< Jeremia 49 >

1 Ny amin’ ny taranak’ i Amona, Izao no lazain’ i Jehovah: Moa tsy manan-janakalahy va Isiraely? Ary tsy manan-kandova va izy? Koa nahoana Gada no lasan’ ny mpanjakany, ary ny vahoakany monina ao amin’ ny tanànany?
Of the people of Ammon. "Thus says the LORD: 'Has Israel no sons? Has he no heir? Why then does Milcom possess Gad, and his people dwell in its cities?
2 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampandrenesako akoran’ ady amin’ ny famelezana an’ i Raban’ ny taranak’ i Amona, ary ho tanànaolo rava izy, ary ny zana-bohiny hodorana amin’ ny afo; Ary ny Isiraely hahalasa ny an’ izay nahalaza azy, hoy Jehovah.
Therefore look, the days come,' says the LORD, 'that I will cause an alarm of war to be heard against Rabbah of the people of Ammon; and it shall become a desolate heap, and her daughters shall be burned with fire: then shall Israel possess those who possessed him,' says the LORD.
3 Midradradradrà, ry Hesbona, fa rava Ay! Mitaraina, ianareo zanakavavin’ i Raba! Misikìna lamba fisaonana ianareo; Manaova fisaonana, ary mivoivoiza eo anaty fefy; Fa lasan-ko babo ny mpanjakany, dia ny mpisorony sy ireo mpanapaka azy.
'Wail, Heshbon, for Ai is laid waste; cry, you daughters of Rabbah, clothe yourself in sackcloth: lament, and run back and forth among the fences; for Milcom shall go into captivity, his priests and his officials together.
4 Nahoana no ny lohasaha no ataonao ho reharehanao, dia ny lohasahanao mahavokatra be. Ry zanakavavy mpiodina, izay mitoky amin’ ny rakiny ka manao hoe: Iza moa no ho afa-miakatra atỳ amiko?
Why do you glory in the valleys, your flowing valley, backsliding daughter? You who trusted in her treasures, saying, "Who shall come to me?"
5 Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin’ izay rehetra manodidina anao, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; Ary horoahina samy hizotra amin’ izay hitsiny avy ianareo rehetra, sady tsy hisy hamory izay mandositra.
Look, I will bring a fear on you,' says the LORD of hosts, 'from all who are around you; and you shall be driven out every man right forth, and there shall be none to gather together the fugitives.
6 Ary rehefa afaka izany, dia hampodiko ihany avy amin’ ny fahababoana ny taranak’ i Amona, hoy Jehovah.
But afterward I will bring back the captivity of the people of Ammon,' says the LORD."
7 Ny amin’ i Edoma. Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Very saina va ny olon-kendry? Lany va ny fahendreny?
Of Edom. "Thus says the LORD of hosts: 'Is wisdom no more in Teman? Is counsel perished from the prudent? Is their wisdom vanished?
8 Mandosira, miambohoa ianareo, mamitsaha ao amin’ ny lalina, ry mponina any Dedana, fa ny loza ho an’ i Esao dia nataoko nihatra taminy, dia ny andro hamaliako azy.
Flee, turn back, dwell in the depths, inhabitants of Dedan; for I will bring the calamity of Esau on him, the time that I shall visit him.
9 Raha tonga ao aminao ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory izy; Raha avy alina ny mpangalatra, dia handrava mandra-pahafa-pony izy.
If grape gatherers came to you, would they not leave some gleaning grapes? If thieves by night, wouldn't they destroy until they had enough?
10 Izaho dia nampitanjaka an’ i Esao, ary naharihariko ny fiereny, ka tsy mahazo miery izy; Ringana ny zanany sy ny rahalahiny ary ny namany, ka tsy ao intsony ireny.
But I have made Esau bare, I have uncovered his secret places, and he shall not be able to hide himself: his seed is destroyed, and his brothers, and his neighbors; and he is no more.
11 Ilaozy ny zanakao ho kamboty, fa Izaho no hamelona azy, ary aoka Izaho no hitokian’ ny vadinao mpitondratena.
Leave your fatherless children, I will preserve them alive; and let your widows trust in me.'
12 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin’ ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, ka moa ho afa-potsiny va ianao? Tsy ho afa-potsiny ianao, fa tsy maintsy hisotro tokoa.
For thus says the LORD: 'Look, they to whom it did not pertain to drink of the cup shall certainly drink; and are you he who shall altogether go unpunished? You shall not go unpunished, but you shall surely drink.
13 Fa ny tenako no nianianako, hoy Jehovah, fa ho tonga figagana Bozra sy ho fandatsa sy ho rava ary ho fanozonana, ary ny tanànany rehetra ho lao mandrakizay.
For I have sworn by myself,' says the LORD, 'that Bozrah shall become an astonishment, a reproach, a waste, and a curse; and all its cities shall be perpetual wastes.'"
14 Fa efa nahare filazana avy tamin’ i Jehovah aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin’ ny jentilisa hanao hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa hamely azy, ary mitsangàna hanafika.
I have heard news from the LORD, and an ambassador is sent among the nations, saying, "Gather yourselves together, and come against her, and rise up to the battle."
15 Fa, indro, hataoko tsinontsinona eo amin’ ny firenena ianao sy fanazimbazimba eo amin’ ny olona,
"For, look, I have made you small among the nations, and despised among men.
16 Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Izay mifikitra amin’ ny tampon’ ny havoana, ny fahatahorana anao sy ny avonavon’ ny fonao no namitaka anao; Fa na dia ataonao eny amin’ ny avo tahaka ny an’ ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
As for your terror, the pride of your heart has deceived you, O you who dwell in the clefts of the rock, who hold the height of the hill: though you should make your nest as high as the eagle, I will bring you down from there," says the LORD.
17 Ary ho figagana Edoma: Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.
"Edom shall become an astonishment: everyone who passes by it shall be astonished, and shall hiss at all its plagues.
18 Ary toy ny nandravana an’ i Sodoma sy Gomora mbamin’ ny tanàna teny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian’ olona honina any, na zanak’ olombelona hivahiny any.
As in the overthrow of Sodom and Gomorrah and the neighbor cities of it," says the LORD, "no man shall dwell there, neither shall any son of man live in it.
19 Indro, toy ny fiakatry ny liona avy any amin’ ny kirihitrala eny amoron’ i Jordana no hiakarany ho any amin’ ny misy ahitra mateza; Fa hampandosiriko tampoka Edoma hiala ao, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy. Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko, ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?
Look, he shall come up like a lion from the pride of the Jordan against the strong habitation: for I will suddenly make them run away from it; and whoever is chosen, him will I appoint over it: for who is like me? And who will appoint me a time? And who is the shepherd who will stand before me?
20 Koa henoy ny saina avy amin’ i Jehovah, Izay nosaininy hamelezana an’ i Edoma, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny mponina ao Temana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin’ ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
Therefore hear the counsel of the LORD, that he has taken against Edom; and his purposes, that he has purposed against the inhabitants of Teman: Surely they shall drag them away, the little ones of the flock; surely he shall make their habitation desolate over them.
21 Tamin’ ny fiezinezin’ ny fianjerany dia nihorohoro ny tany; Ny feon’ ny fitarainany dia re hatrany amin’ ny Ranomasina Mena.
The earth trembles at the noise of their fall; there is a cry, the noise which is heard in the Red Sea.
22 Indro, hanidina hiakatra toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany eny ambonin’ i Bozra; Ary amin’ izany andro izany ny fon’ ny lehilahy maherin’ i Edoma dia ho tahaka ny fon’ ny vehivavy mihetsi-jaza.
Look, he shall come up and fly as the eagle, and spread out his wings against Bozrah: and the heart of the mighty men of Edom at that day shall be as the heart of a woman in her pangs."
23 Ny amin’ i Damaskosy. Very hevitra Hamata sy Arpada, fa nandre filazan-doza izy ka kivy; Misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tafatoetra.
Of Damascus. "Hamath is confounded, and Arpad; for they have heard evil news, they are melted away: there is sorrow on the sea; it can't be quiet.
24 Efa ketraka Damaskosy ka mihodìna handositra, fa, toran-kovitra izy; Ary azon’ ny faharariana sy ny fanaintainana, toy ny vehivavy raha miteraka.
Damascus has grown feeble, she turns herself to flee, and trembling has seized on her: anguish and sorrows have taken hold of her, as of a woman in travail.
25 Nahoana re no tsy nilaozana ny tanàna malaza, tanana fifaliako!
How is the city of praise not forsaken, the city of my joy?
26 Ka dia hiampatrampatra eny an-kalalahana ny zatovony. Ary ny miaramila rehetra ho ringana avokoa amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Therefore her young men shall fall in her streets, and all the men of war shall be brought to silence in that day," says the LORD of hosts.
27 Ary hisy afo hampirehetiko ao anatin’ ny mandan’ i Damaskosy, handevona ny lapan’ i Beni-hadada.
"I will kindle a fire in the wall of Damascus, and it shall devour the palaces of Ben Hadad."
28 Ny amin’ i Kedara sy ny fanjakan’ i Hazora, izay resin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona. Izao no lazain’ i Jehovah: Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an’ i Kedara, ary aringano ny zanaky ny atsinanana.
Of Kedar, and of the kingdoms of Hazor, which Nebuchadnezzar king of Babylon struck. "Thus says the LORD: 'Arise, go up to Kedar, and destroy the people of the east.'
29 Halainy ny lainy sy ny ondry aman’ osiny, ho entin’ ny ambain-dainy mbamin’ ny fanaka rehetra sy ny ramevany, sady hiantsoantso hilaza aminy hoe izy: Misy fampangorohoroana manodidina!
Their tents and their flocks shall they take; they shall carry away for themselves their curtains, and all their vessels, and their camels; and they shall cry to them, 'Terror on every side.'
30 Mandosira, ka mandehana lavitra! Mamitsaha ao amin’ ny lalina, ry mponina any Hazora! hoy Jehovah; Fa Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, nanao saina hamelezany anareo sy namoron-kevitra hamelezany anareo.
Flee, wander far off, dwell in the depths, you inhabitants of Hazor," says the LORD; "for Nebuchadnezzar king of Babylon has taken counsel against you, and has conceived a purpose against you."
31 Mitsangàna, iakaro ny firenena miadana izay tsy manana ahiahy, hoy Jehovah. Dia izay tsy misy vavahady mirindrina na mihidy sady mitoka-monina.
"Arise, go up to a nation that is at ease, that dwells without care, says the LORD; that have neither gates nor bars, that dwell alone.
32 Ho babo ny ramevany, ary horobaina ny omby aman’ ondriny betsaka, haeliko ho any amin’ ny rivotra rehetra ireo voahety sisim-bolo; Ary ho entiko avy amin’ ny manodidina rehetra ny loza hanjo azy, hoy Jehovah,
Their camels shall be a booty, and the multitude of their livestock a spoil: and I will scatter to all winds those who have the corners of their beards cut off; and I will bring their calamity from every side of them," says the LORD.
33 Ary Hazora dia ho fonenan’ ny amboadia sy ho tany lao mandrakizay; Tsy hisy olona honina any, Na zanak’ olombelona hivahiny any.
"Hazor shall be a dwelling place of jackals, a desolation forever: no man shall dwell there, neither shall any son of man live in it."
34 Ny tenin’ i Jehovah izay tonga tamin’ i Jeremia mpaminany ny amin’ i Elama tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, hoe:
The word of the LORD that came to Jeremiah the prophet concerning Elam, in the beginning of the reign of Zedekiah king of Judah, saying,
35 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hotapatapahiko ny tsipìkan’ i Elama, Izay fototry ny heriny.
"Thus says the LORD of hosts: 'Look, I will break the bow of Elam, the chief of their might.
36 Ary hitondra Avotra efatra avy amin’ ny lafiny efatry ny lanitra Aho hamelezana an’ i Elama, ary haeliko ho amin’ izany rivotra rehetra izany izy, ka tsy hisy firenena izay tsy halehan’ ny voaroaka avy any Elama.
On Elam will I bring the four winds from the four quarters of the sky, and will scatter them toward all those winds; and there shall be no nation where the outcasts of Elam shall not come.
37 Fa hampivadi-po an’ i Elama eo anoloan’ ny fahavalony sy eo anoloan’ izay mitady ny ainy Aho ka hahatonga loza aminy, dia ny firehetan’ ny fahatezerako, hoy Jehovah; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra Mandra-pandaniko azy;
I will cause Elam to be dismayed before their enemies, and before those who seek their life; and I will bring evil on them, even my fierce anger,' says the LORD; 'and I will send the sword after them, until I have consumed them;
38 Dia hapetrako ao Elasma ny seza fiandrianako. Ary hofongorako tsy hisy intsony any na ny mpanjaka na ny mpanapaka, hoy Jehovah.
and I will set my throne in Elam, and will destroy from there king and officials,' says the LORD.
39 Nefa any am-parany dia mbola hampodiko avy amin’ ny fahababoany ihany Elama, hoy Jehovah.
'But it shall happen in the latter days, that I will bring back the captivity of Elam,' says the LORD."

< Jeremia 49 >