< Isaia 51 >

1 Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an’ i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo.
你們這追求公義、 尋求耶和華的,當聽我言! 你們要追想被鑿而出的磐石, 被挖而出的巖穴。
2 Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko.
要追想你們的祖宗亞伯拉罕 和生養你們的撒拉; 因為亞伯拉罕獨自一人的時候, 我選召他,賜福與他, 使他人數增多。
3 Fa Jehovah mampionona an’ i Ziona; Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy Ka manao ny efitra ao ho tahaka an’ i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan’ i Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao mbamin’ ny fisaorana sy ny feo fiderana.
耶和華已經安慰錫安 和錫安一切的荒場, 使曠野像伊甸, 使沙漠像耶和華的園囿; 在其中必有歡喜、快樂、感謝, 和歌唱的聲音。
4 Mihainea Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena.
我的百姓啊,要向我留心; 我的國民哪,要向我側耳; 因為訓誨必從我而出; 我必堅定我的公理為萬民之光。
5 Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; izaho no hantenain’ ny nosy, ary ny sandriko no andrasany.
我的公義臨近; 我的救恩發出。 我的膀臂要審判萬民; 海島都要等候我,倚賴我的膀臂。
6 Andrandrao ho amin’ ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, ary tany ho tahaky ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao dia ho faty tampoka; fa ny famonjena kosa haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako tsy mba ho rava.
你們要向天舉目, 觀看下地; 因為天必像煙雲消散, 地必如衣服漸漸舊了; 其上的居民也要如此死亡。 惟有我的救恩永遠長存; 我的公義也不廢掉。
7 Mihainoa ahy, ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao; aza matahotra ny latsa ataon’ ny zanak’ olombelona, na manahy noho ny faharatsiany.
知道公義、將我訓誨存在心中的民, 要聽我言! 不要怕人的辱罵, 也不要因人的毀謗驚惶。
8 Fa ny kalalao hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, ary lolo fotsy hihinana azy tahaka ny fihinam-bolon’ ondry; fa ny fahamarinako haharitra mandrakizay, ary famonjena hihatra amin’ ny taranaka fara-mandimby.
因為蛀蟲必咬他們,好像咬衣服; 蟲子必咬他們,如同咬羊絨。 惟有我的公義永遠長存, 我的救恩直到萬代。
9 Mifohaza, mifohaza, ry sandrin’ i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin’ ny andro fahiny! dia tamin’ ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona?
耶和華的膀臂啊,興起!興起! 以能力為衣穿上, 像古時的年日、上古的世代興起一樣。 從前砍碎拉哈伯、 刺透大魚的,不是你嗎?
10 Tsy Hianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin’ ny lalina indrindra, ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan’ ny navotana?
使海與深淵的水乾涸、 使海的深處變為贖民經過之路的, 不是你嗎?
11 Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
耶和華救贖的民必歸回, 歌唱來到錫安; 永樂必歸到他們的頭上。 他們必得着歡喜快樂; 憂愁歎息盡都逃避。
12 Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak’ olombelona mety maty sy ny zanak’ olona hatao tahaka ny ahitra
惟有我,是安慰你們的。 你是誰,竟怕那必死的人? 怕那要變如草的世人?
13 ka manadino an’ i Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, sady matahotra lalandava mandritra ny andro ianao noho ny fahatezeran’ ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran’ ny mpampahory?
卻忘記鋪張諸天、立定地基、 創造你的耶和華? 又因欺壓者圖謀毀滅要發的暴怒, 整天害怕, 其實那欺壓者的暴怒在哪裏呢?
14 Izay mitanondrika dia ho afaka faingana; Tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina.
被擄去的快得釋放, 必不死而下坑; 他的食物也不致缺乏。
15 Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarako.
我是耶和華-你的上帝- 攪動大海,使海中的波浪匉訇- 萬軍之耶和華是我的名。
16 Ary nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin’ ny aloky ny tanako no nanaronako anao, hanao ny lanitra sy hanorina ny tany Aho ary hanao an’ i Ziona hoe: Oloko ianao.
我將我的話傳給你, 用我的手影遮蔽你, 為要栽定諸天,立定地基, 又對錫安說:你是我的百姓。
17 Mifohaza, mifohaza, mitsangana, ry Jerosalema ô, izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin’ ny tànan’ i Jehovah; eny, ny kapoaka gobilia mampiraikiraiky dia efa nisotroanao, ka notrohinao mbamin’ ny faikany.
耶路撒冷啊,興起! 興起!站起來! 你從耶和華手中喝了他忿怒之杯, 喝了那使人東倒西歪的爵,以致喝盡。
18 Tsy misy mitondra azy ny zananilahy rehetra izay naterany; ary tsy misy mitantana azy ny zananilahy rehetra izay notezainy.
她所生育的諸子中,沒有一個引導她的; 她所養大的諸子中,沒有一個攙扶她的。
19 Izao zavatra roa Izao no hanjo anao (Iza no hanony ny alahelonao?): Fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra, koa hataoko ahoana no fampionona anao?
荒涼、毀滅、饑荒、刀兵, 這幾樣臨到你, 誰為你舉哀? 我如何能安慰你呢?
20 Ny zanakao-lahy efa reraka, ka miapokapoka eny an-joron-dalambe rehetra eny izy, tahaka ny diera ao anatin’ ny fandrika harato eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran’ i Jehovah sy ny teny mafy ataon’ Andriamanitrao.
你的眾子發昏, 在各市口上躺臥, 好像黃羊在網羅之中, 都滿了耶和華的忿怒 -你上帝的斥責。
21 Koa mihainoa izao, ianao ry ilay ory sady mamo tsy amin-divay:
因此,你這困苦卻非因酒而醉的, 要聽我言。
22 Izao no lazain’ i Jehovah Tomponao, dia Andriamanitrao, Izay mandaha-teny ho an’ ny olony: Indro, esoriko eny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaka gobilian’ ny fahatezerako; Tsy hisotroanao intsony iny,
你的主耶和華- 就是為他百姓辨屈的上帝如此說: 看哪,我已將那使人東倒西歪的杯, 就是我忿怒的爵, 從你手中接過來; 你必不致再喝。
23 Fa hataoko eo an-tànan’ izay mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny lalambe ho an’ izay mandeha eo.
我必將這杯遞在苦待你的人手中; 他們曾對你說:你屈身, 由我們踐踏過去吧! 你便以背為地, 好像街市,任人經過。

< Isaia 51 >