< Joba 8 >

1 Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe: 2 Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao? 3 Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny? 4 Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany. 5 Fa raha ianao kosa mandroso mitady an’ Andriamanitra ka mifona amin’ ny Tsitoha. 6 Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan’ ny fahamarinanao, 7 Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao. 8 Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan’ ny razany 9 (Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin’ ny tany); 10 Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony? 11 Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin’ ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano? 12 Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan’ ny zava-maitso rehetra. 13 Toy izany no lalan’ izay rehetra manadino an’ Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan’ ny mpihatsaravelatsihy, 14 Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny. 15 Miankina amin’ ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny. 16 Mitsimoka tsara tandrifin’ ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin’ ny tanimboliny; 17 Mifelipelika mifaniditra eo amin’ ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany; 18 Kanjo nony fongorany hiala amin’ ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho. 19 Indro, izany ihany no fifalian’ ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin’ ny vovoka. 20 Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy; 21 Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao. 22 Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain’ ny ratsy fanahy.

< Joba 8 >