< Jeremia 37 >

1 Ary Zedekia mpanjaka, zanak’ i Josia, dia nanjaka nandimby an’ i Jekonia, zanak’ i Joiakima, fa nampanjakain’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tao amin’ ny tanin’ ny Joda izy;
Sédécias, fils de Josias, régna à la place de Chonia, fils de Jéhojakim, et fut établi roi sur le pays de Juda, par Nébucadnetsar, roi de Babylone.
2 nefa na izy, na ny mpanompony, na ny vahoaka, dia samy tsy nihaino ny tenin’ i Jehovah, izay nampilazainy an’ i Jeremia mpaminany.
Mais ni lui, ni ses serviteurs, ni le peuple du pays n'écoutèrent les paroles que l'Éternel avait prononcées par Jérémie, le prophète.
3 Ary Zedekia mpanjaka naniraka an’ i Jehokala, zanak’ i Selemia, sy Zefania, zanak’ i Mahaseia, mpisorona, ho any amin’ i Jeremia mpaminany hanao hoe: Mba ivavaho amin’ i Jehovah Andriamanitsika re izahay.
Toutefois le roi Sédécias envoya Jéhucal, fils de Shélémia, et Sophonie, fils de Maaséja, le sacrificateur, vers Jérémie, le prophète, pour lui dire: Intercède pour nous auprès de l'Éternel, notre Dieu.
4 Ary Jeremia mbola niditra sy nivoaka teo amin’ ny olona ihany; fa tsy mbola nataony tao an-trano-maizina izy.
Or Jérémie allait et venait parmi le peuple, et on ne l'avait pas encore mis en prison.
5 Ary efa niainga avy tany Egypta ny miaramilan’ i Farao, ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao fahirano an’ i Jerosalema, dia niala tany Jerosalema izy.
L'armée de Pharaon était sortie d'Égypte, et les Caldéens qui assiégeaient Jérusalem, ayant appris cette nouvelle, s'étaient éloignés de Jérusalem.
6 Dia tonga tamin’ i Jeremia mpaminany ny tenin’ i Jehovah hoe:
Alors la parole de l'Éternel fut adressée à Jérémie, le prophète, en ces mots:
7 Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no lazaonareo amin’ ny mpanjakan’ ny Joda, izay naniraka anareo hankatỳ amiko hanontany amiko: Indro, ny miaramilan’ i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Egypta taniny;
Ainsi a dit l'Éternel, le Dieu d'Israël: Vous direz ainsi au roi de Juda, qui vous a envoyés vers moi pour me consulter: Voici, l'armée de Pharaon, qui est sortie à votre secours, va retourner chez elle, en Égypte.
8 fa ho avy indray ny Kaldeana ka hamely ity tanana ity sady hanafaka azy sy handoro azy amin’ ny afo.
Et les Caldéens reviendront assiéger cette ville, et la prendront, et la brûleront par le feu.
9 Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mamita-tena foana ianareo ka manao hoe: Hiala amintsika tokoa ny Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory.
Ainsi a dit l'Éternel: Ne vous abusez point vous-mêmes, en disant: “Les Caldéens s'en iront loin de nous; “car ils ne s'en iront point.
10 Fa na dia mamely ny miaramilan’ ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza ianareo, ka izay voalefona no ho sisa velona, ireo aza dia samy hitsangana avy ao anaty lainy ka handoro ity tanàna ity amin’ ny afo.
Et même quand vous auriez défait toute l'armée des Caldéens qui combattent contre vous, et quand il n'en resterait que des blessés, ils se relèveraient chacun dans sa tente, et brûleraient cette ville par le feu.
11 Ary raha niala tany Jerosalema ny miaramilan’ ny Kaldeana noho ny amin’ ny miaramilan’ i Farao,
Or, quand l'armée des Caldéens se fut retirée de devant Jérusalem, à cause de l'armée de Pharaon,
12 dia nivoaka Jeremia avy tao Jerosalema hankany amin’ ny tanin’ ny Benjamina mba handray izay anjarany eo amin’ ny vahoaka.
Il arriva que Jérémie sortit pour s'en aller de Jérusalem au pays de Benjamin, en se glissant de là parmi le peuple.
13 Ary raha tonga teo am-bavahadin’ i Benjamina izy, dia, indro, ny kapitenin’ ny mpiambina, atao hoe Jiria, zanak’ i Selemia, zanak’ i Hanania, no teo; dia nisambotra an’ i Jeremia mpaminany izy ka nanao hoe: Miray tetika amin’ ny Kaldeana ianao.
Mais lorsqu'il fut à la porte de Benjamin, il se trouva là un capitaine de la garde, nommé Jiréija, fils de Shélémia, fils de Hanania, qui saisit Jérémie, le prophète, en disant: Tu passes aux Caldéens!
14 Fa hoy Jeremia: Lainga izany. Tsy miray tetika amin’ ny Kaldeana aho. Nefa tsy nino azy ireo, ka dia nosamborin’ i Jiria ihany Jeremia ary nentiny ho ao amin’ ny mpanapaka.
Et Jérémie répondit: C'est faux! Je ne passe point aux Caldéens. Mais il ne l'écouta pas. Jiréija saisit donc Jérémie, et l'emmena vers les chefs.
15 Ary tezitra tamin’ i Jeremia ny mpanapaka ka nikapoka azy, dia nandatsaka azy tao an-trano-maizina tao amin’ ny tranon’ i Jonatana mpanoratra; fa izany no nataony trano-maizina.
Alors les chefs s'emportèrent contre Jérémie, le frappèrent et le mirent en prison dans la maison de Jéhonathan, le secrétaire; car ils en avaient fait une prison.
16 Ary nony tafiditra tao an-trano-maizina, tao amin’ ilay niefitrefitra, Jeremia, ka efa nitoetra tao andro maro,
Ce fut ainsi que Jérémie entra dans la basse-fosse et dans les cachots. Et Jérémie y demeura longtemps.
17 dia naniraka haka azy Zedekia mpanjaka; ary ny mpanjaka nanontany azy mangingina tao an-tranony nanao hoe: Moa misy teny avy tamin’ i Jehovah tokoa va? Dia hoy Jeremia: Eny, misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ianao.
Mais le roi Sédécias l'envoya chercher, et l'interrogea en secret dans sa maison, et lui dit: Y a-t-il quelque parole de la part de l'Éternel? Et Jérémie répondit: Il y en a une; et lui dit: Tu seras livré entre les mains du roi de Babylone.
18 Ary hoy koa Jeremia tamin’ i Zedekia mpanjaka: Inona no ratsy nataoko taminao, na tamin’ ny mpanomponao, na tamin’ ity firenena ity, no dia nataonareo tao an-trano-maizina aho?
Puis Jérémie dit au roi Sédécias: En quoi ai-je péché contre toi, contre tes serviteurs, et contre ce peuple, que vous m'ayez mis en prison?
19 Aiza moa ireo mpaminaninareo, izay naminany taminareo hoe: Tsy ho avy hiady aminareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan’ i Babylona?
Et où sont vos prophètes qui vous prophétisaient, en disant: Le roi de Babylone ne viendra pas contre vous, ni contre ce pays?
20 Koa trarantitra ianao, ry tompokolahy mpanjaka, henoy kely ange! aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonako, ka aza averina ho ao amin’ ny tranon’ i Jonatana mpanoratra aho, fandrao dia maty ao.
Or maintenant écoute, je te prie, ô roi, mon seigneur, et que ma supplication soit favorablement reçue de toi! Ne me renvoie point dans la maison de Jéhonathan, le secrétaire, de peur que je n'y meure.
21 Dia nasain’ i Zedekia mpanjaka nataony teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana Jeremia, ka nasainy nomena mofo iray isan’ andro isan’ andro avy any amin’ ny fitoeran’ ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin’ ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran’ i Jeremia teo amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana.
Alors le roi Sédécias commanda qu'on gardât Jérémie dans la cour de la prison, et qu'on lui donnât chaque jour un pain de la rue des boulangers, jusqu'à ce que tout le pain de la ville fût consommé. Ainsi Jérémie demeura dans la cour de la prison.

< Jeremia 37 >