< Jaona 2 >

1 Ary tamin’ ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin’ i Jesosy.
Un trešajā dienā kāzas bija Kānā iekš Galilejas, un Jēzus māte bija tur.
2 Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin’ ny fampakaram-bady.
Bet arī Jēzus un Viņa mācekļi tapa aicināti uz tām kāzām.
3 Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin’ i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy.
Un kad vīna pietrūka, Jēzus māte saka uz Viņu: “Tiem nav vīna.”
4 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako.
Jēzus uz to saka: “Sieva, kas Man ar tevi? Mana stunda vēl nav nākusi.”
5 Fa hoy ny reniny tamin’ ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.
Viņa māte uz tiem sulaiņiem saka: “Ko Viņš jums teiks, to dariet.”
6 Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon’ ny vata avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon’ ny Jiosy.
Un tur seši akmeņu ūdens trauki bija likti pēc Jūdu šķīstīšanas, un ikkatrā sagāja divi līdz trīs mēri.
7 Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin’ ny molony.
Jēzus uz tiem saka: “Pildiet šos traukus ar ūdeni!” Un tie tos pildīja līdz malai pilnus.
8 Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin’ izao, ka ento ho eo amin’ ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny.
Un Viņš uz tiem saka: “Smeļat nu un nesat barības sargam;” un tie to nesa.
9 Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy
Kad nu barības sargs to ūdeni baudīja, kas bija palicis par vīnu (un nezināja, no kurienes tas bija, bet tie sulaiņi to zināja, kas to ūdeni bija smēluši), tad barības sargs aicina brūtgānu
10 ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon’ ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.
Un uz to saka: “Ikkatrs cilvēks papriekš ceļ priekšā labo vīnu, un kad tie iedzērušies, plānāko; tu labo vīnu līdz šim esi pataupījis.”
11 Izany no nataon’ i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany.
Šī tā pirmā brīnuma zīme, ko Jēzus darīja Kānā iekš Galilejas, un parādīja Savu godību, un Viņa mācekļi ticēja uz Viņu.
12 Rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin’ ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela teo Izy.
Pēc tam Viņš nogāja uz Kapernaūmu, pats un Viņa māte un Viņa brāļi un Viņa mācekļi, un viņi tur palika kādas dienas.
13 Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.
Un Jūdu Lieldiena bija tuvu klāt, un Jēzus aizgāja uz Jeruzālemi.
14 Ary hitany teo an-kianjan’ ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo;
Un Viņš atrada Dieva namā tos, kas pārdeva vēršus un avis un baložus, un tos naudas mijējus tur sēžam.
15 dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan’ ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny volan’ ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra;
Un pātagu taisījis no auklām, Viņš izdzina visus no Dieva nama ārā un arī tās avis un tos vēršus un izkaisīja tiem mijējiem to naudu un apgāza tos galdus,
16 dia hoy Izy tamin’ ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon’ ny Raiko.
Un sacīja tiem baložu pārdevējiem: “Nesiet to projām! Nedariet Mana Tēva namu par tirgus namu!”
17 Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin’ ny tranonao no haharitra aina ahy.
Bet Viņa mācekļi pieminēja, ka ir rakstīts: “Karstums Tava nama dēļ Mani aprij.”
18 Fa namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Hianao?
Tad tie Jūdi atbildēja un uz Viņu sacīja: “Kādu zīmi Tu mums rādi, ka Tu šās lietas dari?”
19 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin’ ny hateloana dia hatsangako indray izy.
Jēzus atbildēja un uz tiem sacīja: “Noplēsiet šo Dieva namu, tad Es to atkal uzcelšu trejās dienās?”
20 Fa hoy ny Jiosy: Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin’ ny hateloana?
Tad tie Jūdi sacīja: “Šis Dieva nams četrdesmit un sešos gados ir uztaisīts, un Tu to uzcelsi trejās dienās?”
21 Fa ny tenany no tempoly nolazainy.
Bet Viņš runāja par Savas miesas Dieva namu.
22 Ary koa, rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy, dia tsaroan’ ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary dia nino ny Soratra Masìna sy ny teny izay nolazain’ i Jesosy izy.
Kad Viņš nu bija augšām cēlies no miroņiem, tad Viņa mācekļi atminējās, ka Viņš to uz tiem bija sacījis, un ticēja tam rakstam un tam vārdam, ko Jēzus bija sacījis.
23 Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin’ ny Paska, dia tamin’ ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony.
Un kad Viņš pa tiem svētkiem bija Jeruzālemē, tad daudzi ticēja uz Viņa Vārdu, redzēdami tās brīnuma zīmes, ko Viņš darīja.
24 Fa Jesosy tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra;
Bet Jēzus pats viņiem neuzticējās, tāpēc ka Viņš visus pazina,
25 ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon’ ny olona.
Un ka Viņam nevajadzēja, lai kas Viņam liecību dotu par cilvēku; jo Viņš pats zināja, kas bija iekš cilvēka.

< Jaona 2 >