< Jeremia 25 >

1 Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia ny amin’ ny Joda rehetra tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda dia ny taona voalohany nanjakan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona
La parole qui fut adressée à Jérémie, pour tout le peuple de Juda, la quatrième année de Jéhojakim, fils de Josias, roi de Juda (c'était la première année de Nébucadnetsar, roi de Babylone),
2 dia izay nolazain’ i Jeremia mpaminany tamin’ ny Joda rehetra sy tamin’ ny mponina rehetra tany Jerosalema hoe:
Et que Jérémie, le prophète, prononça devant tout le peuple de Juda et tous les habitants de Jérusalem, en disant:
3 Hatramin’ ny taona fahatelo ambin’ ny folo nanjakan’ i Josia, zanak’ i Amona, mpanjakan’ ny Joda, ka mandraka androany, dia mandritra ny telo amby roa-polo taona izao, no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha maraina koa aho ka nilaza; nefa tsy nihaino ianareo.
Depuis la treizième année de Josias, fils d'Amon, roi de Juda, jusqu'à ce jour, il y a vingt-trois ans que la parole de l'Éternel m'a été adressée, et je vous ai parlé, parlé dès le matin; mais vous n'avez point écouté.
4 Ary Jehovah naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe:
Et l'Éternel vous a envoyé tous ses serviteurs, les prophètes; il les a envoyés dès le matin; mais vous n'avez point écouté, vous n'avez point prêté l'oreille pour écouter,
5 Samia miala amin’ ny lalan-dratsinareo avy ianareo sy amin’ ny ratsy fanaonareo, ka dia honina any amin’ ny tany izay nomen’ i Jehovah anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay.
Lorsqu'ils disaient: Détournez-vous chacun de votre mauvaise voie et de la malice de vos actions, et vous habiterez de siècle en siècle sur la terre que l'Éternel vous a donnée, à vous et à vos pères;
6 Ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra Ahy amin’ ny asan’ ny tananareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho.
Et n'allez pas après d'autres dieux, pour les servir et vous prosterner devant eux; ne m'irritez pas par l'œuvre de vos mains, et je ne vous ferai aucun mal.
7 Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy Jehovah, mba hampahatezeranareo Ahy tamin’ ny asan’ ny tananareo hahitanareo loza.
Mais vous ne m'avez point écouté, dit l'Éternel; en sorte que vous m'avez irrité par l'œuvre de vos mains, pour votre malheur.
8 Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko,
C'est pourquoi, ainsi a dit l'Éternel des armées: Parce que vous n'avez pas écouté mes paroles,
9 dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity lany ity sy ny mponina eto mbamin’ ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.
Voici, j'enverrai, et je prendrai tous les peuples du Nord, dit l'Éternel, et j'enverrai vers Nébucadnetsar, roi de Babylone, mon serviteur; et je les ferai venir contre ce pays, et contre ses habitants, et contre toutes ces nations d'alentour, et je les vouerai à l'interdit, et j'en ferai un objet de désolation, de moquerie, des déserts éternels.
10 Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina, ny feon’ ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan’ ny jiro.
Et je ferai cesser parmi eux la voix de joie et la voix d'allégresse, la voix de l'époux et la voix de l'épouse, le bruit des meules et la lumière des lampes.
11 Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan’ i Babylona fito-polo taona.
Et tout ce pays sera une ruine, un désert; et ces nations seront asservies au roi de Babylone pendant soixante et dix ans.
12 Ary rehefa tapitra ny fito-polo taona, hoy Jehovah, dia hovaliako kosa ny mpanjakan’ i Babylona sy izany firenena izany noho ny helony, ary ny tanin’ ny Kaldeana koa dia hataoko rava mandrakizay.
Et il arrivera, quand les soixante et dix ans seront accomplis, que je punirai le roi de Babylone et cette nation, dit l'Éternel, à cause de leurs iniquités; je punirai le pays des Caldéens, je les réduirai en des désolations éternelles.
13 Ary hotoviko amin’ izany tany izany ny teniko rehetra, izay efa nambarako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra ato amin’ ity boky ity, izay novinanin’ i Jeremia hamely ny firenena rehetra.
Et j'exécuterai sur ce pays toutes ces paroles que j'ai prononcées contre lui, tout ce qui est écrit dans ce livre, ce que Jérémie a prophétisé contre toutes ces nations.
14 Fa ireo kosa indray dia hampanompoin’ ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe, ary hovaliako araka ny ataony sy araka ny asan’ ny tànany avy izy.
Car des nations puissantes et de grands rois les asserviront, eux aussi, et je leur rendrai suivant leurs actions et suivant l'œuvre de leurs mains.
15 Fa izao no nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamiko: Raiso etỳ an-tanako ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao.
Car ainsi m'a dit l'Éternel, le Dieu d'Israël: Prends de ma main cette coupe du vin de la colère, et fais-la boire à tous les peuples auxquels je t'envoie.
16 Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.
Ils boiront, ils chancelleront, et deviendront comme insensés, à cause de l'épée que j'enverrai parmi eux.
17 Dia noraisiko ny kapoaka teny an-tànan’ i Jehovah, ka nampisotroako ny firenena rehetra izay nanirahan’ i Jehovah ahy,
Je pris donc la coupe de la main de l'Éternel, et je la fis boire à toutes les nations auxquelles l'Éternel m'envoyait
18 dia Jerosalema sy ny tanànan’ ny Joda sy ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hanao azy ho tany lao sy ho figagana sy zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin’ izao anio izao;
A Jérusalem et aux villes de Juda, à ses rois, à ses princes, pour les livrer à la ruine, à la désolation, à la moquerie et à la malédiction, comme on le voit aujourd'hui;
19 ary Farao, mpanjakan’ i Egypta, sy ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin’ ny vahoakany rehetra,
A Pharaon, roi d'Égypte, à ses serviteurs, à ses princes et à tout son peuple;
20 ary ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany Oza sy ny mpanjaka rehetra amin’ ny tanin’ ny Filistina sy Askelona sy Gaza sy Ekrona ary ny sisa any Asdoda;
A tout le mélange des peuples d'Arabie, à tous les rois du pays d'Uts; à tous les rois du pays des Philistins: à Askélon, à Gaza, à Ékron, et au reste d'Asdod;
21 ary Edoma sy Moaba sy ny taranak’ i Amona,
A Édom, à Moab, et aux enfants d'Ammon;
22 ary ny mpanjaka rehetra any Tyro sy ny mpanjaka rehetra any Sidona ary ny mpanjakan’ ny nosy any an-dafin’ ny ranomasina;
A tous les rois de Tyr, à tous les rois de Sidon, et aux rois des côtes qui sont au delà de la mer;
23 ary Dedana sy Tema sy Boza ary izay rehetra voahety sisim-bolo,
A Dédan, à Théma, à Buz, et à tous ceux qui se rasent les coins de la chevelure;
24 ary ny mpanjaka rehetra any Arabia sy ny mpanjaka rehetra amin’ ny firenena maro samy hafa izay monina any an-efitra;
A tous les rois d'Arabie, et à tous les rois du mélange de nations qui habitent au désert;
25 ary ny mpanjaka rehetra any Zimry sy ny mpanjaka rehetra any Elama ary ny mpanjaka rehetra any Media,
A tous les rois de Zimri, à tous les rois d'Élam, et à tous les rois de Médie,
26 ary ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny fanjakana rehetra amin’ izao tontolo izao, izay etỳ ambonin’ ny tany; ary ny mpanjakan’ i Sesaka koa dia hisotro manaraka ireo.
A tous les rois du Nord, tant proches qu'éloignés, l'un après l'autre, et à tous les royaumes du monde qui sont sur la face de la terre; et le roi de Shéshac boira après eux.
27 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro. Andriamanitry ny Isiraely: Misotroa ianareo, ka mimamoa, sy mandoava, ary mianjerà, ka aza miarina intsony noho ny sabatra izay hampameleziko anareo.
Et tu leur diras: Ainsi a dit l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Buvez et soyez enivrés, et vomissez, et tombez sans vous relever, à cause de l'épée que j'enverrai parmi vous!
28 Ary raha tsy mety mandray ny kapoaka eny an-tananao hosotroiny izy, dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Tsy maintsy misotro ianareo.
Que s'ils refusent de prendre la coupe de ta main pour boire, tu leur diras: Ainsi a dit l'Éternel des armées: Vous en boirez certainement!
29 Fa, indro, ao amin’ ny tanàna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny fahatongavana loza, ka ho afaka va ianareo? Tsy ho afaka mihitsy ianareo, fa hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin’ ny tany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Car voici, c'est par la ville sur laquelle mon nom est invoqué que je commence à faire du mal, - et vous, vous en seriez exempts! Vous n'en serez point exempts; car je vais appeler l'épée sur tous les habitants de la terre, dit l'Éternel des armées.
30 Koa maminania aminy ianao araka izao teny rehetra izao, ka ataovy hoe: Jehovah hierona any ambony ary hanandratra ny feony any amin’ ny fitoerany masìna, eny, hierona mafy amin’ ny sahany fiandrasan-ondry Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, hamelezana ny mponina rehetra amin’ ny tany.
Et toi, tu leur prophétiseras toutes ces choses, et tu leur diras: L'Éternel rugira d'en haut; il fera entendre sa voix de sa demeure sainte; il rugira contre son habitation; il poussera des cris, comme ceux qui foulent au pressoir, contre tous les habitants de la terre.
31 Mihatra amin’ ny faran’ ny tany ny fihorakorahana; Fa Jehovah manana ady amin’ ny firenena; Mifandahatra amin’ ny nofo rehetra Izy, ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an’ ny sabatra, hoy Jehovah.
Le retentissement en parvient jusqu'au bout de la terre; car l'Éternel est en procès avec les nations, il entre en jugement contre toute chair; il livre les méchants à l'épée, a dit l'Éternel.
32 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samy hafa, ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka any amin’ ny faran’ ny tany;
Ainsi a dit l'Éternel des armées: Voici, le mal va passer de peuple à peuple, et une grande tempête se lève de l'extrémité de la terre.
33 Ary amin’ izany andro izany Ny voavonon’ i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin’ ny faran’ ny tany anankiray ka hatramin’ ny farany koa; Tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ ny tany.
Ceux que l'Éternel tuera en ce jour-là seront étendus d'un bout de la terre à l'autre bout; ils ne seront ni pleurés, ni recueillis, ni ensevelis; ils seront comme du fumier sur la terre!
34 Midradradradrà, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraina; Eny, mihosinkosena, ianareo zokiny amin’ ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo, ary hampieleziko ianareo ka hianjera toy ny fanaka tsara.
Gémissez, pasteurs, et criez! Roulez-vous dans la poussière, conducteurs du troupeau! Car les jours où vous devez être égorgés sont venus; je vais vous disperser, et vous tomberez comme un vase de prix.
35 Ny mpiandry ondry tsy hanam-pandosirana, ary ny zokiny amin’ ny ondry tsy hanam-pahafahana.
Et les bergers n'auront aucun moyen de fuir, ni les conducteurs du troupeau d'échapper.
36 Injany! misy feo fitarainan’ ny mpiandry ondry sy fidradradradran’ ny zokiny aminy! Satria efa nosimban’ i Jehovah ny saha fiandrasana azy,
On entend le cri des bergers, et le gémissement des conducteurs du troupeau; car l'Éternel dévaste leurs pâturages,
37 Ary efa tonga lao ny kijana niadanana noho ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah.
Et les demeures paisibles sont ravagées, à cause de l'ardeur de la colère de l'Éternel.
38 Nandao ny fiereny toy ny liona tanora izy; Fa efa lao ny taniny noho ny fahasiahan’ ny mpampahory sy noho ny firehetan’ ny fahatezerany.
Il a abandonné sa demeure comme un lionceau son repaire; car leur pays est mis en désolation, à cause de la fureur du destructeur, à cause de l'ardeur de sa colère.

< Jeremia 25 >