< Isaia 5 >

1 Aoka aho hihira ny amin’ ny Malalako, dia hiran’ ny Malalako ny amin’ ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka;
我要為我所親愛的唱歌, 是我所愛者的歌,論他葡萄園的事: 我所親愛的有葡萄園在肥美的山岡上。
2 Dia nasainy io, ka nesoriny ny vato, Ary novoleny karazam-boaloboka tsara, Sady nanao tilikambo teo afovoany Izy Ary nandavaka famiazam-boaloboka teo; Dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy, Kanjo namoa voalobo-dratsy.
他刨挖園子,撿去石頭, 栽種上等的葡萄樹, 在園中蓋了一座樓, 又鑿出壓酒池; 指望結好葡萄, 反倒結了野葡萄。
3 Koa noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin’ ny Joda, Masìna ianareo, tsarao Aho sy ny tanim-boaloboko.
耶路撒冷的居民和猶大人哪, 請你們現今在我與我的葡萄園中,斷定是非。
4 Inona moa no mbola azo natao tamin’ ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
我為我葡萄園所做之外, 還有甚麼可做的呢? 我指望結好葡萄, 怎麼倒結了野葡萄呢?
5 Koa noho izany dia aoka hambarako anareo izay hataoko amin’ ny tanim-boaloboko: Hesoriko ny fefy tsilony, ka dia holevonina izy; Ary harodako ny fefy vatony, ka dia ho voahitsakitsaka izy;
現在我告訴你們, 我要向我葡萄園怎樣行: 我必撤去籬笆,使它被吞滅, 拆毀牆垣,使它被踐踏。
6 Ary hataoko simba dia simba izy; Tsy hohetezana ny sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy.
我必使它荒廢,不再修理, 不再鋤刨,荊棘蒺藜倒要生長。 我也必命雲不降雨在其上。
7 Fa ny taranak’ i Isiraely no tanim-boalobok’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Ary ny lehilahy amin’ ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.
萬軍之耶和華的葡萄園就是以色列家; 他所喜愛的樹就是猶大人。 他指望的是公平, 誰知倒有暴虐; 指望的是公義, 誰知倒有冤聲。
8 Lozanareo izay mangorona trano lalandava Sady mampiharo vala ny saha amin’ ny saha, Ambara-paha-tsy hisy hitoeran’ ny sasany intsony, Mba ho tonga mponina manirery eo amin’ ny tany ianareo!
禍哉!那些以房接房, 以地連地, 以致不留餘地的, 只顧自己獨居境內。
9 Izao no ren’ ny sofiko avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Marina tokoa fa ho foana ny trano maro, Eny, na dia izay lehibe sady tsara aza dia tsy hisy mpitoetra.
我耳聞萬軍之耶和華說: 必有許多又大又美的房屋 成為荒涼,無人居住。
10 Ary bata iray monja no ho vokatry ny tanim-boaloboka folo Zemeda, Ary rehefa iray monja no ho vokatry ny voan-javatra eran’ ny homera.
三十畝葡萄園只出一罷特酒; 一賀梅珥穀種只結一伊法糧食。
11 Lozan’ izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan’ ny andro ka ampirehetin’ ny divay!
禍哉!那些清早起來追求濃酒, 留連到夜深,甚至因酒發燒的人。
12 Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; Fa ny asan’ i Jehovah tsy mba jereny, Ary ny ataon’ ny tanany tsy mba hitany.
他們在筵席上 彈琴,鼓瑟,擊鼓,吹笛,飲酒, 卻不顧念耶和華的作為, 也不留心他手所做的。
13 Ary noho izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsi-fahalalany, Ary ny olona ambony ho mosarena, Ary ny valalabemandry ho main’ ny hetaheta.
所以,我的百姓因無知就被擄去; 他們的尊貴人甚是飢餓, 群眾極其乾渴。
14 Koa izany no mampitanatana vava ny fiainan-tsi-hita Hanao teli-moka an’ i Jerosalema; Ary any no hivarinan’ ny voninahiny sy ny fihahohahony ary ny tabatabany mbamin’ izay mifalifaly ao aminy; (Sheol h7585)
故此,陰間擴張其欲, 開了無限量的口; 他們的榮耀、群眾、繁華, 並快樂的人都落在其中。 (Sheol h7585)
15 Ary ny zanak’ olombelona dia hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary ny mason’ ny miandranandrana dia haidina.
卑賤人被壓服; 尊貴人降為卑; 眼目高傲的人也降為卑。
16 Fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no hisandratra amin’ ny fitsarana, Ary Andriamanitra masìna dia hiseho ho masìna amin’ ny fahamarinana.
惟有萬軍之耶和華因公平而崇高; 聖者上帝因公義顯為聖。
17 Ary ny zanak’ ondry hikania toy ny eny amin’ ny tany fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay nipetrahan’ ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao.
那時,羊羔必來吃草,如同在自己的草場; 豐肥人的荒場被遊行的人吃盡。
18 Lozan’ izay mitari-keloka amin’ ny kofehin’ ny faharatsiana Ary mitarika ota toy ny amin’ ny mahazakan-tsariety,
禍哉!那些以虛假之細繩牽罪孽的人! 他們又像以套繩拉罪惡,
19 Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka izay kasain’ ny Iray Masin’ ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika!
說:任他急速行,趕快成就他的作為, 使我們看看; 任以色列聖者所謀劃的臨近成就, 使我們知道。
20 Lozan’ izay milaza ny ratsy ho tsara ary na tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!
禍哉!那些稱惡為善,稱善為惡, 以暗為光,以光為暗, 以苦為甜,以甜為苦的人。
21 Lozan’ izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina!
禍哉!那些自以為有智慧, 自看為通達的人。
22 Lozan’ izay fatratra nefa amin’ ny fisotroan-divay ihany, sy izay kanto nefa amin’ ny fampiharoharoana toaka ihany!
禍哉!那些勇於飲酒, 以能力調濃酒的人。
23 Ary izay manamarina ny meloka noho ny kolikoly sy manala ny rariny amin’ ny marina!
他們因受賄賂,就稱惡人為義, 將義人的義奪去。
24 Koa toy ny fandevonan’ ny lelafo ny mololo, ary toy ny fifitsaky ny bozaka midedadeda, dia toy izany no hahalovan’ ny fakany sy hijofoan’ ny voniny hanjary vovoka, satria efa nandà ny lalàn’ i Jehovah, Tompon’ ny maro izy Sy nanamavo ny tenin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely.
火苗怎樣吞滅碎詡, 乾草怎樣落在火焰之中, 照樣,他們的根必像朽物, 他們的花必像灰塵飛騰; 因為他們厭棄萬軍之耶和華的訓誨, 藐視以色列聖者的言語。
25 Koa izany no irehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny olony sy aninjirany ny tànany aminy ka amelezany azy; Dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin’ ny olona dia tonga tahaka ny diky eny an-dalambe. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
所以,耶和華的怒氣向他的百姓發作。 他的手伸出攻擊他們,山嶺就震動; 他們的屍首在街市上好像糞土。 雖然如此,他的怒氣還未轉消; 他的手仍伸不縮。
26 Ary hanangana faneva ho amin’ ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran’ ny tany; Ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo;
他必豎立大旗,招遠方的國民, 發嘶聲叫他們從地極而來; 看哪,他們必急速奔來。
27 Tsy hisy reraka na tafintohina ao aminy; Tsy ho rendrehana na hatory izy: Tsy hiboraka ny fehin-kibony, ary tsy ho tapaka ny fehin-kapany,
其中沒有疲倦的,絆跌的; 沒有打盹的,睡覺的; 腰帶並不放鬆, 鞋帶也不折斷。
28 Maranitra ny zana-tsipìkany, Ary voahenjana avokoa ny tsipìkany; Ny kitron-tsoavaliny atao ho tahaka ny afovato; Ary ny kodiany ho tahaka ny tadio;
他們的箭快利, 弓也上了弦。 馬蹄算如堅石, 車輪好像旋風。
29 Ny fierony dia tahaka ny fieron’ ny liom-bavy, Ary mierona tahaka ny liona tanora izy; Eny, manerona izy ka mandrapaka ny toha, Dia lasany, ka tsy azo alaina intsony.
他們要吼叫,像母獅子, 咆哮,像少壯獅子; 他們要咆哮抓食, 坦然叼去,無人救回。
30 Ary hirohondrohona aminy amin’ izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon’ ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin’ ny rahona.
那日,他們要向以色列人吼叫, 像海浪匉訇; 人若望地,只見黑暗艱難, 光明在雲中變為昏暗。

< Isaia 5 >