< Jeremia 41 >

1 Ary tamin’ ny volana fahafito dia tonga tany amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, tao Mizpa Isimaela, zanak’ i Netania, zanak’ i Elisama, taranaky ny mpanjaka, sy ny mpanapaky ny mpanjaka; ary nisy folo lahy niaraka taminy; ary niara-nihinan-kanina tao Mizpa izy.
七月間,王的大臣宗室以利沙瑪的孫子、尼探雅的兒子以實瑪利帶着十個人,來到米斯巴見亞希甘的兒子基大利。他們在米斯巴一同吃飯。
2 Dia nitsangana Isimaela, zanak’ i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely sabatra an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, dia nahafaty ilay efa nataon’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanapaka ny tany.
尼探雅的兒子以實瑪利和同他來的那十個人起來,用刀殺了沙番的孫子亞希甘的兒子基大利,就是巴比倫王所立為全地省長的。
3 Ary ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin’ i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana izay hita tao ary ny miaramila dia novonoin’ Isimaela avokoa.
以實瑪利又殺了在米斯巴、基大利那裏的一切猶大人和所遇見的迦勒底兵丁。
4 Ary nony ampitson’ ny andro namonoana an’ i Gedalia, raha tsy mbola nisy olona nahalala izany,
他殺了基大利,無人知道。
5 dia nisy valo-polo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tànany ho entina ao an-tranon’ i Jehovah.
第二天,有八十人從示劍和示羅,並撒馬利亞來,鬍鬚剃去,衣服撕裂,身體劃破,手拿素祭和乳香,要奉到耶和華的殿。
6 Ary Isimaela, zanak’ i Netania, dia nivoaka avy tao Mizpa hitsena azy sady nitomany teny am-pandehanana, ary nony efa nihaona taminy izy, dia niteny taminy hoe: Mankanesa any amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama.
尼探雅的兒子以實瑪利出米斯巴迎接他們,隨走隨哭;遇見了他們,就對他們說:「你們可以來見亞希甘的兒子基大利。」
7 Ary nony tonga tao afovoan’ ny tanàna izy ireo, dia novonoin’ Isimaela, zanak’ i Netania, mbamin’ ny olona nanaraka azy izy ka nariany tao anaty lavaka famorian-drano.
他們到了城中,尼探雅的兒子以實瑪利和同着他的人就將他們殺了,拋在坑中。
8 Fa nisy folo lahy tamin’ ireo nanao tamin’ Isimaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any an-tsaha izahay, dia vary tritika sy vary hordea sy diloilo ary tantely. Ka dia nijanona izy, fa tsy namono ireo tahaka ny efa nataony tamin’ ny namany.
只是他們中間有十個人對以實瑪利說:「不要殺我們,因為我們有許多大麥、小麥、油、蜜藏在田間。」於是他住了手,沒有將他們殺在弟兄中間。
9 Ary ilay lavaka nanarian’ Isimaela ny fatin’ ny olona rehetra, izay novonoiny ho eo anilan’ i Gedalia, dia ilay efa nataon’ i Asa mpanjaka mba hiereny an’ i Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, dia nofenoin’ Isimaela, zanak’ i Netania, faty.
以實瑪利將所殺之人的屍首都拋在坑裏基大利的旁邊;這坑是從前亞撒王因怕以色列王巴沙所挖的。尼探雅的兒子以實瑪利將那些被殺的人填滿了坑。
10 Ary nentin’ Isimaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanak’ andriana, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, tao amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama; eny, Isimaela, zanak’ i Netania, nitondra azy ireny ho babo, ka dia lasa niala nankany amin’ ny taranak’ i Amona izy.
以實瑪利將米斯巴剩下的人,就是眾公主和仍住在米斯巴所有的百姓,原是護衛長尼布撒拉旦交給亞希甘的兒子基大利的,都擄去了。尼探雅的兒子以實瑪利擄了他們,要往亞捫人那裏去。
11 Fa nony ren’ i Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy ny ratsy rehetra nataon’ Isimaela, zanak’ i Netania,
加利亞的兒子約哈難和同着他的眾軍長聽見尼探雅的兒子以實瑪利所行的一切惡,
12 dia novoriny ny olona rehetra ka nentiny niady tamin’ Isimaela, zanak’ i Netania ary hitany teo amoron’ ny kamory ao Gibeona izy.
就帶領眾人前往,要和尼探雅的兒子以實瑪利爭戰,在基遍的大水旁遇見他。
13 Ary ny olona rehetra izay tao amin’ Isimaela, nony nahita an’ i Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy, dia faly.
以實瑪利那裏的眾人看見加利亞的兒子約哈難和同着他的眾軍長,就都歡喜。
14 Ary ny olona rehetra izay nentin’ Isimaela ho babo avy tany Mizpa dia nitodika ka niverina nanatona an’ i Johanana, zanak’ i Karea.
這樣,以實瑪利從米斯巴所擄去的眾人都轉身歸加利亞的兒子約哈難去了。
15 Fa Isimaela, zanak’ i Netania, sy ny olona valo lahy kosa dia afaka nandositra an’ i Johanana ka lasa nankany amin’ ny taranak’ i Amona.
尼探雅的兒子以實瑪利和八個人脫離約哈難的手,逃往亞捫人那裏去了。
16 Ary Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin’ Isimaela, zanak’ i Netania, avy tany Mizpa, taorian’ ny namonoany an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amim-behivavy ary ny tandapa, izay nentiny niverina avy tany Gibeona;
尼探雅的兒子以實瑪利殺了亞希甘的兒子基大利,從米斯巴將剩下的一切百姓、兵丁、婦女、孩童、太監擄到基遍之後,加利亞的兒子約哈難和同着他的眾軍長將他們都奪回來,
17 ary dia lasa izy ireo ka nitoetra tao Gerota-kimama, izay ao akaikin’ i Betlehema, mba handehanany hankany Egypta.
帶到靠近伯利恆的金罕寓住下,要進入埃及去;
18 tsy ho tratry ny Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Isimaela, zanak’ i Netania, efa namono an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, izay notendren’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanapaka ny tany.
因為尼探雅的兒子以實瑪利殺了巴比倫王所立為省長的亞希甘的兒子基大利,約哈難懼怕迦勒底人。

< Jeremia 41 >