< Isaia 58 >

1 Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, Asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ ny anjomara, ka ambarao amin’ ny oloko ny fahadisoany Ary amin’ ny taranak’ i Jakoba ny fahotany;
"Cry aloud, do not spare, lift up your voice like a trumpet, and declare to my people their disobedience, and to the house of Jacob their sins.
2 Nefa Izaho mbola tadiaviny ihany isan’ andro isan’ andro, ary ny hahalala ny lalako no sitrany. Tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik’ Andriamaniny no fanontaniany amiko ny fitsipiky ny fahamarinana, sy aniriany ny hihavian’ Andriamanitra.
Yet they seek me daily, and delight to know my ways: as a nation that did righteousness, and did not forsake the ordinance of their God, they ask of me righteous judgments; they delight to draw near to God.
3 Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao? Indro fa amin’ ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia ampahorinareo.
'Why have we fasted,' say they, 'and you do not see? Why have we afflicted our soul, and you take no knowledge?' "Look, in the day of your fast you find pleasure, and exact all your labors.
4 Indro, ny hiady sy ny hifanditra no anton’ ny ifadianareo ary ny hamely amin’ ny totohondrin’ ny faharatsiana; Izao fifadianareo izao dia tsy andrenesana ny feonareo any amin’ ny avo.
Look, you fast for strife and contention, and to strike with the fist of wickedness: you do not fast this day so as to make your voice to be heard on high.
5 Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako? Dia andro hampahorian’ ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandriany, moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan’ i Jehovah?
Is such the fast that I have chosen? the day for a man to afflict his soul? Is it to bow down his head as a rush, and to spread sackcloth and ashes under him? Will you call this a fast, and an acceptable day to YHWH?
6 Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran’ ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?
"Isn't this the fast that I have chosen: to release the bonds of wickedness, to undo the bands of the yoke, and to let the oppressed go free, and that you break every yoke?
7 Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ ny namanao ianao?
Isn't it to distribute your bread to the hungry, and that you bring the poor who are cast out to your house? When you see the naked, that you cover him; and that you not hide yourself from your own flesh?
8 Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr’ i Jehovah ho vodi-lalanao
Then your light shall break forth as the morning, and your healing shall spring forth speedily; and your righteousness shall go before you; the glory of YHWH shall be your rear guard.
9 Ary amin’ izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan’ ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy,
Then you shall call, and YHWH will answer; you shall cry, and he will say, 'Here I am.' "If you take away from the midst of you the yoke, the putting forth of the finger, and speaking wickedly;
10 Ary afoinao ho an’ ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana;
and if you draw out your soul to the hungry, and satisfy the afflicted soul: then your light shall rise in darkness, and your obscurity be as the noonday;
11 Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin’ ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra.
and YHWH will guide you continually, and satisfy your soul in dry places, and make strong your bones; and you shall be like a watered garden, and like a spring of water, whose waters do not fail.
12 Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin’ ny tany.
Those who shall be of you shall build the old waste places; you shall raise up the foundations of many generations; and you shall be called The repairer of the breach, The restorer of paths to dwell in.
13 Raha miaro ny tongotrao amin’ ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin’ ny androko masìna, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin’ i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin’ ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana,
"If you turn away your foot from the Sabbath, from doing your pleasure on my holy day; and call the Sabbath a delight, and the holy of YHWH honorable; and shall honor it, not doing your own ways, nor finding your own pleasure, nor speaking your own words:
14 Dia hiravoravo amin’ i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin’ ny havoana amin’ ny tany ianao, sy hofahanako amin’ ny lovan’ i Jakoba rainao; Fa ny vavan’ i Jehovah no efa niteny.
then you shall delight yourself in YHWH; and I will make you to ride on the high places of the earth; and I will feed you with the heritage of Jacob your father:" for the mouth of YHWH has spoken it.

< Isaia 58 >