< Isaia 61 >

1 Ny Fanahin’ i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ ny mazava,
L'Esprit du Seigneur, de l'Éternel, est sur moi; car l'Éternel m'a oint, pour annoncer la bonne nouvelle aux affligés. Il m'a envoyé pour guérir ceux qui ont le cœur brisé, pour proclamer aux captifs la liberté, et aux prisonniers l'ouverture de la prison;
2 Hitory taona ankasitrahan’ i Jehovah sy andro famalian’ Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra,
Pour proclamer l'année de la bienveillance de l'Éternel et le jour de la vengeance de notre Dieu; pour consoler tous ceux qui sont dans le deuil;
3 Hanolotra ho an’ ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon’ ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon’ ny fahamarinana, nambolen’ i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.
Pour présenter à ceux de Sion qui sont dans le deuil et pour leur donner le diadème au lieu de la cendre, l'huile de joie au lieu du deuil, le manteau de louange au lieu d'un esprit abattu; tellement qu'on les appellera les chênes de la justice, les arbres plantés par l'Éternel pour le glorifier.
4 Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin’ ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin’ ny taranaka lasa ela.
Ils rebâtiront les ruines antiques; ils relèveront les décombres des temps anciens; ils renouvelleront les villes détruites, ruinées d'âge en âge.
5 Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman’ osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo,
Les étrangers se tiendront là pour paître vos troupeaux; les enfants de l'étranger seront vos laboureurs et vos vignerons.
6 Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron’ i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo ny haren’ ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo.
Et vous, vous serez appelés les sacrificateurs de l'Éternel; on vous nommera les ministres de notre Dieu; vous mangerez les richesses des nations; à leur place vous serez couverts de leur gloire.
7 Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin’ ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin’ ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy.
Au lieu de votre honte, vous aurez une double part; et au lieu d'ignominie, ils célébreront leur partage; ainsi dans leur pays ils posséderont le double, et ils auront une joie éternelle.
8 Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin’ ny faharatsiana; homeko ny valin’ asany amin’ ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy.
Car je suis l'Éternel, qui aime la justice, qui hais la rapine et l'iniquité; je leur donnerai leur rétribution avec fidélité, et je traiterai avec eux une alliance éternelle.
9 Ny taranany ho fantatra any amin’ ny jentilisa ary ny terany any amin’ ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin’ i Jehovah.
Leur race sera connue parmi les nations, et leurs rejetons parmi les peuples; tous ceux qui les verront, les reconnaîtront pour la race que l'Éternel a bénie.
10 Hifaly dia hifaly amin’ i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’ Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.
Je me réjouirai en l'Éternel, et mon âme s'égaiera en mon Dieu; car il m'a revêtu des vêtements du salut, et m'a couvert du manteau de la justice, comme un époux se pare d'un diadème et comme une épouse s'orne de ses joyaux.
11 Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan’ i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ ny firenena rehetra.
Car, comme la terre fait pousser ses germes et comme un jardin fait germer ce qu'on y sème, ainsi le Seigneur, l' Éternel, fera germer la justice et la louange, en présence de toutes les nations.

< Isaia 61 >