< Jeremia 13 >

1 Izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Andeha mividy fehin-kibo rongony ho anao, ka ifehezo ny kibonao, fa aza atao anaty rano.
耶和華對我如此說:「你去買一根麻布帶子束腰,不可放在水中。」
2 Dia nividy fehin-kibo aho araka ny tenin’ i Jehovah ka nifehezako ny kiboko.
我就照着耶和華的話,買了一根帶子束腰。
3 Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin’ i Jehovah hoe:
耶和華的話第二次臨到我說:
4 Ento ny fehin-kibo izay novidinao, dia ilay ifehezanao ny kibonao, ka mitsangana, mankanesa any Eofrata, ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izy.
「要拿着你所買的腰帶,就是你腰上的帶子,起來往幼發拉底河去,將腰帶藏在那裏的磐石穴中。」
5 Ka dia nandeha aho, ary nafeniko tao amoron’ i Eofrata izy, araka ny nandidian’ i Jehovah ahy.
我就去,照着耶和華所吩咐我的,將腰帶藏在幼發拉底河邊。
6 Ary nony afaka andro maro, dia hoy Jehovah tamiko: Mitsangana, ka mankanesa any Eofrata, ary alao any ny fehin-kibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany.
過了多日,耶和華對我說:「你起來往幼發拉底河去,將我吩咐你藏在那裏的腰帶取出來。」
7 Dia nankany Eofrata aho ka nihady, ary nalaiko tao amin’ ny fitoerana nanafenako azy ilay fehin-kibo; kanjo, indro, simba ny fehin-kibo ka tsy azo natao na inona na inona intsony.
我就往幼發拉底河去,將腰帶從我所藏的地方刨出來,見腰帶已經變壞,毫無用了。
8 Dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:
耶和華的話臨到我說:
9 Izao no lazain’ i Jehovah: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon’ ny Joda sy ny haben’ ny avonavon’ i Jerosalema.
「耶和華如此說:我必照樣敗壞猶大的驕傲和耶路撒冷的大驕傲。
10 Ity firenena ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin’ ny ditry ny fony ka manaraka andriamani-kafa mba hotompoiny sy hiankohofany, dia ho tahaka ity fehin-kibo ity, izay tsy azo atao na inona na inona intsony.
這惡民不肯聽我的話,按自己頑梗的心而行,隨從別神,事奉敬拜,他們也必像這腰帶變為無用。」
11 Fa toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin’ ny valahan’ ny olona no nampiraiketako ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda rehetra tamiko, hoy Jehovah, mba ho olona sy anarana sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny Kanjo tsy nety nihaino izy.
耶和華說:「腰帶怎樣緊貼人腰,照樣,我也使以色列全家和猶大全家緊貼我,好叫他們屬我為子民,使我得名聲,得頌讚,得榮耀;他們卻不肯聽。」
12 Ary izao teny izao dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra?
「所以你要對他們說:『耶和華-以色列的上帝如此說:各罈都要盛滿了酒。』他們必對你說:『我們豈不確知各罈都要盛滿了酒呢?』
13 Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hataoko leony ny mponina rehetra amin’ ity tany ity, dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, sy ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.
你就要對他們說:『耶和華如此說:我必使這地的一切居民,就是坐大衛寶座的君王和祭司,與先知,並耶路撒冷的一切居民,都酩酊大醉。』」
14 Ary hampifamohiko izy, dia ny ray mbamin’ ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy.
耶和華說:「我要使他們彼此相碰,就是父與子彼此相碰;我必不可憐,不顧惜,不憐憫,以致滅絕他們。」
15 Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny.
你們當聽,當側耳而聽。 不要驕傲,因為耶和華已經說了。
16 Manomeza voninahitra an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin’ ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito.
耶和華-你們的上帝未使黑暗來到, 你們的腳未在昏暗山上絆跌之先, 當將榮耀歸給他; 免得你們盼望光明, 他使光明變為死蔭, 成為幽暗。
17 Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin’ ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin’ i Jehovah.
你們若不聽這話, 我必因你們的驕傲在暗地哭泣; 我眼必痛哭流淚, 因為耶和華的群眾被擄去了。
18 Lazao amin’ ny andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin’ ny tany; Fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo, dia ny satro-boninahitrareo tsara tarehy.
你要對君王和太后說: 你們當自卑,坐在下邊; 因你們的頭巾, 就是你們的華冠,已經脫落了。
19 Voarindrina ny tanàna any amin’ ny tany atsimo, ka tsy misy mamoha; Lasan-ko babo Joda, eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra.
南方的城盡都關閉, 無人開放; 猶大全被擄掠, 且擄掠淨盡。
20 Atopazy ny masonareo, ka tazano izay avy any avaratra; Aiza ny ondry andiany izay nomena anao, dia ny ondrinao tsara tarehy?
你們要舉目觀看從北方來的人。 先前賜給你的群眾, 就是你佳美的群眾, 如今在哪裏呢?
21 Ahoana re no holazainao, raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, fa ianao ihany no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka?
耶和華立你自己所交的朋友為首,轄制你, 那時你還有甚麼話說呢? 痛苦豈不將你抓住像產難的婦人嗎?
22 Ary raha manao anakampo ianao hoe: ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben’ ny helokao no nampiaingana ny moron-tongotr’ akanjonao sy nandratrana ny ombelahin-tongotrao.
你若心裏說:這一切事為何臨到我呢? 你的衣襟揭起, 你的腳跟受傷, 是因你的罪孽甚多。
23 Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, ary ny leoparda va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa ianareo izay efa zatra nanao ratsy.
古實人豈能改變皮膚呢? 豹豈能改變斑點呢? 若能,你們這習慣行惡的便能行善了。
24 Koa dia haeliko izy toy ny vodivary indaosin’ ny rivotra avy any an-efitra.
所以我必用曠野的風吹散他們, 像吹過的碎詡一樣。
25 Izany no lokanao, dia anjara voarefy ho anao, hoy Jehovah, Satria nanadino Ahy ianao ka nitoky tamin’ ny lainga.
耶和華說:這是你所當得的, 是我量給你的分; 因為你忘記我, 倚靠虛假。
26 Ary Izaho kosa dia hampiainga ny moron-tongotr’ akanjonao ho eny amin’ ny tavanao, mba hisehoan’ ny henatrao.
所以我要揭起你的衣襟, 蒙在你臉上, 顯出你的醜陋。
27 Ny fijangajanganao sy ny fanenonao, ny fahavetavetan’ ny fijejojejoanao any amin’ ny havoana any an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao?
你那些可憎惡之事- 就是在田野的山上行姦淫, 發嘶聲,做淫亂的事- 我都看見了。 耶路撒冷啊,你有禍了! 你不肯潔淨,還要到幾時呢?

< Jeremia 13 >