< Isaia 60 >

1 Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’ i Jehovah efa miposaka aminao.
Rise up to be illuminated, O Jerusalem! For your light has arrived, and the glory of the Lord has risen over you.
2 Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’ i Jehovah, ary aminao no isehoan’ ny voninahiny.
For behold, darkness will cover the earth, and thick darkness will cover the peoples. Then the Lord will rise above you, and his glory will be seen in you.
3 Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ ny famirapiratan’ ny fiposahanao.
And the nations will walk in your light, and the kings will walk by the splendor of your rising.
4 Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.
Lift up your eyes all around and see! All these have been gathered together; they have arrived before you. Your sons will arrive from far away, and your daughters will rise up from your side.
5 Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren’ ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan’ ny firenena.
Then you will see, and you will overflow, and your heart will be amazed and expanded. When the multitude of the sea will have been converted to you, the strength of the nations will approach you.
6 Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an’ i Jehovah no teny mahafaly hambarany.
A multitude of camels will inundate you: the dromedaries from Midian and Ephah. All those from Sheba will arrive, carrying gold and frankincense, and announcing praise to the Lord.
7 Ny ondry aman’ osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin’ i Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin’ ny fankasitrahana ho eo ambonin’ ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny tranon’ ny voninahitro.
All the flocks of Kedar will be gathered together before you; the rams of Nebaioth will minister to you. They will be offered upon my pleasing altar, and I will glorify the house of my majesty.
8 Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin’ ny varavarankeliny?
Who are these ones, who fly like the clouds and like doves to their windows?
9 Fa Izaho no andrasan’ ny nosy, ary ny sambon’ i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin’ ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao sy ho an’ ny Iray Masin’ ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.
For the islands await me, and the ships of the sea in the beginning, so that I may lead your sons from far away, their silver and their gold with them, to the name of the Lord your God and to the Holy One of Israel. For he has glorified you.
10 Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin’ ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin’ ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao,
And the sons of sojourners will build up your walls, and their kings will minister to you. For in my wrath, I have struck you. And in my reconciliation, I have taken pity on you.
11 Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren’ ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.
And your gates will be open continually. They will not be closed day or night, so that the strength of the nations may be brought before you, and their kings may be lead in.
12 Fa ho levona izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao; eny, ireny firenena ireny hofongorana tokoa.
For the nation and the kingdom that will not serve you will perish. And the Gentiles will be devastated by solitude.
13 Ny voninahitr’ i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masìna, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.
The glory of Lebanon will arrive before you, the fir tree and the box tree and the pine tree together, to adorn the place of my sanctification. And I will glorify the place of my feet.
14 Ny zanak’ izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin’ ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan’ i Jehovah, Zionan’ ny Iray Masin’ ny Isiraely.
And the sons of those who humiliate you will approach and will bow down before you. And all who detract you will reverence the path of your feet. And they will call you the City of the Lord, the Zion of the Holy One of Israel.
15 Ho solon’ ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan’ olona namaky anao, dia hasandratro ho rehareha mandrakizay ianao, eny, ho fifaliana hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
For though you were forsaken, and held in hatred, and there was no one who would pass near you, I will establish you as an everlasting glory, as a gladness from generation to generation.
16 Ary hinono amin’ ny jentilisa ianao sady hinono amin’ ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’ i Jakoba no Mpanavotra anao.
And you will drink the milk of the Gentiles, and you will be nursed at the breasts of kings, and you will know that I am the Lord, your Savior and your Redeemer, the Strong One of Jacob.
17 Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.
In exchange for brass, I will bring gold; and in exchange for iron, I will bring silver; and for wood, brass; and for stones, iron. And I will make your visitation into peace, and your leaders into justice.
18 Ny fampahoriana tsy ho re eo amin’ ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin’ ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana.
Iniquity will no longer be heard in your land, nor devastation and destruction in your borders. And salvation will occupy your walls, and praise will occupy your gates.
19 Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran’ ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao.
The sun will no longer be your light by day, nor will the brightness of the moon illuminate you. Instead, the Lord will be an everlasting light for you, and your God will be your glory.
20 Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao.
Your sun will no longer set, and your moon will not diminish. For the Lord will be an everlasting light for you, and the days of your mourning will be completed.
21 Ary ny olonao rehetra ho marina avokoa; hanana ny tany ho mandrakizay izy, eny, ho voly maitso eo amin’ ny sahako. Asan’ ny tanako ho fampisehoam-boninahitra.
And your people will all be just. They will inherit the earth in perpetuity, the seedling of my planting, the work of my hand, so as to glorify me.
22 Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ ny fotoany.
The least will become a thousand, and a little one will become a very strong nation. I, the Lord, will accomplish this, suddenly, in its time.

< Isaia 60 >