< Joba 35 >

1 Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe: 2 Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an’ Andriamanitra? 3 Fa hoy ianao: Mahasoa ahy manao ahoana moa? Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin’ ny fahotako? 4 Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin’ ny namanao. 5 Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao. 6 Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany? 7 Raha marina ianao, dia hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin’ ny tananao? 8 Mihatra amin’ ny olona tahaka anao ihany ny ratsy ataonao; Ary mihatra amin’ ny olombelona ihany ny fahamarinanao. 9 Noho ny habiazan’ ny fampahoriana no itarainan’ ny olona; Eny, minananana izy noho ny sandrin’ ny mahery, 10 Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin’ ny alina, 11 Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an’ ny biby ambonin’ ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an’ ny voro-manidina? 12 Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan’ ny ratsy fanahy. 13 Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin’ Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany. 14 Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao. 15 Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana? 16 Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.

< Joba 35 >