< Joba 26 >

1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
А Јов одговори и рече:
2 Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy!
Како си помогао слабоме! Како си избавио руку нејаку!
3 Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka!
Како си световао оног који је без мудрости и показао разум изобила!
4 Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin’ izay no nivoaka avy tao aminao?
Коме си говорио те речи? И чији је дух изашао из тебе?
5 Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin’ ny rano sy any ambanin’ ny mponina any.
И мртве ствари створене су под водама и становници њихови.
6 Ny fiainan-tsi-hita miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra. (Sheol h7585)
Откривен је пакао пред Њим, нити има покривача погибли. (Sheol h7585)
7 Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin’ ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin’ ny tsy misy.
Он је разастро и север над празнином, и земљу обесио ни о чем.
8 Fonosiny amin’ ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin’ ny rahona tsy mety triatra.
Завезује воде у облацима својим, и не продире се облак под њима.
9 Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin’ ny amelarany ny rahony hanarona azy.
Држи престо свој, разапиње облак свој над њим.
10 Asiany faritra manodidina eny ambonin’ ny rano. Hatramin’ izay ihaonan’ ny mazava sy ny maizina.
Међу је поставио око воде докле не буде крај светлости и мраку.
11 Ny andrin’ ny lanitra nihozongozona sady ankona amin’ ny teny mafy ataony.
Ступови небески тресу се и дрхћу од претње Његове.
12 Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba;
Силом је својом поцепао море и разумом својим разбио беснило његово.
13 Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra.
Духом је својим украсио небеса, и рука је Његова створила пругу змију.
14 Indro, ireny dia vao ny sisintsisin’ ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
Гле, то су делови путева Његових; али како је мали део што чусмо о Њему? И ко ће разумети гром силе Његове?

< Joba 26 >