< Joba 29 >

1 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
約伯繼續他的言論說:
2 Enga anie ka ho tahaka ny tamin’ ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin’ ny andro niarovan’ Andriamanitra ahy!
誰能賜我似以前的歲月,像以往天主護守我的時日呢﹖
3 Fony mbola nazava teo ambonin’ ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin’ ny maizina;
那時他的燈,光照在我頭上,藉他的光明,我走過黑暗。
4 Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin’ ny laiko ny fisakaizan’ Andriamanitra;
惟願我如壯年之時,那時天主護佑我的帳幕;
5 Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako;
全能者與我相偕,我的子女環繞著我;
6 Fony mbola nanasa ny tongotro tamin’ ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;
那時我以奶油洗腳,崖石流油成河。
7 Raha niainga niakatra ho eo amin’ ny vavahadin’ ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo an-kalalahana,
當我走出城門,在市井設我座位之時,
8 Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;
少年人看見我都迴避,老年人都起身站立;
9 Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;
王侯停止講話,用手堵住自己的口;
10 Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin’ ny lanilaniny.
首領不敢出聲,舌頭緊貼上顎。
11 Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,
凡有耳聽見我的,必稱我有福;凡有眼看見我的,都必稱讚我。
12 Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
因為我援助了呼救的窮人,和無依無靠的孤兒。
13 Ny fisaoran’ izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon’ ny mpitondratena nampifaliko.
那受喪亡之痛的人稱謝我,我使寡婦的心歡樂。
14 Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.
我披上正義,正義就如我衣;我的公正,猶如我的長袍和冠冕。
15 Efa maso ho an’ ny jamba aho ary tongotra ho an’ ny mandringa.
我作了盲人的眼,跛者的腳。
16 Efa ray ho an’ ny malahelo aho, ary ny adin’ ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.
我成了窮人之父,我調查過素不相識者的案件。
17 Namaky ny nifin’ ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany
我打碎惡人的燎牙,由他牙齒中奪出了獵物。
18 Dia hoy izaho: Eo amin’ ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.
我心想:我必壽終正寢,我的壽數必如塵沙。
19 Ny fakako ho azon’ ny rano, ary ny ando hitoetra amin’ ny sampako mandritra ny alina.
我的根蔓延到水邊,夜間甘露落在我的枝葉上。
20 Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.
我的榮耀不斷更新,我手中的弓日新月異。
21 Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin’ ny fanolorako saina izy.
聽我講話的人,屏息等待,靜聽我的指教。
22 Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan’ ny teniko izy.
我講話之後,無人再敢講話,我的話像水珠滴在他們身上。
23 Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.
他們期待我如望甘霖,張著大口如渴盼春雨。
24 Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan’ ny tavako ireo.
我向他們微笑,他們不敢相信;我和善的面容,他們必不放過。
25 Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin’ ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.
我為他們選擇了道路,身居前導,一如立在軍中的君王;我引他們到那裏,他們就去。

< Joba 29 >