< Joba 1 >

1 Nisy lehilahy tany amin’ ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an’ Andriamanitra ka nifady ny ratsy.
There was a man in the land of Uz, whose name was Job. That man was blameless and upright, and one who feared God, and turned away from evil.
2 Ary niteraka fito lahy sy vavy telo izy.
There were born to him seven sons and three daughters.
3 Ary ny fananany dia ondry aman’ osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany.
His possessions also were seven thousand sheep, three thousand camels, five hundred yoke of oxen, five hundred female donkeys, and a very great household; so that this man was the greatest of all the children of the east.
4 Ary fanaon’ ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an’ androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.
His sons went and held a feast in the house of each one on his birthday; and they sent and called for their three sisters to eat and to drink with them.
5 Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan’ izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an’ Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon’ i Joba mandrakariva.
It was so, when the days of their feasting had run their course, that Job sent and sanctified them, and rose up early in the morning, and offered burnt offerings according to the number of them all. For Job said, “It may be that my sons have sinned, and renounced God in their hearts.” Job did so continually.
6 Ary tamin’ ny indray andro nony avy ireo zanak’ Andriamanitra hiseho teo anatrehan’ i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy.
Now on the day when God’s sons came to present themselves before Yahweh, Satan also came among them.
7 Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an’ i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin’ ny tany aho ka nivezivezy teny.
Yahweh said to Satan, “Where have you come from?” Then Satan answered Yahweh, and said, “From going back and forth in the earth, and from walking up and down in it.”
8 Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Efa nandinika an’ i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’ Andriamanitra ka mifady ny ratsy.
Yahweh said to Satan, “Have you considered my servant, Job? For there is no one like him in the earth, a blameless and an upright man, one who fears God, and turns away from evil.”
9 Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’ i Joba an’ Andriamanitra?
Then Satan answered Yahweh, and said, “Does Job fear God for nothing?
10 Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ ny tànany ka manenika ny tany ny omby aman’ ondriny.
Haven’t you made a hedge around him, and around his house, and around all that he has, on every side? You have blessed the work of his hands, and his substance is increased in the land.
11 Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handà Anao eo imasonao aza izy e!
But stretch out your hand now, and touch all that he has, and he will renounce you to your face.”
12 Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan’ i Jehovah.
Yahweh said to Satan, “Behold, all that he has is in your power. Only on himself don’t stretch out your hand.” So Satan went out from the presence of Yahweh.
13 Ary tamin’ ny indray andro dia nihinana sy nisotro divay teo an-tranon’ ny zokiny lahimatoa ny zananilahy sy ny zananivavy;
It fell on a day when his sons and his daughters were eating and drinking wine in their oldest brother’s house,
14 ary nisy iraka tonga tany amin’ i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany,
that a messenger came to Job, and said, “The oxen were plowing, and the donkeys feeding beside them,
15 dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
and the Sabeans attacked, and took them away. Yes, they have killed the servants with the edge of the sword, and I alone have escaped to tell you.”
16 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon’ Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman’ osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
While he was still speaking, another also came and said, “The fire of God has fallen from the sky, and has burned up the sheep and the servants, and consumed them, and I alone have escaped to tell you.”
17 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
While he was still speaking, another also came and said, “The Chaldeans made three bands, and swept down on the camels, and have taken them away, yes, and killed the servants with the edge of the sword; and I alone have escaped to tell you.”
18 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon’ ny zokiny lahimatoa;
While he was still speaking, there came also another, and said, “Your sons and your daughters were eating and drinking wine in their oldest brother’s house,
19 ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin’ ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
and behold, there came a great wind from the wilderness, and struck the four corners of the house, and it fell on the young men, and they are dead. I alone have escaped to tell you.”
20 Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin’ ny tany ka niankohoka
Then Job arose, and tore his robe, and shaved his head, and fell down on the ground, and worshiped.
21 sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon’ ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’ i Jehovah
He said, “Naked I came out of my mother’s womb, and naked will I return there. Yahweh gave, and Yahweh has taken away. Blessed be Yahweh’s name.”
22 Tamin’ izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an’ Andriamanitra.
In all this, Job didn’t sin, nor charge God with wrongdoing.

< Joba 1 >