< Isaia 8 >

1 Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: “Ho an’ i Mahera-salala-hasi-baza.”
ヱホバ我にいひたまひけるは一の大なる牌をとりそのうへに平常の文字にてマヘル シャラル ハシ バズと録せ
2 Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin’ i Jeberekia.
われ信實の證者なる祭司ウリヤおよびエベレキヤの子ゼカリヤをもてその證をなさしむ
3 Ary nankany amin’ ny mpaminanivavy, aho; dia nanan’ anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.
われ預言者の妻にちかづきしとき彼はらみて子をうみければ ヱホバ我にいひたまはく その名をマヘル シャラル ハシ バズと稱へよ
4 Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan’ ny mpanjakan’ i Asyria ny haren’ i Damaskosy sy ny fananan’ i Samaria.
そはこの子いまだ我が父わが母とよぶことを知らざるうちにダマスコの富とサマリヤの財寳はうばはれてアツスリヤ王のまへに到るべければなり
5 Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray hoe:
ヱホバまた重て我につげたまへり云く
6 Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak’ i Remalia,
この民はゆるやかに流るるシロアの水をすててレヂンとレマリヤの子とをよろこぶ
7 Dia, indro, hampiakarin’ ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin’ ny Ony (Dia ny mpanjakan’ i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany;
此によりて主はいきほひ猛くみなぎりわたる大河の水をかれらのうヘに堰入たまはん 是はアツスリヤ王とそのもろもろの威勢とにして 百の支流にはびこりもろもろの岸をこえ
8 Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin’ ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.
ユダにながれいり溢れひろごりてその項にまで及ばん インマヌエルよそののぶる翼はあまねくなんぢの地にみちわたらん
9 Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.
もろもろの民よさばめき騒げなんぢら摧かるべし 遠きくにぐにの者よきけ腰におびせよ汝等くだかるべし 腰に帯せよなんぢら摧かるべし
10 Makà saina ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra.
なんぢら互にはかれつひに徒勞ならん なんぢら言をいだせ遂におこなはれじ そは神われらとともに在せばなり
11 Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin’ ny falehan’ ity firenena ity aho:
ヱホバつよき手をもて此如われに示しこの民の路にあゆまざらんことを我にさとして言給はく
12 Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain’ ity firenena ity ho tetika fikomiana; Ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra ianareo.
此民のすべて叛逆ととなふるところの者をなんぢら叛逆ととなふるなかれ 彼等のおそるるところを汝等おそるるなかれ慴くなかれ
13 Jehovah, Tompon’ ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo.
なんぢらはただ萬軍のヱホバを聖としてこれを畏みこれを恐るべし
14 Dia ho fitoerana masìna ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin’ ny firenena roa amin’ ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin’ ny mponina any Jerosalema.
然らばヱホバはきよき避所となりたまはん 然どイスラエルの兩の家には躓く石となり妨ぐる磐とならん ヱルサレムの民には網罟となり機濫とならん
15 Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana Ary ho voafandrika sy ho voasambotra.
おほくの人々これによりて蹶きかつ仆れやぶれ網せられまた捕へらるべし
16 Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin’ ny mpianatro.
證詞をつかね律法をわが弟子のうちに封べし
17 Ary hiandry an’ i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin’ ny taranak’ i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho.
いま面をおほひてヤコブの家をかへりみ給はずといヘども我そのヱホバを待そのヱホバを望みまつらん
18 Indreto, izaho sy ireo zaza nomen’ i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin’ ny Isiraely Avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.
視よわれとヱホバが我にたまひたる子輩とはイスラエルのうちの豫兆なり奇しき標なり此はシオンの山にいます萬軍のヱホバの與へたまふ所なり
19 Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ ny olona saina? Fa hila saina amin’ ny maty ho an’ ny velona va izy?
もし人なんぢらにつげて巫女および魔術者のさえづるがごとく細語がごとき者にもとめよといはば民はおのれの神にもとむべきにあらずやいかで活者のために死者にもとむることを爲んといへ
20 Ho amin’ ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny maraina.
ただ律法と證詞とを求むべし彼等のいふところ此言にかなはずば晨光あらじ
21 Dia samy hivezivezy amin’ ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona ny mpanjakany sy Andriamaniny, ary dia hiandrandra;
かれら國をヘあるきて苦みうゑん その飢るとき怒をはなち己が王おのが神をさして誼ひかつその面をうへに向ん
22 Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin’ ny aizim-pito izy.
また地をみれば艱難と幽暗とくるしみの闇とあり かれらは昏黒におひやられん

< Isaia 8 >