< Joba 14 >

1 Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
Man that is born of a woman is of few days and full of trouble.
2 Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.
He comes forth like a flower, and is cut down: he flees also as a shadow, and continues not.
3 kanefa amin’ izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin’ ny fitsarana!
And does you open your eyes on such an one, and bring me into judgment with you?
4 Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.
Who can bring a clean thing out of an unclean? not one.
5 Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan’ ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana,
Seeing his days are determined, the number of his months are with you, you have appointed his bounds that he cannot pass;
6 Dia mihodìna tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin’ ny androny toy ny mpikarama.
Turn from him, that he may rest, till he shall accomplish, as an hireling, his day.
7 Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony;
For there is hope of a tree, if it be cut down, that it will sprout again, and that the tender branch thereof will not cease.
8 Na dia efa tonga antitra ao amin’ ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin’ ny vovoka ny fotony,
Though the root thereof wax old in the earth, and the stock thereof die in the ground;
9 Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.
Yet through the scent of water it will bud, and bring forth boughs like a plant.
10 Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?
But man dies, and wastes away: yes, man gives up the ghost, and where is he?
11 Ny rano miala eo amin’ ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,
As the waters fail from the sea, and the flood decays and dries up:
12 Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian’ ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin’ ny torimasony.
So man lies down, and rises not: till the heavens be no more, they shall not awake, nor be raised out of their sleep.
13 Enga anie ka hanafina ahy any amin’ ny fiainan-tsi-hita Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr’ andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy (Sheol h7585)
O that you would hide me in the grave, that you would keep me secret, until your wrath be past, that you would appoint me a set time, and remember me! (Sheol h7585)
14 Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan’ ny fahafahako.
If a man die, shall he live again? all the days of my appointed time will I wait, till my change come.
15 Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan’ ny tananao Hianao.
You shall call, and I will answer you: you will have a desire to the work of your hands.
16 Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?
For now you number my steps: do you not watch over my sin?
17 Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.
My transgression is sealed up in a bag, and you sew up my iniquity.
18 Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin’ ny fitoerany;
And surely the mountains falling comes to nothing, and the rock is removed out of his place.
19 Lanin’ ny rano ny vato; ary indaosin’ ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan’ ny zanak’ olombelona.
The waters wear the stones: you wash away the things which grow out of the dust of the earth; and you destroy the hope of man.
20 Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.
You prevail for ever against him, and he passes: you change his countenance, and send him away.
21 Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.
His sons come to honor, and he knows it not; and they are brought low, but he perceives it not of them.
22 Ny mihatra amin’ ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin’ ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.
But his flesh on him shall have pain, and his soul within him shall mourn.

< Joba 14 >