< Isaia 52 >

1 Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masìna; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.
Awake, awake, put on thy strength, O Zion; put on thy beautiful garments, O Jerusalem, the holy city: for henceforth there shall no more come into thee the uncircumcised and the unclean.
2 Ahintsano ny vovoka hiala amin’ ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin’ ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.
Shake thyself from the dust; arise, sit [on thy throne], O Jerusalem: loose thyself from the bonds of thy neck, O captive daughter of Zion.
3 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo.
For thus saith Jehovah, Ye were sold for nought; and ye shall be redeemed without money.
4 Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan’ ny oloko tamin’ ny voalohany mba hivahiny tany; Ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-tsy ahoana.
For thus saith the Lord Jehovah, My people went down at the first into Egypt to sojourn there: and the Assyrian hath oppressed them without cause.
5 Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako.
Now therefore, what do I here, saith Jehovah, seeing that my people is taken away for nought? they that rule over them do howl, saith Jehovah, and my name continually all the day is blasphemed.
6 Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; Eny, amin’ izany andro izany dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho.
Therefore my people shall know my name: therefore [they shall know] in that day that I am he that doth speak; behold, it is I.
7 Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin’ i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
How beautiful upon the mountains are the feet of him that bringeth good tidings, that publisheth peace, that bringeth good tidings of good, that publisheth salvation, that saith unto Zion, Thy God reigneth!
8 Injany ny feon’ ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian’ i Jehovah ho any Ziona.
The voice of thy watchmen! they lift up the voice, together do they sing; for they shall see eye to eye, when Jehovah returneth to Zion.
9 Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an’ i Jerosalema.
Break forth into joy, sing together, ye waste places of Jerusalem; for Jehovah hath comforted his people, he hath redeemed Jerusalem.
10 Jehovah efa nampiseho ny sandriny masìna teo imason’ ny firenena rehetra; ary ny faran’ ny tany rehetra hahita ny famonjen’ Andriamanitsika.
Jehovah hath made bare his holy arm in the eyes of all the nations; and all the ends of the earth have seen the salvation of our God.
11 Mialà, mialà ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak’ i Jehovah.
Depart ye, depart ye, go ye out from thence, touch no unclean thing; go ye out of the midst of her; cleanse yourselves, ye that bear the vessels of Jehovah.
12 Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.
For ye shall not go out in haste, neither shall ye go by flight: for Jehovah will go before you; and the God of Israel will be your rearward.
13 Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra.
Behold, my servant shall deal wisely, he shall be exalted and lifted up, and shall be very high.
14 Fa toy ny nigagan’ ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin’ olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak’ olombelona),
Like as many were astonished at thee (his visage was so marred more than any man, and his form more than the sons of men),
15 Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin’ ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy.
so shall he sprinkle many nations; kings shall shut their mouths at him: for that which had not been told them shall they see; and that which they had not heard shall they understand.

< Isaia 52 >