< Joba 25 >

1 Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe. 2 Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy, manao fihavanana any amin’ ny avo Izy. 3 Azo isaina va ny miaramilany? Ary fahazavan’ iza no tsy ihoaran’ ny Azy? 4 Ary aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy? 5 Indro, ny volana aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imasony; 6 Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak’ olombelona, izay olitra.

< Joba 25 >