< Jeremia 4 >

1 Raha hiverina ianao, ry Isiraely, hoy Jehovah, dia ho amiko no hiverenanao, ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao, dia tsy hivezivezy foana,
Israël, si tu reviens, si tu reviens à moi, dit l'Éternel, si tu ôtes tes abominations de devant moi, tu ne seras plus errant.
2 Fa hianiana amin’ ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia Izy no holazain’ ny firenena ho fahasambarany, ary Izy no ho reharehany.
Et tu jureras: L'Éternel est vivant! en vérité, en équité et en justice. Alors les nations seront bénies en lui, et se glorifieront en lui.
3 Fa izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny Joda sy Jerosalema: Hevoy ny tombamborakareo, fa aza mamafy amin’ ny tsilo.
Car ainsi a dit l'Éternel aux hommes de Juda et de Jérusalem
4 Miforà ho an’ i Jehovah ianareo, eny, forao ny fonareo, ry Joda sy ry mponina any Jerosalema! Fandrao hiseho toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian’ ny ataonareo ka hirehitra, sady tsy hisy hamono azy.
Soyez circoncis à l'Éternel, et circoncisez vos cœurs, hommes de Juda, habitants de Jérusalem! De peur que ma fureur ne sorte comme un feu, et qu'elle ne s'enflamme, sans que personne ne l'éteigne, à cause de la méchanceté de vos actions.
5 Ambaraonareo ao amin’ ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka ataovy hoe: Tsofy ao amin’ ny tany ny anjomara; Miantsoantsoa mafy, ka ataovy hoe: Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra amin’ ny tanàna mimanda.
Annoncez en Juda, et publiez à Jérusalem, et dites: Sonnez de la trompette dans le pays. Criez à pleine voix, dites: Assemblez-vous, et allons aux villes fortes!
6 Manangàna faneva manandrify an’ i Ziona; Mandosira faingana, aza mijanona; Fa Izaho hahatonga loza sy fandringanana be avy any avaratra.
Élevez l'étendard vers Sion! Fuyez et ne vous arrêtez pas! Car j'amène du Nord le mal, une grande ruine.
7 Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin’ ny fitoerany hahafoana ny taninao, ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.
Le lion monte hors de son fourré; le destructeur des nations est en marche; il est sorti de son lieu pour faire de ton pays une désolation, pour que tes villes soient ruinées, et qu'il n'y ait plus d'habitants.
8 Ary noho izany dia misikìna lamba fisaonana ianareo, ka mitomania sy midradradradrà; Fa ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah tsy afaka amintsika.
C'est pourquoi ceignez-vous de sacs, lamentez-vous et gémissez; car l'ardeur de la colère de l'Éternel ne s'est point détournée de vous.
9 Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho very hevitra ny mpanjaka sy ny lehibe, ary ho kepoka ny mpisorona, sy ho gaga ny mpaminany.
Et en ce jour-là, dit l'Éternel, le cœur du roi et le cœur des chefs seront éperdus; les sacrificateurs seront troublés, et les prophètes seront stupéfaits.
10 Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Efa nofitahinao tokoa ity firenena ity sy Jerosalema tamin’ ny nanaovanao hoe: Hisy fiadanana ho anareo; Kanjo mihatra amin’ ny aina ny sabatra.
Et je dis: Ah! Seigneur Éternel! Tu as donc véritablement abusé ce peuple et Jérusalem, en disant: Vous aurez la paix! et l'épée a pénétré jusqu'à l'âme.
11 Amin’ izany andro izany dia holazaina amin’ ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-efitra hankamin’ ny oloko zanakavavy, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.
En ce temps-là, il sera dit à ce peuple et à Jérusalem: Un vent brûlant souffle des lieux élevés du désert, sur le chemin de la fille de mon peuple; non pour vanner, ni pour nettoyer.
12 Dia ho tonga avy amiko izay rivotra mahery noho ireny; Ary ankehitriny Izaho kosa hifandahatra aminy.
Plus impétueux est le vent qui viendra de ma part. Maintenant je prononcerai mes jugements sur eux.
13 Indro, avy toy ny rahona izy, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, faingana noho ny voromahery ny soavaliny; Lozantsika! fa lany ringana isika.
Voici, il monte comme des nuées, et ses chars sont comme un tourbillon. Ses chevaux sont plus légers que les aigles. Malheur à nous, car nous sommes détruits!
14 Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin’ ny ratsy, mba hovonjena ianao! Mandra-pahoviana no hitoeran’ ny hevi-dratsinao ao am-ponao?
Jérusalem, purifie ton cœur du mal, afin que tu sois délivrée. Jusqu'à quand entretiendras-tu des pensées mauvaises au-dedans de toi?
15 Fa injany! misy feo manambara avy any Dana sy filazam-pahoriana avy amin’ ny tany havoan’ i Efraima,
Car une voix apporte des nouvelles de Dan; elle annonce l'affliction depuis la montagne d'Éphraïm.
16 Lazaonareo amin’ ny firenena, torio amin’ i Jerosalema hoe: Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra ka manakora hamely ny tanànan’ ny Joda.
Rappelez-le aux nations! Voici, publiez-le contre Jérusalem! Les assiégeants viennent d'un pays éloigné, et ils ont jeté leur cri contre les villes de Juda.
17 Manodidina azy ireo toy ny fanaon’ ny mpiandry saha, fa efa niodina tamiko izy, hoy Jehovah.
Ils se sont mis tout autour d'elle, comme ceux qui gardent un champ; car elle m'a été rebelle, dit l'Éternel.
18 Ny alehanao sy ny asanao no nahatonga izany taminao; Izany no faharatsianao, eny, mangidy izany sady mihatra amin’ ny ainao.
Ta conduite, tes actions t'ont préparé ces choses; c'est là le fruit de ta méchanceté; oui, cela est amer, cela pénètre jusqu'à ton cœur.
19 Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangìna aho; Fa ny feon’ anjomara sy ny akoran’ ady dia renao, ry fanahiko.
Mes entrailles! mes entrailles! Je sens de la douleur; le dedans de mon cœur, le cœur me bat. Je ne puis me taire! Car, ô mon âme! tu as entendu le son de la trompette, le cri du combat.
20 Fandravana mifanontona no ambara, rava ny tany rehetra; Rava tampoka ny laiko, eny, rava indray mipi-maso monja ny ambain-daiko.
Ruine sur ruine est annoncée; car tout le pays est détruit; mes tentes sont détruites tout d'un coup, mes pavillons en un moment!
21 Mandra-pahoviana re no mbola hijereko ny faneva sy handrenesako ny feon’ anjomara?
Jusqu'à quand verrai-je l'étendard, entendrai-je le bruit de la trompette?
22 Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; Zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; Raha ny hanao ratsy, dia hendry izy; Fa ny hanao soa kosa tsy fantany.
C'est que mon peuple est insensé. Ils ne me connaissent pas. Ce sont des enfants insensés, dépourvus d'intelligence. Ils sont habiles pour faire le mal; mais ils ne savent pas faire le bien.
23 Nojereko ny tany, ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy nanam-pahazavana izy;
Je regarde la terre, et voici elle est informe et vide; et les cieux, et leur lumière n'est plus.
24 Nojereko ny tendrombohitra, ka, indro, nihorohoro izy, ary ny havoana rehetra nihozongozona;
Je regarde les montagnes, et voici, elles chancellent, et toutes les collines sont ébranlées.
25 Nojereko, ka, indro, tsy nisy olona, ary ny voro-manidina rehetra efa nandositra;
Je regarde, et voici, il n'y a pas un seul homme, et tous les oiseaux des cieux ont fui.
26 Nojereko, ka, indro, ny saha mahavokatra aza efa tonga efitra, ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan’ i Jehovah, dia teo anoloan’ ny firehetan’ ny fahatezerany.
Je regarde, et voici, le Carmel est un désert, et toutes ses villes sont détruites, devant l'Éternel, devant l'ardeur de sa colère.
27 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy.
Car ainsi a dit l'Éternel: Tout le pays sera dévasté; quoique je ne fasse pas une destruction entière.
28 Noho izany dia hisaona ny tany, ary ho tonga mainty ny lanitra ambony, satria efa niteny izany Aho, sady efa nikasa izany ka tsy hanenina na hanatsoaka izany.
A cause de cela, la terre sera dans le deuil, et les cieux en haut seront noirs, parce que je l'ai dit, je l'ai résolu; je n'en reviendrai pas; je ne m'en repentirai point.
29 Noho ny fihorakoraky ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka dia efa mandositra avokoa ny tanàna rehetra; Mitsofoka any anatin’ ny kirihitrala sy mananika ny vatolampy izy; Lao avokoa ny tanàna rehetra, ka tsy misy mponina intsony ao.
Au bruit des cavaliers et des tireurs d'arc toutes les villes prennent la fuite; ils entrent dans les bois, montent sur les rochers; toutes les villes sont abandonnées, il n'y reste plus d'habitants.
30 Ary hanao ahoana ianao, ry ilay rava? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka volamena aza ianao, na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao, foana ny itadiavanao hahatsara tarehy anao; Hanifika anao ireo lehilahy tia anao, ka ny ainao aza no hotadiaviny.
Et toi, dévastée, que fais-tu? Quoique tu te revêtes de pourpre, que tu te pares d'ornements d'or, et que tu bordes tes yeux de fard, tu t'embellis en vain: tes amants t'ont méprisée; c'est ta vie qu'ils cherchent.
31 Fa efa nandre feo Aho tahaka ny vehivavy raha miteraka sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny matoany, dia ny feon’ i Ziona zanakavavy, izay misefosefo sady mamelatra ny tànany ka manao hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko azon’ ireo mpamono olona.
Car j'entends comme le cri d'une femme en travail, comme l'angoisse d'une femme à son premier enfantement; c'est le cri de la fille de Sion qui soupire, étendant les mains: “Ah! malheur à moi! car mon âme succombe sous les meurtriers! “

< Jeremia 4 >