< Isaia 55 >

1 He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.
"Come, everyone who thirsts, to the waters. Come, he who has no money, buy, and eat. Yes, come, buy wine and milk without money and without price.
2 Nahoana ianareo no mandany vola amin’ izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’ izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ ny matavy ny fanahinareo.
Why do you spend money for that which is not bread? and your labor for that which doesn't satisfy? Listen diligently to me, and eat you that which is good, and let your soul delight itself in fatness.
3 Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an’ i Davida.
Turn your ear, and come to me; hear, and your soul shall live: and I will make an everlasting covenant with you, the faithful kindnesses of David.
4 Indro, nataoko vavolombelona ho an’ ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin’ ny firenena.
Look, I have given him for a witness to the peoples, a leader and commander to the peoples.
5 Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin’ i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin’ ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.
Look, you shall call a nation that you do not know; and a nation that did not know you shall run to you, because of the LORD your God, and for the Holy One of Israel; for he has glorified you."
6 Mitadiava an’ i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
Seek the LORD while he may be found; call you on him while he is near:
7 Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’ i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’ Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
let the wicked forsake his way, and the unrighteous man his thoughts; and let him return to the LORD, and he will have mercy on him; and to our God, for he will abundantly pardon.
8 Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.
"For my thoughts are not your thoughts, neither are your ways my ways," says the LORD.
9 Fa tahaka ny hahavon’ ny lanitra noho ny tany no hahavon’ ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
"For as the heavens are higher than the earth, so are my ways higher than your ways, and my thoughts than your thoughts.
10 Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ ny mpamafy sy hanina ho an’ ny mpihinana,
For as the rain comes down and the snow from the sky, and doesn't return there, but waters the earth, and makes it bring forth and bud, and gives seed to the sower and bread to the eater;
11 Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’ izay ampandehanako azy.
so shall my word be that goes forth out of my mouth: it shall not return to me void, but it shall accomplish that which I please, and it shall prosper in the thing I sent it to do.
12 Fa amin’ ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin’ ny fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hitehatanana.
For you shall go out with joy, and be led forth with peace: the mountains and the hills shall break forth before you into singing; and all the trees of the fields shall clap their hands.
13 Ny hazo kypreso haniry ho solon’ ny tsilo, ary ny rotra ho solon’ ny sampivato; ary ho anarana ho an’ i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina.
Instead of the thorn shall come up the fir tree; and instead of the brier shall come up the myrtle tree: and it shall be to the LORD for a name, for an everlasting sign that shall not be cut off."

< Isaia 55 >