< Jeremia 33 >

1 Ary tonga fanindroany tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah, raha mbola voahazona teo an-kianjan’ ny trano fiambenana ihany izy, nanao hoe:
Or la parole de l'Éternel fut adressée à Jérémie une seconde fois, en ces mots, quand il était encore enfermé dans la cour de la prison:
2 Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanao izany, dia Jehovah Izay namorona izany mba hampitoetra azy; Jehovah no anarany;
Ainsi a dit l'Éternel qui va faire ceci, l'Éternel qui le conçoit pour l'exécuter, celui dont le nom est l'Éternel:
3 Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
Crie vers moi, et je te répondrai, et je te déclarerai des choses grandes et cachées que tu ne connais pas.
4 Fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin’ ny trano amin’ ity tanàna ity sy ny amin’ ny lapan’ ny mpanjakan’ ny Joda, izay noravana noho ny tovon-tany sy ny sabatra,
Car ainsi a dit l'Éternel, le Dieu d'Israël, touchant les maisons de cette ville et les maisons des rois de Juda, qui seront renversées par les terrasses et par l'épée,
5 Raha mandroso hiady amin’ ny Kaldeana izy ka mameno ny trano amin’ ny fatin’ olona, izay novonoiko tamin’ ny fahatezerako sy ny fahavinirako, sady nanafenako ny tavako tamin’ ity tanàna ity noho ny faharatsiany rehetra:
Quand on ira combattre les Caldéens et qu'elles seront remplies des cadavres des hommes que je frapperai dans ma colère et dans ma fureur, et à cause de toute la méchanceté desquels je cacherai ma face à cette ville:
6 Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren’ ny fiadanana sy ny fahamarinana.
Voici, je leur donnerai la guérison et la santé; je les guérirai, je leur découvrirai une abondance de paix et de vérité;
7 Ary ny Joda sy ny Isiraely dia hampodiko avy amin’ ny fahababoany, ka haoriko ho toy ny taloha izy.
Je ramènerai les captifs de Juda et les captifs d'Israël; et je les rétablirai comme auparavant.
8 Ary hodioviko ho afaka amin’ ny helony rehetra izy, izay nanotany tamiko; Ka havelako ny helony rehetra, izay nanotany sy niodinany tamiko.
Et je les nettoierai de toute iniquité qu'ils ont commise contre moi; je pardonnerai toutes les iniquités par lesquelles ils ont péché et se sont révoltés contre moi.
9 Ary ho anarana mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, izay handre ny soa rehetra ataoko aminy; Dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy.
Et ce sera pour moi un renom plein de joie, de louange et de gloire, auprès de toutes les nations de la terre, qui apprendront tout le bien que je vais leur faire, et seront effrayées et épouvantées de toute la prospérité et de tout le bonheur que je vais leur donner.
10 Izao no lazain’ i Jehovah: Mbola ho re indray eto amin’ ity tany ity, izay ataonareo hoe Rava, ka tsy misy olona na biby fiompy intsony dia eto amin’ ny tanànan’ ny Joda sy ao amin’ ny lalamben’ i Jerosalema izay efa lao, ka tsy misy olona na mponina na biby fiompy
Ainsi a dit l'Éternel: Dans ce lieu duquel vous dites: Il est désert, il n'y a ni hommes, ni bêtes; dans les villes de Juda et dans les rues de Jérusalem, qui sont désolées, privées d'hommes, d'habitants et de bêtes,
11 Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina ary ny feon’ izay manao hoe: Miderà an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon’ i Jehovah; Fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany, hoy Jehovah.
On entendra encore la voix de joie et la voix d'allégresse, la voix de l'époux et la voix de l'épouse, la voix de ceux qui diront: “Célébrez l'Éternel des armées, car l'Éternel est bon, car sa miséricorde demeure à toujours! “et qui apporteront des sacrifices d'actions de grâces à la maison de l'Éternel. Car je ramènerai les captifs du pays, et je les rétablirai comme auparavant, a dit l'Éternel.
12 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Eto amin’ ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin’ ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan’ ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman’ osiny,
Ainsi a dit l'Éternel des armées: Dans ce lieu qui est désert, sans homme ni bête, et dans toutes ses villes, il y aura des demeures pour les bergers, qui y feront reposer leurs troupeaux.
13 Dia amin’ ny tanàna any amin’ ny tany havoana sy amin’ ny tanàna any amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka, ary amin’ ny tanana any amin’ ny tany atsimo sy amin’ ny tanin’ ny Benjamina sy amin’ ny manodidina an’ i Jerosalema ary amin’ ny tanànan’ ny Joda, ary ny ondry aman’ osy mbola handroso araka ny fitondran’ ny mpanisa azy, hoy Jehovah.
Dans les villes de la montagne, dans les villes de la plaine, dans les villes du midi, dans le pays de Benjamin, aux environs de Jérusalem et dans les villes de Juda, les troupeaux passeront encore sous les mains de celui qui les compte, a dit l'Éternel.
14 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanatanterahako ny teny soa, izay nolazaiko ny amin’ ny aranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda.
Voici, les jours viennent, dit l'Éternel, où j'accomplirai la bonne parole que j'ai prononcée sur la maison d'Israël et sur la maison de Juda.
15 Amin’ izany andro izany sy amin’ izany fotoana izany dia hampaniry Rantsana marina ho an’ i Davida Aho; Ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ ny tany Izy.
En ces jours et en ce temps-là, je ferai germer à David un germe de justice, qui fera droit et justice dans le pays.
16 Amin’ izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana azy: Jehovah Fahamarinantsika.
En ces jours-là Juda sera sauvé, et Jérusalem habitera en assurance, et voici comment on l'appellera: L'Éternel notre justice.
17 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Davida tsy ho diso zanakalahy Hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny taranak’ Isiraely;
Car voici, a dit l'Éternel: David ne manquera jamais d'un homme assis sur le trône de la maison d'Israël;
18 Ary ny Levita mpisorona tsy ho diso zanakalahy ho eo anatrehako, Mba hanaterany mandrakariva fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary fanatitra hafa alatsa-drà.
Et les sacrificateurs lévites ne manqueront jamais devant moi d'un homme qui présente des holocaustes, et qui fasse fumer l'oblation, et qui offre des sacrifices tous les jours.
19 Ary tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
La parole de l'Éternel fut encore adressée à Jérémie, en ces termes:
20 Izao no lazain’ i Jehovah: Raha mahafoana ny fanekeko ny amin’ ny andro sy ny fanekeko ny amin’ ny alina ianareo, mba tsy hisy andro sy alina amin’ ny fotoany,
Ainsi a dit l'Éternel: Si vous pouvez rompre mon alliance avec le jour et mon alliance avec la nuit, en sorte que le jour et la nuit ne soient plus en leur temps,
21 Dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin’ i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin’ ny seza fiandrianany, sy ny amin’ ny Levita mpisorona, mpanompoko.
Alors aussi sera rompue mon alliance avec David, mon serviteur, en sorte qu'il n'ait point de fils qui règne sur son trône, ainsi que mon alliance avec les lévites, les sacrificateurs, qui font mon service.
22 Toy ny hamaroan’ ny kintana eny amin’ ny lanitra, izay tsy azo isaina, ary toy ny fasika any amin’ ny ranomasina, izay tsy azo afàtra, dia toy izany no hanamaroako ny taranak’ i Davida mpanompoko sy ny Levita, izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy.
Comme on ne peut compter l'armée des cieux, ni mesurer le sable de la mer, ainsi je multiplierai la postérité de David, mon serviteur, et les Lévites qui font mon service.
23 Ary tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
La parole de l'Éternel fut aussi adressée à Jérémie, en ces mots:
24 Tsy hitanao va izay nolazain’ ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin’ i Jehovah dia efa nariany; Toy izany no anamavoany ny oloko, ka dia tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy.
N'as-tu pas vu quel langage tient ce peuple, en disant: Les deux familles que l'Éternel avait élues, il les a rejetées? Ainsi ils méprisent mon peuple, de sorte qu'à leurs yeux il ne serait plus une nation.
25 Izao no lazain’ i Jehovah: Raha tsy amin’ ny andro sy ny alina ny fanekeko, ary raha tsy notendreko ny lalàna fitondrana ny lanitra sy ny tany,
Ainsi a dit l'Éternel: Si je n'ai pas fait mon alliance avec le jour et la nuit, et si je n'ai pas établi les lois des cieux et de la terre,
26 Dia hariako ny taranak’ i Jakoba sy Davida mpanompoko, ka ny taranany tsy mba hanalako ho mpanapaka ny taranak’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; Fa hampodiko avy amin’ ny fahababoana izy ka hamindrako fo.
Je rejetterai aussi la postérité de Jacob et de David, mon serviteur, pour ne plus prendre de sa postérité ceux qui domineront sur la postérité d'Abraham, d'Isaac et de Jacob. Car je ramènerai leurs captifs, et j'aurai compassion d'eux.

< Jeremia 33 >