< Joba 23 >

1 Dia namaly Joba ka nanao hoe: 2 Mbola atao ho fikomianao ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin’ ny fisentoako. 3 Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin’ ny fitoerany aza! 4 Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako; 5 Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko. 6 Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy 7 Fa amin’ izany dia olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin’ ny Mpitsara ahy. 8 Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy; 9 Mianavaratra amin’ izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako. 10 Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena. 11 Ny tongotro nifikitra tamin’ ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho. 12 Ny didin’ ny molony tsy mba nialako; Ny tenin’ ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako. 13 Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin’ ny fanahiny dia ataony. 14 Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy; 15 Roa Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy. 16 Fa Andriamanitra no mandrerakany foko, ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy; 17 Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako.

< Joba 23 >