< Jeremia 46 >

1 Ny tenin’ i Jehovah Izay tonga tamin’ i Jeremia mpaminany ny amin’ ny jentilisa.
And it came to pass in the ninth month of Sedekias king of Juda, [that] Nabuchodonosor king of Babylon came, and all his host, against Jerusalem, and they besieged it.
2 Ny amin’ i Egypta. Ny amin’ ny miaramilan’ i Farao-neko, mpanjakan’ i Egypta, izay teny amoron’ ny ony Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda:
And in the eleventh year of Sedekiass, in the fourth month, on the ninth day of the month, the city was broken [up].
3 Mitaova amin’ ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, ka mandrosoa hiady;
And all the leaders of the king of Babylon went in, and sat in the middle gate, Marganasar, and Samagoth, and Nabusachar, and Nabusaris, Nagargas, Naserrabamath, and the rest of the leaders of the king of Babylon,
4 Fehezo amin’ ny kalesy ny soavaly, ary itaingeno ny soavaly fitaingina; Mijoroa tsara ianareo, ka samia misatroka fiarovan-doha; Fotsio ny lefona, miakanjoa ny akanjo fiarovan-tena.
5 Indrisy ny ahitako azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka, sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy Jehovah.
6 Tsy ho afa-mandositra ny haingan-tongotra, na ho afaka ny mahery; Any avaratra eo amoron’ ny ony Eofrata no hahatafintohina sy hahalavo azy.
7 Iza moa izato mizotra tahaka an’ i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano
8 Egypta mizotra tahaka an’ i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano, ary hoy izy: Hizotra aho ka hanafotra ny tany; Haringako ny tanàna sy ny mponina ao aminy.
9 Miakara, ianareo soavaly, ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy; Ary aoka hivoaka ny lehilahy mahery, dia ny Etiopiana sy ny Libyana, izay mitana ampinga, ary ny Lydiana, izay mitana sy manenjana tsipìka.
10 Fa izao andro izao dia an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony; Ary ny sabatra hihinana ka ho voky sy ho mamon’ ny ran’ ireo; Fa ny Tompo, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, no mamono zavatra hatao fanatitra any amin’ ny tany avaratra ao amoron’ ny ony Eofrata.
11 Miakara any Gileada, ka makà balsama, ry Egypta zanakavavy virijina; Foana ny nanaovanao fanafody maro, fa tsy manana plasitera hapetaka amin’ ny ferinao ianao,
12 Efa ren’ ny firenena ny henatrao, ary ny fiantsoantsoanao nanenika ny tany; fa mifandona ny samy mahery, ka miara-davo izy roa tonta.
13 Ny teny izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Jeremia mpaminany ny amin’ ny hihavian’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, hamely ny tany Egypta.
14 Ambaraonareo any Egypta, ary torio any Migdola, eny, torio any Memfisa sy Tapanesa, ka ataovy hoe: Mijoroa tsara ianao, ka miomàna; Fa mandringana manodidina anao ny sabatra.
and they sent, and took Jeremias out of the court of the prison, and gave him [in charge] to Godolias the son of Achicam, the son of Saphan: and they brought him out, and he sat in the midst of the people.
15 Nahoana no voapaoka ny maherinao? Tsy nahafahatra izy, satria Jehovah no nandroaka azy.
And the word of the Lord came to Jeremias in the court of the prison, saying,
16 Efa nahatafintohina ny maro Izy, ka lavo mifanindry ireo; Dia hoy ireo: Mitsangàna, ka andeha isika hiverina ho any amin’ ny firenentsika sy ho any amin’ ny tany nahaterahantsika ho afaka amin’ ny sabatra mandoza,
Go and say to Abdemelech the Ethiopian, Thus said the Lord God of Israel; Behold, I [will] bring my words upon this city for evil, and not for good.
17 Nitaraina tany izy hoe: Tabataba foana Farao, mpanjakan’ i Egypta, efa nandiso ny fotoana izy.
But I will save thee in that day, and I will by no means deliver thee into the hands of the men before whom thou art afraid.
18 Raha velona koa Aho, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany: Tahaka an’ i Tabara amin’ ny tendrombohitra, sy tahaka an’ i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hihaviany.
For I will surely save thee, and thou shalt by no means fall by the sword; and thou shalt find thy life, because thou didst trust in me, saith the Lord.
19 Ry Egypta zanakavavy mponina, Mifeheza entana ho entinao any amin’ ny fahababoana; Fa ho tonga tany lao Memfisa, eny, hodorana izy, ka tsy hisy mponina.
20 Egypta dia tahaka ny ombivavy kely tsara tarehy dia tsara tarehy; Fa injay! tamy, eny, tamy ny fihitra avy any avaratra!
21 Na dia ny olona karamaina ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodìna ka samy mandositra avokoa; Tsy mahajanona izy, fa efa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.
22 Ny feony dia toy ny fikasaotsaoky ny menarana mandeha; Fa mandeha hitondra miaramila izy ka avy hamely azy amin’ ny famaky toy ny mpikapa hazo.
23 Kapainy ny alany, hoy Jehovah, satria efa nikirindro loatra; Fa maro noho ny valala izy ka tsy tambo isaina.
24 Ho afa-baraka Egypta zanakavavy, Hatolotra eo an-tànan’ ny olona any avaratra izy.
25 Ary hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; Indro, hovaliako Amona avy any Nô Ary Farao sy Egypta mbamin’ ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia Farao sy izay rehetra matoky azy;
26 Ary hatolotro eo an-tànan’ izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo an-tànan’ ny mpanompony; Ary aorian’ izany, dia handry fahizay toy ny tamin’ ny andro fahiny ihany izy, hoy Jehovah.
27 Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any amin’ ny lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin’ ny tany nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, eny, handry fahizay izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
28 Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.

< Jeremia 46 >