< Joba 8 >

1 Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
書亞人比勒達回答說:
2 Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?
這些話你要說到幾時? 口中的言語如狂風要到幾時呢?
3 Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?
上帝豈能偏離公平? 全能者豈能偏離公義?
4 Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.
或者你的兒女得罪了他; 他使他們受報應。
5 Fa raha ianao kosa mandroso mitady an’ Andriamanitra ka mifona amin’ ny Tsitoha.
你若殷勤地尋求上帝, 向全能者懇求;
6 Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan’ ny fahamarinanao,
你若清潔正直, 他必定為你起來, 使你公義的居所興旺。
7 Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.
你起初雖然微小, 終久必甚發達。
8 Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan’ ny razany
請你考問前代, 追念他們的列祖所查究的。
9 (Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin’ ny tany);
我們不過從昨日才有,一無所知; 我們在世的日子好像影兒。
10 Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?
他們豈不指教你,告訴你, 從心裏發出言語來呢?
11 Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin’ ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?
蒲草沒有泥豈能發長? 蘆荻沒有水豈能生發?
12 Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan’ ny zava-maitso rehetra.
尚青的時候,還沒有割下, 比百樣的草先枯槁。
13 Toy izany no lalan’ izay rehetra manadino an’ Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy,
凡忘記上帝的人,景況也是這樣; 不虔敬人的指望要滅沒。
14 Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.
他所仰賴的必折斷; 他所倚靠的是蜘蛛網。
15 Miankina amin’ ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.
他要倚靠房屋,房屋卻站立不住; 他要抓住房屋,房屋卻不能存留。
16 Mitsimoka tsara tandrifin’ ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin’ ny tanimboliny;
他在日光之下發青, 蔓子爬滿了園子;
17 Mifelipelika mifaniditra eo amin’ ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;
他的根盤繞石堆, 扎入石地。
18 Kanjo nony fongorany hiala amin’ ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.
他若從本地被拔出, 那地就不認識他,說: 我沒有見過你。
19 Indro, izany ihany no fifalian’ ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin’ ny vovoka.
看哪,這就是他道中之樂; 以後必另有人從地而生。
20 Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;
上帝必不丟棄完全人, 也不扶助邪惡人。
21 Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.
他還要以喜笑充滿你的口, 以歡呼充滿你的嘴。
22 Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain’ ny ratsy fanahy.
恨惡你的要披戴慚愧; 惡人的帳棚必歸於無有。

< Joba 8 >