ηραν τον κυριον εκ του μνημειου και ουκ οιδαμεν που εθηκαν αυτον
3 Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin’ ny fasana.
εξηλθεν ουν ο πετρος και ο αλλος μαθητης και ηρχοντο εις το μνημειον
4 Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka nihoatra an’ i Petera ka tonga taloha tao amin’ ny fasana.
ετρεχον δε οι δυο ομου και ο αλλος μαθητης προεδραμεν ταχιον του πετρου και ηλθεν πρωτος εις το μνημειον
5 Ary nony niondrika nitsirika izy, dia nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy.
και παρακυψας βλεπει κειμενα τα οθονια ου μεντοι εισηλθεν
6 Ary avy koa Simona Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo,
ερχεται ουν σιμων πετρος ακολουθων αυτω και εισηλθεν εις το μνημειον και θεωρει τα οθονια κειμενα
7 ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo amin’ ny lambam-paty, fa voavalona mitokana.
και το σουδαριον ο ην επι της κεφαλης αυτου ου μετα των οθονιων κειμενον αλλα χωρις εντετυλιγμενον εις ενα τοπον
8 Ary tamin’ izay dia niditra koa ny mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin’ ny fasana, ary nahita ka nino.
τοτε ουν εισηλθεν και ο αλλος μαθητης ο ελθων πρωτος εις το μνημειον και ειδεν και επιστευσεν
9 Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masìna fa tsy maintsy hitsangana amin’ ny maty Jesosy.
ουδεπω γαρ ηδεισαν την γραφην οτι δει αυτον εκ νεκρων αναστηναι
10 Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy.
απηλθον ουν παλιν προς εαυτους οι μαθηται
11 Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana
μαρια δε ειστηκει προς το μνημειον κλαιουσα εξω ως ουν εκλαιεν παρεκυψεν εις το μνημειον
12 ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ ilay nandrian’ ny fatin’ i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra.
και θεωρει δυο αγγελους εν λευκοις καθεζομενους ενα προς τη κεφαλη και ενα προς τοις ποσιν οπου εκειτο το σωμα του ιησου
13 Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain’ olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.
και λεγουσιν αυτη εκεινοι γυναι τι κλαιεις λεγει αυτοις οτι ηραν τον κυριον μου και ουκ οιδα που εθηκαν αυτον
14 Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an’ i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy.
και ταυτα ειπουσα εστραφη εις τα οπισω και θεωρει τον ιησουν εστωτα και ουκ ηδει οτι ο ιησους εστιν
15 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy.
λεγει αυτη ο ιησους γυναι τι κλαιεις τινα ζητεις εκεινη δοκουσα οτι ο κηπουρος εστιν λεγει αυτω κυριε ει συ εβαστασας αυτον ειπε μοι που αυτον εθηκας καγω αυτον αρω
16 Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô.
λεγει αυτη ο ιησους μαρια στραφεισα εκεινη λεγει αυτω ραββουνι ο λεγεται διδασκαλε
17 Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin’ ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’ Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
λεγει αυτη ο ιησους μη μου απτου ουπω γαρ αναβεβηκα προς τον πατερα μου πορευου δε προς τους αδελφους μου και ειπε αυτοις αναβαινω προς τον πατερα μου και πατερα υμων και θεον μου και θεον υμων
18 Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin’ ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy.
ερχεται μαρια η μαγδαληνη απαγγελλουσα τοις μαθηταις οτι εωρακεν τον κυριον και ταυτα ειπεν αυτη
19 Ary rehefa harivan’ ilay andro voalohany amin’ ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran’ izay niangonan’ ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
ουσης ουν οψιας τη ημερα εκεινη τη μια των σαββατων και των θυρων κεκλεισμενων οπου ησαν οι μαθηται συνηγμενοι δια τον φοβον των ιουδαιων ηλθεν ο ιησους και εστη εις το μεσον και λεγει αυτοις ειρηνη υμιν
20 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.
και τουτο ειπων εδειξεν αυτοις τας χειρας και την πλευραν αυτου εχαρησαν ουν οι μαθηται ιδοντες τον κυριον
21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan’ ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
ειπεν ουν αυτοις ο ιησους παλιν ειρηνη υμιν καθως απεσταλκεν με ο πατηρ καγω πεμπω υμας
22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masìna;
και τουτο ειπων ενεφυσησεν και λεγει αυτοις λαβετε πνευμα αγιον
23 na helok’ iza na helok’ iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an’ iza na an’ iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.
αν τινων αφητε τας αμαρτιας αφιενται αυτοις αν τινων κρατητε κεκρατηνται
24 Fa Tomasy, anankiray tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy.
θωμας δε εις εκ των δωδεκα ο λεγομενος διδυμος ουκ ην μετ αυτων οτε ηλθεν ο ιησους
25 Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin’ ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin’ ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin’ ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho.
ελεγον ουν αυτω οι αλλοι μαθηται εωρακαμεν τον κυριον ο δε ειπεν αυτοις εαν μη ιδω εν ταις χερσιν αυτου τον τυπον των ηλων και βαλω τον δακτυλον μου εις τον τυπον των ηλων και βαλω την χειρα μου εις την πλευραν αυτου ου μη πιστευσω
26 Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.
και μεθ ημερας οκτω παλιν ησαν εσω οι μαθηται αυτου και θωμας μετ αυτων ερχεται ο ιησους των θυρων κεκλεισμενων και εστη εις το μεσον και ειπεν ειρηνη υμιν
27 Ary hoy Izy tamin’ i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan’ tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin’ ny lanivoako; ary aza ho isan’ izay tsy mino, fa minoa.
ειτα λεγει τω θωμα φερε τον δακτυλον σου ωδε και ιδε τας χειρας μου και φερε την χειρα σου και βαλε εις την πλευραν μου και μη γινου απιστος αλλα πιστος
28 Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!
και απεκριθη ο θωμας και ειπεν αυτω ο κυριος μου και ο θεος μου
29 Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
λεγει αυτω ο ιησους οτι εωρακας με θωμα πεπιστευκας μακαριοι οι μη ιδοντες και πιστευσαντες
30 Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon’ i Jesosy teo imason’ ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin’ ity boky ity;
πολλα μεν ουν και αλλα σημεια εποιησεν ο ιησους ενωπιον των μαθητων αυτου α ουκ εστιν γεγραμμενα εν τω βιβλιω τουτω
31 fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’ Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ ny anarany, raha mino ianareo.
ταυτα δε γεγραπται ινα πιστευσητε οτι ο ιησους εστιν ο χριστος ο υιος του θεου και ινα πιστευοντες ζωην εχητε εν τω ονοματι αυτου

< Jaona 20 >