< Jaona 11 >

1 Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan’ i Maria sy Marta rahavaviny.
Mtu mmoja aitwaye Lazaro, mwenyeji wa Bethania, alikuwa mgonjwa. (Kijiji cha Bethania kilikuwa mahali walipokaa Maria na Martha, dada yake.
2 Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin’ ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin’ ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary.
Maria ndiye yule aliyempaka Bwana marashi na kumpangusa kwa nywele zake. Lazaro, kaka yake, ndiye aliyekuwa mgonjwa.)
3 Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin’ i Jesosy hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao.
Basi, hao dada wakatuma ujumbe huu kwa Yesu: “Bwana, rafiki yako ni mgonjwa!”
4 Ary rehefa ren’ i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton’ izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr’ Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak’ Andriamanitra.
Yesu aliposikia hivyo akasema, “Ugonjwa huo hautaleta kifo, ila ni kwa ajili ya kumtukuza Mungu; ameugua ili kwa njia hiyo Mwana wa Mungu atukuzwe.”
5 Ary Jesosy tia an’ i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.
Yesu aliwapenda Martha, dada yake na Lazaro.
6 Koa nony ren’ i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra indroa andro teo amin’ izay nitoerany ihany Izy.
Alipopata habari kwamba Lazaro ni mgonjwa, Yesu aliendelea kukaa mahali hapo alipokuwa kwa siku mbili zaidi.
7 Rehefa afaka izany, dia hoy Izy tamin’ ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.
Kisha akawaambia wanafunzi wake, “Twendeni tena Yudea!”
8 Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan’ ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao?
Wanafunzi wakamwambia, “Mwalimu! Muda mfupi tu umepita tangu Wayahudi walipotaka kukuua kwa mawe, nawe unataka kwenda huko tena?”
9 Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin’ ny folo va ny ora amin’ ny indray andro? Raha misy mandeha amin’ ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan’ izao tontolo izao.
Yesu akajibu, “Je, saa za mchana si kumi na mbili? Basi, mtu akitembea mchana hawezi kujikwaa kwa kuwa anauona mwanga wa ulimwengu huu.
10 Fa raha misy kosa mandeha amin’ ny alina, dia ho tafintohina izay, ka tsy misy mazava ao aminy.
Lakini mtu akitembea usiku atajikwaa kwa maana mwanga haumo ndani yake.”
11 Izany no nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.
Yesu alipomaliza kusema maneno hayo, akawaambia, “Rafiki yetu Lazaro amelala, lakini mimi nitakwenda kumwamsha.”
12 Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany.
Wanafunzi wake wakamwambia, “Bwana, ikiwa amelala, basi atapona.”
13 Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon’ izy ireo kosa fa fialan-tsasatra amin’ ny torimaso no nolazainy.
Wao walidhani kwamba alikuwa amesema juu ya kulala usingizi, kumbe alikuwa amesema juu ya kifo cha Lazaro.
14 Ary tamin’ izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy;
Basi, Yesu akawaambia waziwazi, “Lazaro amekufa;
15 ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy.
Lakini nafurahi kwa ajili yenu kwamba sikuwako huko, ili mpate kuamini. Haya, twendeni kwake.”
16 Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin’ ny mpianatra namany: Andeha isika mba hiara-maty aminy.
Thoma (aitwaye Pacha) akawaambia wanafunzi wenzake, “Twendeni nasi tukafe pamoja naye!”
17 Ary nony tonga Jesosy, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.
Yesu alipofika huko alikuta Lazaro amekwisha kaa kaburini kwa siku nne.
18 Ary Betania dia tao akaikin’ i Jerosalema, tokony ho dimy ambin’ ny folo stadio no elanelany.
Kijiji cha Bethania kilikuwa karibu na Yerusalemu umbali upatao kilomita tatu.
19 Ary maro tamin’ ny Jiosy no efa tonga teo amin’ i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin’ ny anadahiny.
Wayahudi wengi walikuwa wamefika kwa Martha na Maria kuwafariji kwa kifo cha kaka yao.
20 Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano.
Basi, Martha aliposikia kwamba Yesu alikuwa anakuja, akaenda kumlaki; lakini Maria alibaki nyumbani.
21 Ary hoy Marta tamin’ i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
Martha akamwambia Yesu, “Bwana, kama ungalikuwa hapa, kaka yangu hangalikufa!
22 Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin’ Andriamanitra dia homen’ Andriamanitra Anao.
Lakini najua kwamba hata sasa chochote utakachomwomba Mungu, atakupa.”
23 Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao.
Yesu akamwambia, “Kaka yako atafufuka.”
24 Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ ny fitsanganan’ ny maty amin’ ny andro farany;
Martha akamjibu, “Najua kwamba atafufuka wakati wa ufufuo, siku ya mwisho.”
25 Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.
Yesu akamwambia, “Mimi ndimi ufufuo na uzima. Anayeniamini mimi hata kama anakufa, ataishi:
26 Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? (aiōn g165)
na kila anayeishi na kuniamini, hatakufa kamwe. Je, waamini hayo?” (aiōn g165)
27 Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’ izao tontolo izao.
Martha akamwambia, “Ndiyo Bwana! Naamini kwamba wewe ndiwe Kristo, Mwana wa Mungu, yule ajaye ulimwenguni.”
28 Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an’ i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao.
Baada ya kusema hayo, Martha alikwenda kumwita Maria, dada yake, akamwabia faraghani, “Mwalimu yuko hapa, anakuita.”
29 Ary raha vao nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy.
Naye aliposikia hivyo, akainuka mara, akamwendea Yesu.
30 Fa Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin’ ilay nitsenan’ i Marta Azy ihany.
Yesu alikuwa hajaingia kijijini, ila alikuwa bado mahali palepale Martha alipomlaki.
31 Ary ny Jiosy izay tao amin’ i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin’ ny fasana hitomany any izy.
Basi, Wayahudi waliokuwa nyumbani pamoja na Maria wakimfariji walipomwona ameinuka na kutoka nje ghafla, walimfuata. Walidhani alikuwa anakwenda kaburini kuomboleza.
32 Ary Maria, rehefa tonga teo amin’ nitoeran’ i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin’ ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
Basi, Maria alipofika mahali pale Yesu alipokuwa na kumwona, alipiga magoti, akamwabia, “Bwana, kama ungalikuwa hapa, kaka yangu hangalikufa!”
33 Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy;
Yesu alipomwona analia, na wale Wayahudi waliokuja pamoja naye wanalia pia, alijawa na huzuni na kufadhaika moyoni.
34 ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha.
Kisha akawauliza, “Mlimweka wapi?” Wakamwambia, “Bwana, njoo uone.”
35 Jesosy nitomany.
Yesu akalia machozi.
36 Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben’ ny fitiavany azy!
Basi, Wayahudi wakasema, “Tazameni jinsi alivyompenda!”
37 Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain’ ilehity, Izay nampahiratra ny mason’ ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity?
Lakini baadhi yao wakasema, “Je, huyu aliyemfumbua macho yule kipofu, hakuweza kumfanya Lazaro asife?”
38 Dia vonto indray ny fanahin’ i Jesosy ka nankeo amin’ ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo.
Basi, Yesu akiwa amehuzunika tena moyoni, akafika kaburini. Kaburi lenyewe lilikuwa pango, na lilikuwa limefunikwa kwa jiwe.
39 Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin’ ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.
Yesu akasema, “Ondoeni hilo jiwe!” Martha, dada yake huyo aliyekufa, akamwambia, “Bwana, amekwishaanza kunuka; amekaa kaburini siku nne!”
40 Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’ Andriamanitra?
Yesu akamwambia, “Je, sikukwambia kwamba ukiamini utaona utukufu wa Mungu?”
41 Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao.
Basi, wakaliondoa lile jiwe. Yesu akatazama juu mbinguni, akasema, “Nakushukuru Baba kwa kuwa wewe wanisikiliza.
42 Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy.
Najua kwamba unanisikiliza daima. Lakini nimesema hayo kwa ajili ya watu hawa waliopo hapa ili wapate kuamini kwamba wewe ndiwe uliyenituma.”
43 Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin’ ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha!
Alipokwisha sema hayo, akaita kwa sauti kubwa: “Lazaro! Toka nje!”
44 Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’ ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.
Huyo aliyekuwa amekufa akatoka nje, huku amefungwa sanda miguu na mikono, na uso wake umefunikwa. Yesu akawaambia, “Mfungueni, mkamwache aende zake.”
45 Ary maro tamin’ ny Jiosy, dia ireo nankeo amin’ i Maria ka nahita ny zavatra nataon’ i Jesosy ireo, no nino Azy.
Basi, Wayahudi wengi waliokuwa wamefika kwa Maria walipoona kitendo hicho alichokifanya Yesu wakamwamini.
46 Fa ny sasany tamin’ ireo kosa dia lasa nankany amin’ ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.
Lakini baadhi yao walikwenda kwa Mafarisayo wakatoa taarifa ya jambo hilo alilofanya Yesu.
47 Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro.
kwa hiyo makuhani wakuu na Mafarisayo wakafanya kikao cha Baraza kuu, wakasema, “Tufanye nini? Mtu huyu anafanya ishara nyingi mno.
48 Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.
Tukimwacha tu watu wote watamwamini, nao Waroma watakuja kuliharibu Hekalu letu na taifa letu!”
49 Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin’ izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona,
Hapo, mmoja wao aitwaye Kayafa, ambaye alikuwa Kuhani Mkuu mwaka huo, akawaambia, “Ninyi hamjui kitu!
50 na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity.
Je, hamwoni kwamba ni afadhali kwenu mtu mmoja afe kwa ajili ya watu, kuliko taifa zima liangamizwe?”
51 Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin’ izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;
Yeye hakusema hivyo kwa hiari yake mwenyewe, bali kwa vile alikuwa Kuhani Mkuu mwaka huo, alibashiri kwamba Yesu atakufa kwa ajili ya taifa lao;
52 ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak’ Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray.
na wala si kwa ajili yao tu, bali pia apate kuwaleta pamoja watoto wa Mungu waliotawanyika.
53 Koa hatramin’ izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.
Basi, tangu siku hiyo viongozi wa Wayahudi walifanya mipango ya kumwua Yesu.
54 Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin’ ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin’ ny tany akaikin’ ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin’ ny mpianatra.
Kwa hiyo, Yesu hakutembea tena hadharani kati ya Wayahudi, bali alitoka hapo, akaenda mahali karibu na jangwa, katika mji uitwao Efraimu. Akakaa huko pamoja na wanafunzi wake.
55 Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema talohan’ ny Paska mba hanadio ny tenany.
Sikukuu ya Wayahudi ya Pasaka ilikuwa karibu, na watu wengi walikwenda Yerusalemu ili wajitakase kabla ya sikukuu hiyo.
56 Dia nitady an’ i Jesosy ireo, raha nijanona teo an-kianjan’ ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin’ ny andro firavoravoana va Izy?
Basi, wakawa wanamtafuta Yesu; nao walipokusanyika pamoja Hekaluni wakaulizana, “Mwaonaje? Yaonekana kwamba haji kabisa kwenye sikukuu, au sivyo?”
57 Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay itoerany, dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy.
Makuhani wakuu na Mafarisayo walikuwa wametoa amri kwamba mtu akijua mahali aliko Yesu awaarifu kusudi wamtie nguvuni.

< Jaona 11 >