< Joba 28 >

1 Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.
Toe ao ty lakato fitsikaraham-bolafoty naho ty toem-pitranaham-bolamena.
2 Ny vy dia alaina avy amin’ ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin’ ny vato.
Akareñe an-debok’ ao ty viñe, le tranaheñe am-bongam-bato ty torisike.
3 Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin’ ny faran’ ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton’ ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;
Fongore’e ty ieñe, tsikarahe’e pak’ am-para-piefera’e ao ty vato, an-kamoromoroñañe naho an-talinjon-kavilasy ao.
4 Mihady lavaka mihalavitra amin’ izay itoeran’ olona izy ka tsy ampoizin’ ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.
Anokafa’e lalam-pigodañañe, ­lavi-pimoneñañe; andikofam-pandia, ­miradorado ao, mitsikadròtse ­lavits’ ondaty.
5 Ny tany no ihavian’ ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.
Ty tane toy, ama’e ty iboaha’ ty mahakama; ambane’e ao hoe trobotroboen’ afo.
6 Fitoeran’ ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy
Angalan-tsafira o vato’eo, naho volamena an-debo’e ao.
7 Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan’ ny mason’ ny voromahery,
Tsy hay o voro-pamaokeo i lalañey; tsy trea’ ty maso’ i hitikitikey.
8 Sady tsy nodiavin’ ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan’ ny liona masiaka.
Tsy nilià’ o bibi-ly mpireñetseo; mbe tsy nipiapia ambone’e eo ty liona.
9 Maninjitra ny tànany amin’ ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin’ ny fotony;
Ahiti’e mb’amo vato-pilakeo ty fità’e vaho avalitaboa’e reke-bahatse o vohitseo.
10 Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan’ ny masony avokoa.
Kaohe’e amo vatoo ty talàha vaho oni-pihaino’e ze atao vara.
11 Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin’ ny mazava.
Sebaña’e o torahañeo tsy hiorike; aboa’e mb’an-kazavàñe o raha nikafitseo.
12 Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran’ ny fahalalana?
Fe aia ty hahaoniñañe hihitse? Aia ka ty toe’ o hilalao?
13 Tsy misy zanak’ olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin’ ny tanin’ ny velona izy.
Tsy fohi’ondaty ty vili’e, toe tsy tendrek’ an-tane’ o veloñeo.
14 Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.
hoe i lalekey, Tsy amako atoa; le hoe i riakey, Tsy amako etoa.
15 Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;
Tsy ikaloam-bolamena, vaho tsy andanjàm-bolafoty.
16 Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.
Tsy añoharañe ami’ty volamena’ i Ofire, ndra an-tsohame sarotse ndra safira.
17 Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.
Tsy añirinkiriña’ ty volamena ndra ty kristaly, tsy tsalohem-panake volamena ki’e.
18 Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.
Tsy ivolañañe ty vaton-driake ndra vato-soa; ambone’ o hangeo ty fikaloan-kihitse.
19 Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara
Tsy oharañe ama’e ty pit-dae’ i Kose, tsy ibalibalihem-bolamena hiringiri’e.
20 Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran’ ny fahalalana?
Hirik’ aia arè o hihitseo? Vaho aia ty toe’ o hilalao?
21 Miafina amin’ ny mason’ ny velona rehetra izany ary takona amin’ ny voro-manidina.
Ie mikafits’ am-pihaino’ ze atao veloñe, vaho mietak’ amo voron-tiokeo.
22 Hoy Abadona sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.
Hoe ty Tsikeokeoke naho i Havilasy: fa nahatsanon-talily aze o sofi’aio.
23 Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
Arofoanan’ Añahare i lala’ey, fohi’e ka i toe’ey.
24 Fa Izy no mitsinjo hatramin’ ny faran’ ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin’ ny lanitra rehetra izao,
Jilove’e pak’ añ’olo’ ty tane toy, vazoho’e ze he’e ambanen-dikerañe ao.
25 Ka manendry ny lanjan’ ny rivotra ary mamatra ny rano amin’ ny famarana.
Ie nanolora’e lanja o tiokeo, vaho nanjara’e an-kapoake o ranoo;
26 Raha nanao lalana ho an’ ny ranonorana Izy sy lalana halehan’ ny helatry ny kotrokorana,
ie nafepè’e o orañeo, naho ty lala’ o helats’ampiñeo;
27 Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;
Le nivazohoe’e, nitseize’e; najado’e vaho tsinikara’e.
28 Dia hoy Izy tamin’ ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin’ ny ratsy no fahalalana.
Le hoe re am’ondatio, Inao: Ty fañeveñañe amy Talè, Zay ro hihitse; ty fisitahañe an-karatiañe ro hilala.

< Joba 28 >