< Jeremia 45 >

1 Ny teny izay nataon’ i Jeremia mpaminany tamin’ i Baroka, zanak’ i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin’ ny taratasy avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, hoe: 2 Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny aminao, ry Baroka: 3 Hoy ianao: Idiran-doza aho ity! fa nampian’ i Jehovah alahelo ny fanaintainako; efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana. 4 Lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia izao tany rehetra izao. 5 Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? aza mitady izany! fa, indro, hahatonga loza ho amin’ ny nofo rehetra Aho, hoy Jehovah; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’ izay rehetra nalehanao.

< Jeremia 45 >